Kônsily

Ny kônsily, izay atao hoe koe sinôda na sinaody, dia fivoriam-ben' ny eveka katôlika na ôrtôdôksa izay anapahana ny tenim-pinoana sy ny foto-pampianarana ary ny fitsipi-pifehezana hiainan' ny Fiangonana.

Ny Apôstôly no heverina fa nanao kônsily voalohany tany Jerosalema (taona 49 taor. J.K.). Tsy isaina ao amin' ny filaharan' ny kônsily anefa io fivorian' ny Apôstôly io. Ny emperora no nampiantso kônsily tamin' ny voalohany, taty aoriana dia ny papa no manao izany. Ny Kônsily voalohany tao Nikea no kônsily voalohany teo amin' ny Fiangonana taorian' ny andron' ny Apôstôly. Manam-pahefana amin' ny Fiangonana ny zavatra tapaka amin' ny kônsily.

Misy anefa konsily izay tsy eken' ny fiangonana sasany aorian' ireo fivakisan' ny Fiangonana teo amin' ny tantara. Ny Fiangonana protestanta sy ny Fiangonana anglikana dia tsy manaiky afa-tsy ny fahefan' ny kônsily telo volohany, ny Fiangonana ôrtôdôksa tandrefana ny fito voalohany, ary ny Fiangonana katôlika dia manaiky ny fahefan' ny ankamaroan' ny kônsily rehetra.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe kônsily dia avy amin' ny teny latina hoe concilium fa ny teny hoe sinôda na sinaody kosa dia avy amin' ny teny grika hoe sun odos.

Ny kônsily ekiomenika

Ny kônsily ekiomenika dia kônsily na fivorian' ny eveka sy ny manampahefana ara-pivavahana rehetra ao amin' ny Fiangonana kristiana. Maro ny kônsily lazaina hoe "ekiomenika" nefa ny fiangonana kristiana rehetra tsy manaiky ireo kônsily ireo avokoa. Ny Ôrtôdôksa, ohatra, dia tsy manaiky ny fahefan' ny kônsily ankoatr' ireo enina voalohany, nefa ny Katôlika dia manaiky ny kônsily ekiomenika efatra ambin' ny folo tamin' ny taonarivo faharoa, izany hoe kônsily ekiomenika miisa 21. Ny farany amin' ireo kônsily ireo dia ny Kônsily Vatikàna II izay novorina tamin' ny taona 1962 hatramin' ny taona 1965. Matetika ny mpitondra fanjakana tamin' ireo taonjato nifandimby no nampanao kônsily, fa ankehitriny kosa dia tsy miditra amin' izany ny fanjakana fa raharaha manokan' ny fivavahana izany.

Ny kônsily ekiomenika efatra voalohany

Ireto kônsily efatra ireto dia eken' ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôksa ary ny ankamaroan' ny Fiangonana prôtestanta.

Ny Kônsily voalohany tao Nikea (taona 325)

Ny Kônsily voalohany tao Nikea dia natao tamin' ny taona 325 ka ny emperora Kônstantino no nampiantso azy. Io no konsily voalohany. Izany dia natao mba handraiketana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy ka hanoherana ny fampianaran'i Ariosy (arianisma) izay noheverina ho "fampianaran-diso" tamin' izay. Tapaka fa mitovy fomba (homoousia) amin' ny Ray ny Zanaka amin' ny maha Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka. Navoaka ny Fanekem-pinoana nikeana.

Ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly (taona 381)

Nanamafisana ny zavatra tapaka tao amin' ny Kôsily tao Nikea ny Kônsily voalohany tao Konstantinopoly (na Konstantinopla) izay nanalavana ny Fanekem-pinoana nikenana ka lasa Fanekem-pinoan'i Nikea sy Kônstantinôpôly. Io no kônsily faharoa. Tapaka fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina. Tsy nandray anjara tamin' io ny Fiangonana latina.

Ny Kônsily tao Efeso (taona 431)

Ny Kônsily tao Efeso (na Efesosy na Efezy) dia nanapahana ny maha Renin'Andriamanitra (gr.: Theotokos) an'i Maria. Iono konsily fahatelo. Nivoaka noho izany ny Fanekem-pinoan' i Efezy Tsy eken'ny Prôtestanta nohavaozina ny fiantsoana an'i Maria ho Renin'Andriamanitra. Nitsipahana ny nestorianisma koa izany.

Ny Kônsily tao Kalkedôna (taona 451)

Ny Kônsily tao Kalkedôna no nanambaràna ny fananan' i Jesoa fomba (na natiora) roa, dia natioran' Andriamanitra sy natioran' olombelona. Io no kônsily fahefatra. Izany kônsily izany no nanoherana an' i Eotikesy, izay nampianatra fa nifangaro ka tsy azo avahana ao amin' ny natioran' Andriamanitra ny natioran' olombelona ao amin'i Kristy. Heverin' ny tao amin' ny konsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay nataony hoe mônôfizisma.

Ireo kônsily ekiomenika efatra manaraka

Ny Kônsily faharoa tao Kônstantinôpôly (taona 553)

Nanamafisana ny fananan' i Kristy natiora roa ny Kônsily faharoa tao Kônstantinôpôly ka nambara fa sady olona no Andriamanitra i Kristy. Io no kônsily fahatelo. Nohelohina ny asa soratra manohana ny nestôrianisma.

