Izany toetran' ny fahafatesana izany dia isehoan' ny tsy fiverenan' ny firindrana eo amin' ny fiasan' ny vatana izay tokony ho afa-miantoka ny fahavelomana, toy ny fihinanan-kanina, ny fifohan-drivotra, ny fisotroan-drano, sns.
Eo amin' ny sela dia miseho amin' ny alalan' ny fijanonan' ny anjara asa fototra sahanin' ny sela ny fahafatesana. Ao amin' ny zavamananaina maro sela dia mety vokatry ny fahasimban' ny sela izay mitarika amin' ny fahafatesan-tsela aloham-potoana izany, na vokatry ny famerana, na voalahatra mialoha ka miteraka ny famonoan-tenan' ny sela manoloana fisehon-javatra iray mibaiko izany.
Eo amin' ny olombelona kosa, ny fijanonan' ny fo tsy mitepo maharitra alohan' ny hihetsehana indray dia mampametraka fanontaniana ny amin' ny fetra na ny tetezamita eo amin' ny fiainana sy ny fahafatesana. Manoloana io fanontaniana io dia mihevitra ny Fikambanana maneran-tany momba ny fahasalaman' ny biby fa ny fahafatesana dia "ny fanjavonana tsy mifodin' ny fiasan' ny atidoha abaribarin' ny fahaverezan' ny fihetsika hoazy ao amin' ny fototry ny atidoha": ity fikambanana ity dia mamaritra ny fahafatesana ho fahafatesan' ny atidoha, fa tsy fitsaharan' ny fitepon' ny fo sy ny fitsaharan' ny fikorianan' ny ra.
This article uses material from the Wiki Malagasy article Maty, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.