Fahagagana Nataon' I Jesoa

Ny fahagagana nataon' i Jesoa na fahagagana nataon' i Jesosy dia ny zava-niseho tsy araka ny lalànan' ny natiora izay notanterahin' i Jesoa na Jesosy araka ny Testamenta Vaovao.

Araka ny voasoratra ao amin' ny evanjely kanônika na filazantsara kanônika dia nanao fahagagana i Jesoa ka nitana toerana lehibe izany. Nisy fanasitranana mahagaga sy famoahana demonia vokatry ny finoana. Nisy koa ny fanovana ny rano ho divay tamin' ny fampakaram-bady tao Kanà. Nisy ny fananganana amin' ny maty sahala amin' ny an' i Lazarôsy (na Lazara), ny fampitomboana ny mofo sy ny hazandrano.

Fahagagana Nataon' I Jesoa
Nampahiratra ilay teraka jamba i Jesoa, sary nataon' i Nicolas Colombel

Ny evanjely dia ahitana karazana fahagagana telo notanterahin' i Jesoa, dia ny fandroahana fanahy ratsy sy ny fanasitranana aretina ary ny fanehoana zava-mahatalanjona eo amin' ny zavaboary . Ao amin' ny Evanjelin' i Joany na Filazantsaran' i Jaona dia antsoina hoe "famantarana" ny fahagagana sady io evanjely io dia manantitra ny asan' Andriamanitra izay ao ambadik' ireo fahagagana ireo. Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty no fahagagana lehibe indrindra ka io no ivon' ny finoan' ny Kristiana. Ao amin' ny Testamenta Vaovao i Jesoa dia manazava fa ny fahagagana dia tanteraka amin' ny alalan' ny finoana an' Andriamanitra, araka ny hita ao amin' ny Evanjelin' i Matio na Filazantsaran' i Matio (Matio 17.20).

Lisitry ny fahagagana nataon' i Jesoa

Laharany Zava-nitranga Araka an' i Matio Araka an' i Marka Araka an' i Lioka Araka an' i Joany
1 Fampakaram-bady tao Kanà Joa 2. 1-11
2 Fanasitranana ilay lehilahy misy demonia tao Kafarnahoma Mar 1. 21-28 Lio 4. 31-37
3 Ilay jono mahagaga Lio 5. 1-11
4 Fanaganan-kovelona tao Naina Lio 7. 11-17
5 Fanasitranana lehilahy boka Mat 8. 1-4 Mar 1. 40-45 Lio 5. 12-16
6 Fanasitranana ny mpanompon' ilay miaramila rômana Mat 8. 5-13 Lio 7. 1-10
6 Fanasitranana ny zanak' ilay manamboninahitra Joa 4. 46-54
7 Fanasitranana ny rafozam-bavin' i Petera Mat 8. 14-15 Mar 1. 29-34 Lio 4. 38-41
8 Fandroahana fanahy ratsy tao Kapernahoma Mat 8. 16-17 Mar 1. 32-34 Lio 4. 40-41
9 Fampitsaharana ny rivo-mahery Mat 8. 23-27 Mar 4. 35-41 Lio 8. 22-25
10 Fandroahana demonia tao amin' ny Gadareniana Mat 8. 28-34 Mar 5. 1-20 Lio 8. 26-39
11 Fanasitranana ilay mararin' ny paralisisa Mat 9. 1-8 Mar 2. 1-12 Lio 5. 17-26
12 Fanaganan-ko velona ny zanaka vavin' i Jairo Mat 9. 18-26 Mar 5. 21-43 Lio 8. 40-56
13 Fanasitranana ilay vehivavy very ra Mat 9. 20-22 Mar 5. 24-34 Lio 8. 43-48
14 Fanasitranana ny jamba roalahy Mat 9. 27-31
15 Fanasitranana ilay olona misy demonia moana Mat 9. 32-34
16 Fanasitranana tao amin' ny dobon' i Betesda Joa 5. 1-18
17 Fanasitranana ilay lehilahy malemy tanana Mat 12. 9-13 Mar 3. 1-6 Lio 6. 6-11
18 Fandroahana fanahy ratsy tamin' ilay jamba sy moana Mat 12. 22-28 Mar 8. 20-30 Lio 11. 14-23
19 Fanasitranana ilay vehivavy mivoko-damosina Lio 13. 10-17
20 Fampitomboana ny mofo hamokisana lehilahy miisa 5 000 Mat 14. 13-21 Mar 6. 31-34 Lio 9. 10-17 Joa 6. 5-15
21 Nitsangantsangana teny ambony rano i Jesoa Mat 14. 22-33 Mar 6. 45-52 Joa 6. 16-21
22 Fanasitranana olona maro tao Genesareta Mat 14. 34-36 Mar 6. 53-56
23 Fanasitranana ny zanaka vavin' ilay vehivavy kananita Mat 15. 21-28 Mar 7. 24-30
24 Fanasitranana olona marenina tao Dekapôlisy Mar 7. 31-37
25 Fampitomboana ny isan' ny mofo hamokisana lehilahy miisa 4 000 Mat 15. 32-39 Mar 8. 1-9
26 Fanasitranana ilay olona jamba tao Betsaida Mar 8. 22-26
27 Fiovan-tarehin' i Jesoa Mat 17. 1-13 Mar 9. 2-13 Lio 9. 28-36
28 Fanasitranana ilay olona torantorana Mat 17. 14-21 Mar 9. 14-29 Lio 9. 37-49
29 Ilay vola tao am-bavan' ny trondro Mat 17. 24-27
30 Fanasitranana ilay lehilahy manirano Lio 14. 1-6
31 Fanasitranana ny boka folo Lio 17. 11-19
32 Fanasitranana ilay teraka jamba Joa 9. 1-12
33 Fanasitranana ny jamba teo akaikin' i Jerikô Mat 20. 29-34 Mar 10. 46-52 Lio 18. 35-43
34 Fanaganan-kovelona an' i Lazarôsy Joa 11. 1-44
35 Ilay aviavy tsy namoa Mat 21. 18-22 Mar 11. 12-14
36 Fanasitranana ny sofin' ilay mpanompo Lio 22. 49-51
37 Ilay jono mahagaga Joa 21. 1-24

