Ekleziôlôjia

Ny ekleziôlôjia na eklesiôlôjia dia sampan' ny teôlôjia kristiana izay andalinana ny anjara asan' ny Fiangonana amin' ny maha vahoakan' Andriamanitra azy eo amin' ny tantaran' ny famonjena ny olombelona.

Ny ekleziôlôjia dia fandalinana ny fiandohan' ny kristianisma, ny fifandraisany amin' i Jesoa, ny anjara asa sahaniny eo amin' ny asam-pamonjena, ny fandaminana misy ao aminy, ny fitsipika mifehy azy, ny zava-kendreny sy ny tanjony ary ny fitantanana azy.

Misampana maro ny fivavahana kristiana ka noho izany dia misy karazany maro koa ny endriky ny ekleziôlôjia arakaraka ny fiangonana. Mandalina koa ny fiantraika sy ny fivoaran' ireo fiangonana izay nanjary ho Fiangonana amin' ny maha andrin' ny finoana azy koa ny ekleziôlôjia. Mifandray akaiky amin' ny teôlôjia pastôraly io sampan' ny teôlôjia kristiana io.

Avy amin' ny teny grika hoe ekklesiologia ny teny hoe eklesiôlôjia izay avy amin' ny fikambanan' ny teny grika hoe Εκκλησία / Ekklêsia sy λογία / logia . Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia atao hoe Fiangonana (grika: Εκκλησία / Ekklêsia) izany vahoakan' Andriamanitra (hebreo: qâhâl) izany izay tsy iza fa ny Kristiana miray ao amin' ny Batisa sy ny fanatrehan' i Kristy nitsangana tamin' ny maty, indrindra fa amin' ny fotoan' ny fandraisana ny Fanasan' ny Tompo na Eokaristia.

Jereo koa

Tags:

FamonjenaJesoaKristianismaRafi-pitantanam-piangonana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Jari LitmanenTsirinteny sara-droaRainay any an-danitraMalagasy (vahoaka)Testamenta VaovaoKalanoroRenyVanimpotoan' ny Tempoly FaharoaFaritra eto MadagasikaraBritaina LehibeHasina (zavamaniry)AmerikaFanambaràna ny hevitry ny nofyTaquaraArjentinaForySola ScripturaRasoherinaBaraLambamenaTaom-baovao malagasyRazana (finoana malagasy)Fahafatesan'i Baby PTetiandro manara-masoandroFamakafakana ny BaibolyDemôkrasiaLeBron JamesFrantsaVolaJesoaÔseaniaRavoahangy-Andrianavalona JosephKobe BryantRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Liste des indicatifs téléphoniques internationaux par paysTanyAndriamangariraFanandroana malagasyJulius ErvingBetsiboka (renirano)TsirintenyBiaudosSektaAnaranaFiteny anglisyVohitr' andrianaFilôzôfiaFiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto MadagasikaraTorontoFiraisana ara-nofoRosiaAdijadyFanagasianaWikipediaTerry SchmidtFiteny malagasyFiteny japôneyVanimpotoana Fiavian'ny Tompo (katolika)IrànaMa Ying-jeouJodeaJohann SmithWikiJôbaTorkiaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Bokin' i HenôkaOkrainaFahaleovantenaFihavananaLarry BirdMatoanteny🡆 More