Kristôlôjia

Ny kristôlôjia dia taranja ao amin' ny teôlôjia dôgmatika kristiana izay mianatra sy mandinika ny amin' ny persôna sy ny fampianarana ary ny asan' i Jesoa amin' ny maha Kristy azy, indrindra ny amin' ny natioran' i Jesoa sy ny fifandraisany amin' Andriamanitra: i Jesoa ve zanak' Andriamanitra, zanaka natsangany, olombelona tsy misy fangarony, sa Andriamanitra tsy misy fangarony? Izany fandinihana ao amin' io taranja io izany dia miainga avy amin' ny anaram-boninahitra omena an' i Jesoa ao amin' ny Testamenta Vaovao, toy ny hoe Kristy, Tompo, Zanak' Andriamanitra, Mesia, sady mandinika koa ny amin' ny maha-izy-azy an' i Kristy sy ny hevitry ny anaram-boninahitra hoe Kristy.

Ny finoan' ny Kristiana an' i Jesoa teo amin' ny tantara

Ny Kristiana dia mino fa zanak' Andriamanitra i Jesoa nefa ny fiangonana tsirairay dia samy manana ny fomba finoany azy. Araka ny Filazantsara dia efa nisy talohan' izao rehetra izao i Jesoa. Izy no ilay Teny (na Logos) izay nahariana izao tontolo izao. Izy no ilay Teny tonga nofo. Talohan' ny Kônsily voalohany tao Nikea dia tsy tena nazava tsara ny amin' ny fiheverana an' i Kristy sy ny Trinite. Nisy ny ady hevitra ary maro ireo nampangaina ho mpanao fampianaran-diso noho ny fiheverany ny amin' i Jesoa sy ny Fanahy Masina tsy mifanaraka amin' ny fanapahan-kevitra ôfisialin' ny Fiangonana tamin' izay.

Ny finoana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa

Ho an' ny fiangonana kristiana mino ny Trinite dia Andriamanitra tonga nofo i Jesoa Kristy. Tsy zanak' Andriamanitra fotsiny ihany izy fa Andriamanitra Zanaka. Persônan' Andriamanitra i Jesoa sahala amin' ny Ray sy ny Fanahy Masina izay samy persôna avokoa. Manana toetra roa izy: sady olona no Andriamanitra. Naterak' Andriamanitra Ray fa tsy natao. Ny Fiangonana katôlika sy Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana prôtestanta ary ny Fiangonana evanjelika maro dia mino ny Trinite.

Ny Kônsily voalohany tao Nikea na Nisea dia namahàna ny olana nisy tamin' ny fomba fiheverana an' i Jesoa. Isan’ ireny ny amin’ ny hevitr' i Ariosy sy ny namany izay tsy nanaiky ny fitoviam-pomba (na fitovia-natiora na fitoviana sobstansa) eo amin' i Jesoa sy ny Ray. Nivoaka ny Fanekem-pinoana nikeana amin' ny endriny volohany. Nekena ho finoana marina (latina: ortodoxia) ny finoana ny Trinite. Maro koa ny zavatra notapahina nandritra ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly ka isan' ireny ny fanamafisana ny amin' ny maha-mitovy fomba (na mitovy sobstansa) ny Fanahy Masina amin' ny Zanaka sy ny Ray. Nivoaka tamin' izany ny Fanekem-pinoan' i Nikea sy Kônstantinôpôly izay tsy inona fa ny Fanekem-pinoana nikeana amin' ny endriny lava kokoa.

Ny tsy finoana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa

Misy ny fiangonana izay mihevitra fa ny teny hoe zanak' Andriamanitra dia sarinteny fotsiny na teny azo ampiharina amin' ny olona rehetra izay mino an' Andriamanitra sy manao ny sitrapony. Misy amin' ireo fiangonana ireo ny manao an' i Jesoa Kristy ho olona fotsiny fa natsangan' Andriamanitra ho zanany.

Araka ny arianisma dia ny Ray ihany no tena Andriamantra, izay sady tsy nateraka no tsy noforonina. Tsy mitovy natiora amin' Andriamanitra ny Zanaka sady tsy mandrakizay ny fisiany satria noforonina. Araka ny fampianaran' ny adôptianisma dia tsy tonga zanak' Andriamanitra i Jesoa raha tsy nanomboka teo amin' ny fanaovan' i Joany batisa azy teo amin' ny onin' i Jôrdana. Zanaka natsangan' Andriamanitra i Jesoa fa tsy Andriamanitra. Olombelona i Jesoa.

Jereo koa

Tags:

Kristôlôjia Ny finoan ny Kristiana an i Jesoa teo amin ny tantaraKristôlôjia Jereo koaKristôlôjiaAndriamanitra ao amin' ny kristianismaFoto-pampianaranaJesoaKristyMesiaNatiora (teôlôjia)Persôna (teôlôjia)Testamenta VaovaoTeôlôjia dôgmatikaZanak' AndriamanitraZanak' Andriamanitra (kristianisma)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Trinite(194602) 2001 XR129Repoblika Fahefatra (Madagasikara)Foko eto MadagasikaraVondrona EorôpeanaTamba-nosin' i Kômôro26 AprilyMinnesotaRanomasimbe PasifikaKônsily Vatikàna IISaint Paul, MinnesotaVarahinaAdy Lehibe FaharoaBaiboly katôlikaFitiavan-tanindrazanaFiarahamoninaKiboboRadama VoalohanyRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaFiteny kiordaTeddy TetzlaffRasendrasoaForyFanekem-pinoana ekiomenikaBaraEtazoniaRosiaFiangonana Jesosy MamonjyHazo fijalianaOpera1850Hasina (hery tsy hita maso)Fiteny hindỳZakaiosyVondrona WagnerLionaGogoPelikanaFady (malagasy)PlotoDokuWikiMichał ZielińskiMatioHaifisaina sy hetsi-poHaisoratraAkohoDidy FoloMahafalyFiteny eto MadagasikaraTestamenta TalohaFiteny jeôrjianaAntandroyAndy MurrayISO 3166-1StatistikaFaribolana SandratraLehilaly NeanderthalFanatitraMichael FinckeLufthansaLed ZeppelinThe BeatlesBeosySheshtomadFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoJodaisma🡆 More