Ny Kônsily fahatelo tao Kônstantinôpôly (taona 680 sy 681)

Nambara tamin' ny Kônsily fahatelo tao Kônstantinôpôly fa manana sitrapo roa i Kristy amin' ny maha olombelona sy Andriamanitra azy, dia sitrapon' olombelona sy sitrapon' Andriamanitra. Io no kônsily fahenina. Nohelohina noho izany ilay atao hoe mônôtelisma.

Ny Kônsily faharoa tao Nikea (taona 787)

Ny Kônsily faharoa tao Nikea dia natao mba hanamelohana ny fanimbana sary masina izay nomena ny anarana hoe ikônôklasma. Io no konsily fahafito. Ny mpomba ny fanimbana ny sary masina dia nilaza fa mifanohitra amin' ny fivavahana kristiana marina ny fampiasana sary hanehoana an' i Kristy sy i Maria sy ireo olomasina hafa. Nandresy tamin' izany konsily izany ny mpomba ny fampiasana ny sary masina (atao hoe ikonodola). Nekena ny fanajana ny sary masina.

Ny Kônsily fahefatra tao Kônstantinôpôly (taona 869 sy 870)

Ny Kônsily fahefatra tao Kônstantinôpôly no nampisaraka ny Fiangonan'i Rôma sy ny Fiangonan'i Kônstantinôpôly. Io no kônsily fahavalo. Notapahana fa ny Lovantsofina na Lovampinoana dia isan' ny fitsipiky ny finoana koa manampy ny Soratra Masina. Nohelohina ny fiheverana ny olona ho fitambaran-javatra telo, dia ny vatana sy ny fanahin'ny vatana ary ny fanahy; ary nohamafisina ny fiheverana ny olombelona ho fitambaran-javatra roa, dia ny vatana sy ny fanahin' ny vatana.

Nataon' ny Fiangonana tandrefana hoe mivoaka amin' ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy masina: izany no atao amin' ny teny latina hoe Filioque ("sy ny Zanaka"). Tsy neken'ny Fiangonana ortodoksa izany konsily izany. Nitsipaka ny fanovanana ny hoe Filioque amin'ny Fanekem-pinoana nikeana izany konsily izany. Ny Fiangonan' i Rôma dia nino fa mivoaka amin' ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina fa ny Fiangonan' i Kônstantinôpôly kosa tsy nanaiky an' izany fa nanamafy ny fivoahan' ny Fanahy Masina amin' ny Ray irery ihany.

Ireo kônsilim-paritra

Ny eveka ao amin' ny Fiangonana katôlika ihany no nandray anjara amin' ireo kônsilim-paritra ireo izay atao hoe kônsily jeneraly.

Ireo kônsily talohan' ny teo anelanelan' ny taona 870 sy 1965

Ireto avy izy ireo:

  • ny Kônsily voalohany tao Latràna (1123);
  • ny Kônsily faharoa tao Latràna (1139);
  • ny Kônsily fahatelo tao Latràna (1179);
  • ny Kônsily fahefatra tao Latràna (1215);
  • ny Kônsily voalohany tao Liôna (1245);
  • ny Kônsily faharoa tao Liôna (1274);
  • ny Kônsily tao Viena (1311-1312);
  • ny Kônsily tao Kônstatia (1414-1418);
  • ny Kônsily Bala-Feraria-Flôrentia (1431-1445);
  • ny Kônsily fahadimy tao Latràna (1512-1517).

Ireo konsily katôlika taorian' ny Refôrmasiona prôtestanta

Ireto avy izy ireo:

  • ny Kônsily tao Tredentio (taona 1545 sy 1563)
  • ny Kônsily valohany tao Vatikana (taona 1869-1870)
  • ny Kônsily faharoa tao Vatikana (taona 1962 sy 1965)

Ankoatr' ireo kônsily ekiomenika sy kônsily iraisam-paritra ireo dia nisy koa ny kônsily isam-paritra izay maro dia maro.

Jereo koa

Tags:

Kônsily Fiforonan-tenyKônsily Ny kônsily ekiomenikaKônsily Ireo kônsilim-paritraKônsily Jereo koaKônsilyApôstôly roa ambin'ny foloEvekaFoto-pampianaranaKonsily tao JerosalemaKonsily voalohany tao NikeaPapaTenim-pinoana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

RazakatsitakatrandrianaVorompatraMatoanteny mpanampyJodaismaFanekem-pinoana nikeanaBootjack, KaliforniaTawratKônsilyMario BaslerMisoriaFanisanaVoltora be volombavaAlohotsyFiteny kikôngôSokajin-tenyFerber EnterprisesVoltora ejiptanaSaryWilliam Peter BlattyWikibolanaTestamenta VaovaoMadagasikaraZaburSøren KierkegaardFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraHenri RatsimbazafyGaliômaFivavahana eto MadagasikaraTrondroCroutelleRoger FedererKaremyAfrika Atsimo1320FanatitraVictoire RasoamanarivoISO 4217Fanandroana malagasyOhabolanaBokin' i ÔbadiaArkeôlôjiaBaiboly amin' ny teny malagasyAsombola8KôbaltaTandrok' Osy (fanandroana)Rocourt-Saint-MartinGeorges AndriamanantenaFahitalavitraWikiTetiandro gregôrianaAbdellatif FellainiSheshtomadGisa ejiptanaApôkrifan' ny BaibolyAfrikaAndramasinaTwitterSiméon RajaonaRanomasimbe PasifikaEokaristiaLouisianaRamadanyFiteny ordòAlahasatySilamoMediaWikiPreux-au-SartFiangonana Loterana MalagasyOlombelona🡆 More