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

DivayFahagaganaFahasitranana mahagagaFampakaram-bady tao KanàFandroahana fanahy ratsyFilazantsara kanônikaFitsanganan-ko velona (kristianisma)JesoaLazarôsy avy any BetaniaRanoTestamenta Vaovao

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fanekem-pinoana apôstôlikaFilazantsara araka an' i MarkaEtikaBaiboly amin' ny teny malagasyBatisaFampakaram-badyMAdimizanaRah-CkikyFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraFahefana mpanatanteraka(28353) ChrisnielsenApôkalipsin' i PeteraRalamboJosip SkoblarLahatra (finoana malagasy)Fiainana aorian' ny fahafatesanaAndriantompokoindrindraMandravasarotraTobilehibe FarihimenaKantoGeorges AndriamanantenaEpistily voalohany ho an' ny KôrintianaAmbiroaOniversiteRakotozandry DanielAnjara asa (fitsipiteny)AristôtyAsa (mpanjakan' i Jodà)VolamenaThe Coca-Cola CompanyMerinaTsinySombin-tantaraFiteny japôneyTolom-bahoaka tamin' ny 1947WikipediaLokangaFitsipi-pitenenanaZon' olombelonaSun Yat-senBareinaRatsiraka DidierAsan' ny ApôstôlyLloyd KaufmanAdy Lehibe FaharoaBritaina LehibeFizaràn-taonaWikimaniaVondrom-bokin' i Nag HammadiRalaimongo JeanOlombelonaAdijadyFilôzôfiaFiteny tsovasaMasikoroKristianismaTsirinteny sara-droaRadama VoalohanySôlômônaIndiaKristianisma eto MadagasikaraNjakatianaTokantranoFanahin' ny vatanaAbidy araboBayer 04 LeverkusenMichael JacksonApôkrifan' ny Testamenta VaovaoToetanin-jana-pehin-tanySikidy malagasyVolamakaImanoelaFahaleovantena🡆 More