Fitsipiteny Tovona: Fitsipiteny

Ny tovona dia hasin-teny anisan' ny sokajin' ny tsirinteny izay fametraka eo alohan' ny fototeny.

Ahazoana sampan-teny na manova ny hevitra ara-pitsipiteny ny fanasiana tovona amin' ny teny iray. Mety mampisy fiovana kely ny endriky ny fototeny na ny tovona, na izy roa, ny fanakambanana azy roa ireo.

Tovona ao amin' ny fiteny aostrôneziana

Tovona ao amin' ny fiteny malagasy

Indreto ny ohatra amin' ny tovona ao amin' ny fiteny malagasy: a- (ohatra: atoraka), m- (ohatra: mody), mi- (ohatra: mioitra), man- (ohatra: mandeha), mana- (ohatra: manatsara), mian- (ohatra: mianala), voa- (ohatra: voahitsaka), tafa- (ohatra: tafavoaka), faha- (ohatra: fahafolo), ampaha- (ohatra: ampahafolo), ha- (ohatra: hamafy), maha- (ohatra: mahatorana), manka- (ohatra: mankarary).

Mety mampisy fiovana kely ny endriky ny fototeny na ny tovona, na izy roa, ny fanakambanana azy roa ireo. Ohatra: man-hetahetamangetaheta; man-lehamandeha; man-zavonamanjavona.

Tovona ao amin' ny fiteny indô-eorôpeana

Tovona fahita ao amin' ny fiteny eorôpeana

Ao amin' ireo fiteny ao Eorôpa dia miankina amin' ny fomba famaritan' ny olona ny maha tovona na tsia ny hasin-teny iray. Inty ny lisitr' ireo tovana fahita matetika: a- ("tsy"), acro- ("ambony"), allo- ("hafa"), alter- ("hafa"), ante- ("aloha"), anti- ("manohitra"), auto- ("hoazy"), bi- ("roa"), co- ("miaraka"), cis- ("samy amin' ny ilany iray"), contra- ("ambany", "manihitra"), de- ("manohitra", "manaisotra"), di- ("roa"), dis- ("manohitra", "manaisotra"), dys- ("manohitra", "ratsy"), epi- ("ambony", "manampy"), extra- ("mihoatra"), hemi- ("antsasany"), hexa- ("enina"), hyper- ("mihoatra"), hypo- ("an-tsisiny", "tsy ampy", "ambany"), ig- ("tsy"), il- ("tsy"), im- ("tsy"), in- ("tsy"), infra- ("ambany"), inter- ("anelanelany"), intra- ("anatiny"), ir- ("tsy"), macro- ("lehibe"), mal- ("ratsy"), maxi- ("lehibe indrindra"), meso- ("afovoany"), meta- ("hafa"), micro- ("bitika"), mid- ("afovoany"), mini- ("kely"), mono- ("tokana"), multi- ("maro"), non- ("tsy", "tsia"), octo- ("valo"), pan- ("rehetra", "manontolo"), para- ("antsisiny", "ankoatra", "miova", "mifandray"), penta- ("dimy"), per- ("maninteraka"), peri- ("manodidina"), poly- ("maro"), post- ("aoriana"), pre- ("aloha", "vonona"), pro- ("mikasika", "momba", "mpomba", "amin' ny anarana' ny"), proto- ("voalohany", "ntaolo", "mpialoha lalana"), pseudo- ("tsy izy", "diso"), quadri- ("efatra"), quasi- ("saika", "sahalahala"), re- ("miverina", "indray"), semi- ("antsasany"), "ampahany", "sahalahala"), sub- ("ambany"), super- ("ambony", "mihoatra", "lehibe"), supra- ("ambony"), tetra- ("efatra"), trans- ("miampita", "mampifandray"), tri- ("telo"), ultra- ("mihoatra", "ankoatra", "fara tampony"), xeno- ("vahiny", "avy ivelany").

