Ny fahagagana nataon' i Jesoa na fahagagana nataon' i Jesosy dia ny zava-niseho tsy araka ny lalànan' ny natiora izay notanterahin' i Jesoa na Jesosy araka ny Testamenta Vaovao.
Araka ny voasoratra ao amin' ny evanjely kanônika na filazantsara kanônika dia nanao fahagagana i Jesoa ka nitana toerana lehibe izany. Nisy fanasitranana mahagaga sy famoahana demonia vokatry ny finoana. Nisy koa ny fanovana ny rano ho divay tamin' ny fampakaram-bady tao Kanà. Nisy ny fananganana amin' ny maty sahala amin' ny an' i Lazarôsy (na Lazara), ny fampitomboana ny mofo sy ny hazandrano.
Ny evanjely dia ahitana karazana fahagagana telo notanterahin' i Jesoa, dia ny fandroahana fanahy ratsy sy ny fanasitranana aretina ary ny fanehoana zava-mahatalanjona eo amin' ny zavaboary . Ao amin' ny Evanjelin' i Joany na Filazantsaran' i Jaona dia antsoina hoe "famantarana" ny fahagagana sady io evanjely io dia manantitra ny asan' Andriamanitra izay ao ambadik' ireo fahagagana ireo. Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty no fahagagana lehibe indrindra ka io no ivon' ny finoan' ny Kristiana. Ao amin' ny Testamenta Vaovao i Jesoa dia manazava fa ny fahagagana dia tanteraka amin' ny alalan' ny finoana an' Andriamanitra, araka ny hita ao amin' ny Evanjelin' i Matio na Filazantsaran' i Matio (Matio 17.20).
Laharany | Zava-nitranga | Araka an' i Matio | Araka an' i Marka | Araka an' i Lioka | Araka an' i Joany |
1 | Fampakaram-bady tao Kanà | Joa 2. 1-11 | |||
2 | Fanasitranana ilay lehilahy misy demonia tao Kafarnahoma | Mar 1. 21-28 | Lio 4. 31-37 | ||
3 | Ilay jono mahagaga | Lio 5. 1-11 | |||
4 | Fanaganan-kovelona tao Naina | Lio 7. 11-17 | |||
5 | Fanasitranana lehilahy boka | Mat 8. 1-4 | Mar 1. 40-45 | Lio 5. 12-16 | |
6 | Fanasitranana ny mpanompon' ilay miaramila rômana | Mat 8. 5-13 | Lio 7. 1-10 | ||
6 | Fanasitranana ny zanak' ilay manamboninahitra | Joa 4. 46-54 | |||
7 | Fanasitranana ny rafozam-bavin' i Petera | Mat 8. 14-15 | Mar 1. 29-34 | Lio 4. 38-41 | |
8 | Fandroahana fanahy ratsy tao Kapernahoma | Mat 8. 16-17 | Mar 1. 32-34 | Lio 4. 40-41 | |
9 | Fampitsaharana ny rivo-mahery | Mat 8. 23-27 | Mar 4. 35-41 | Lio 8. 22-25 | |
10 | Fandroahana demonia tao amin' ny Gadareniana | Mat 8. 28-34 | Mar 5. 1-20 | Lio 8. 26-39 | |
11 | Fanasitranana ilay mararin' ny paralisisa | Mat 9. 1-8 | Mar 2. 1-12 | Lio 5. 17-26 | |
12 | Fanaganan-ko velona ny zanaka vavin' i Jairo | Mat 9. 18-26 | Mar 5. 21-43 | Lio 8. 40-56 | |
13 | Fanasitranana ilay vehivavy very ra | Mat 9. 20-22 | Mar 5. 24-34 | Lio 8. 43-48 | |
14 | Fanasitranana ny jamba roalahy | Mat 9. 27-31 | |||
15 | Fanasitranana ilay olona misy demonia moana | Mat 9. 32-34 | |||
16 | Fanasitranana tao amin' ny dobon' i Betesda | Joa 5. 1-18 | |||
17 | Fanasitranana ilay lehilahy malemy tanana | Mat 12. 9-13 | Mar 3. 1-6 | Lio 6. 6-11 | |
18 | Fandroahana fanahy ratsy tamin' ilay jamba sy moana | Mat 12. 22-28 | Mar 8. 20-30 | Lio 11. 14-23 | |
19 | Fanasitranana ilay vehivavy mivoko-damosina | Lio 13. 10-17 | |||
20 | Fampitomboana ny mofo hamokisana lehilahy miisa 5 000 | Mat 14. 13-21 | Mar 6. 31-34 | Lio 9. 10-17 | Joa 6. 5-15 |
21 | Nitsangantsangana teny ambony rano i Jesoa | Mat 14. 22-33 | Mar 6. 45-52 | Joa 6. 16-21 | |
22 | Fanasitranana olona maro tao Genesareta | Mat 14. 34-36 | Mar 6. 53-56 | ||
23 | Fanasitranana ny zanaka vavin' ilay vehivavy kananita | Mat 15. 21-28 | Mar 7. 24-30 | ||
24 | Fanasitranana olona marenina tao Dekapôlisy | Mar 7. 31-37 | |||
25 | Fampitomboana ny isan' ny mofo hamokisana lehilahy miisa 4 000 | Mat 15. 32-39 | Mar 8. 1-9 | ||
26 | Fanasitranana ilay olona jamba tao Betsaida | Mar 8. 22-26 | |||
27 | Fiovan-tarehin' i Jesoa | Mat 17. 1-13 | Mar 9. 2-13 | Lio 9. 28-36 | |
28 | Fanasitranana ilay olona torantorana | Mat 17. 14-21 | Mar 9. 14-29 | Lio 9. 37-49 | |
29 | Ilay vola tao am-bavan' ny trondro | Mat 17. 24-27 | |||
30 | Fanasitranana ilay lehilahy manirano | Lio 14. 1-6 | |||
31 | Fanasitranana ny boka folo | Lio 17. 11-19 | |||
32 | Fanasitranana ilay teraka jamba | Joa 9. 1-12 | |||
33 | Fanasitranana ny jamba teo akaikin' i Jerikô | Mat 20. 29-34 | Mar 10. 46-52 | Lio 18. 35-43 | |
34 | Fanaganan-kovelona an' i Lazarôsy | Joa 11. 1-44 | |||
35 | Ilay aviavy tsy namoa | Mat 21. 18-22 | Mar 11. 12-14 | ||
36 | Fanasitranana ny sofin' ilay mpanompo | Lio 22. 49-51 | |||
37 | Ilay jono mahagaga | Joa 21. 1-24 |
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fahagagana nataon' i Jesoa, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.