Alahasaty

Ny Alahasaty no vintana fahadimy amin' ny fanandroana malagasy.

Ny Alahasaty no vintana fahadimy amin' ny fanandroana malagasy. Ny Asorotany no eo alohany ary ny Asombola no manaraka azy. Ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy[1]. Araka ny finoan-drazana malagasy dia vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty.

Ody

Fiavian' ilay anarana

Fiavian' ilay anarana

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe اأسد / Al-Asad ("liona") ny hoe Alahasaty. Amin' ny faritra maro eto Madagasikara dia tononina hoe Alahasady koa io teny io. Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Leo na amin' ny teny frantsay hoe Lion ny hoe Alahasaty. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Asadi na Simba io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Asad na Singa ihany koa izy.

 
Antokon-kintan'ny Liona

Ny antokon-kintana Liona sy ny zôdiaka

Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Liona dia manomboka amin' ny 10 Aogositra ka miafara amin' ny 16 Septambra. Ny fari-potoan' ny Liona araka ny zôdiakan-kintana dia hatramin' ny 16 Aogositra ka hatramin' ny 15 Septambra. Ny Liona ao amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia manomboka amin' ny 23 Jolay ka miafara amin' ny 22 Septambra. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana.

Foza na AsorotanyLiona na AlahasatyVirijiny na Asombola
Antokon-kintana20 Jolay - 10 Aogositra10 Aogositra - 16 Septambra16 Septambra - 30 Oktobra
Zodiakan-kintana16 Jolay - 15 Aogositra16 Aogositra - 15 Septambra16 Septambra - 15 Oktobra
Zodiaka mikisaka22 Jona - 22 Jolay23 Jolay - 22 Aogositra23 Aogositra - 22 Septambra

Ny vintana Alahasaty

Toerany

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahadimy koa ny Alahasaty ka ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Zanabintana ny Alahasaty. Mifandratra amin' ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty. Trotroin' ny renivintana Asorotany ny zanabintana Alahasaty. Mitondra tonon' andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Alahasaty (na vavan' Alahasaty) sy ny vody Alahasaty (vodin' Alahasaty).

Fombany

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty.

Vava Alahasaty

Ny olona teraka vava Alahasaty dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Tononandro tsara anandratana ody sy sampy ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana zavatra hafa.

Vody Alahasaty

Ny olona terana vody Alahasaty dia ho tratra antitra. Tononandro tsara ho fisantarana zavatra sy fampakaram-bady ny vody Alahasaty.

Ny volana Alahasaty

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alahasaty ho volana fahadimy amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Manomboka amin' ny vava Alahasaty ka miafara amin' ny vody Asorotany ny volana Alahasaty raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Asorotany dia miafara amin' ny vava Alahasaty ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alahasaty io dia mifarana amin' ny vody Alahasaty ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana

  1. "Alahasaty", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.

This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Alahasaty, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.

/** SHOW / HIDE SECTION**/function mfTempOpenSection(getID) {var x = document.getElementById("mf-section-"+getID); if (x.style.display === "none") { x.style.display = ""; } else { x.style.display = "none"; }}