Ny fiainana aorian' ny fahafatesana na fiainana any an-koatra dia fitohizan' ny fiainan' ny fanahy na ny fieritreretan' ny zava-manana aina aorian' ny fahafatesany.
Maro ny endrika mety hisehoan' izany ka ny fiainana any am-paradisa na any amin' ny helo aorian' ny fitsanganan-ko velona, araka ireo fivavahana abrahamika, dia isan' izany. Maro koa ny fivavahana mampianatra ny fisian' ny fiainana any an-koatra, isan' izany ny fivavahan' ny Egiptiana taloha, ny fivavahan' ny Grika sy ny Rômana taloha, ny fivavahan' ireo mponina tao amin' ny tapany avaratr' i Eorôpa, ny fivavahana kristiana, ny finoana silamo, ny jodaisma (afa-tsy ny an' ny Sadoseo), ny bodisma, ny hindoisma, ny jainisma, ny sikisma, ny zôrôastrisma, ny fivavahan-drazana afrikana sy ny hafa koa.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiainana aorian' ny fahafatesana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.