Ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika na Fiangonan' ny kônsily fito, izay fantatra indrindra amin' ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa dia fiangonana faharoa, raha ny hamaron' ny mpino ao aminy no jerena.
Iray amin' ireo fiangonana tranainy indrindra izy. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro, izay samy niorina araka ny Kônsily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan' ny kônsily fito" izy. Ny ankamaroan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia hita ao Eorôpa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy. Ahitana mpivavaka ôrtôdôksa koa ny tapany atsinanana among ny faritra manodidina an' i Mediteranea sy aty Afrika. Vitsy dia vitsy ny mpino ôrtôdôksa any Atsinanana Afovoany noho ny fisian' ny fanenjehana. Amin' izao fotoana izao dia miisa 250 000 000 any ho any ny mpino ôrtôdôksa maneran-tany. Ny Fiangonana Ôrtôdôksa eto Madagasikara dia anisan' ny Fiangonana ôrtôdôksan' i Aleksandria sy Afrika manontolo.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.