Tovona ao amin' ny fiteny anglisy

Ireto ny tovona an' ny fiteny anglisy manokana: counter- ("manohitra"), down- ("midina", "mampihena"), fore- ("aloha"), mis- ("ratsy"), over- ("tafahoatra", "fara tampony"), self- ("hoazy"), un- ("tsy", "manaisotra", "manohitra"), under- ("ambany", "tsy ampy"), up- ("ambony", "mitombo").

Tovona ao amin' ny fiteny alemàna

Amin' ny fiteny alemàna, azo sokajiana ho roa ny sampanteny miforona amin' ny tovona: ireo ampiasaina miaraka amin' ny anarana sy mpamari-toetra, ary ireo ampiasaina amin' ny matoanteny. Ho an' ny sampanteny anarana sy mpamari-toetra, tovona mamokatra roa ihany no azo ampiana amin' ny anarana na mpamari-toetra: un-, izay maneho ny fandàvana (toy ny amin' ny ungesund, avy amin' ny gesund), ary ur-, izay midika hoe "voalohany, nivoaka voalohany" amin' ny anarana, ary manana fiasa manantitra amin' ny mpamari-toetra. Ny ge- kosa dia maneho firaisana na fiarahana, fa ao anatin' ny vondron-teny mihidy ihany — tsy azo ampiana amin' ny anarana na mpamari-toetra fotsiny.

Ny tovona fanao amin' ny matoantety fampiasa matetika dia be-, ent-, er-, ge-, miss-, ver-, ary zer-. Ny be- midika fanamafisana na famaoham-be, ent- maneho fandavana. Ny ge- maneho ny fahafenoan' ny asa, ka izany no mahatonga azy ampiasaina amin' ny endriky ny ova-matoanteny lasa. Ny ver- dia manamafy, na ampiasaina hamadihana ny anarana na ny mpamari-toetra ho lasa matoanteny. Amin' ny toe-javatra sasany, ny tovona ent- (fandavana) dia azo heverina ho mifanohitra amin' ny tovona be-, fa ny er- kosa dia azo raisina ho mifanohitra amin' ny ver-.

Ny tovona er- dia matetika manondro ny fahavitan' ny asa iray, ary indraindray ny famaranana dia midika ho fahafatesana. Miaraka amin' ny matoanteny vitsy kokoa, manondro ny fiandohan' ny asa izy io. Ny tovona er- dia manova ny mpamari-tioetra ho matoanteny (ohatra: ny hoe erkalten dia mitovy hevitra amin' ny hoe kalt werden izay midika hoe "manomboka mangatsiaka").

Jereo koa

Tags:

Fitsipiteny Tovona Tovona ao amin ny fiteny aostrônezianaFitsipiteny Tovona Tovona ao amin ny fiteny indô-eorôpeanaFitsipiteny Tovona Jereo koaFitsipiteny TovonaFototenyHasin-tenySampan-tenyTsirinteny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Nigel GodrichMoritz Anton CappellerJohn LockeSochiPôntio PilatoMamoriarivoMpitsara ao amin' ny BaibolyBakteriaBokin' ny GenesisyFiteny zoloSampy (malagasy)Neville SouthallSelaGorsesFahavaratraÉcoivresSrilankaPaskaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesMalakiaImamoJulian SchieberAndry dimin' ny finoana silamoMeksikaAnglikanismaSiliaFanomboana an' i JesoaJuan Gutiérrez MorenoRepoblika Fahefatra (Madagasikara)MôldaviaFanatontoloana1193HenôkaJeôgrafia13 FebroaryTsinySahih MuslimTetiandro malagasyXankandiKurt GödelSakramentaFiteny ôfisialyGibraltaraFilôzôfiaHelodranon' AmpasindavaRepoblika Demokratika MalagasySarySpokane2022AprilyOndrilahy (antokon-kintana)TorkmenistànaSolosainaAndriantomponimerinaNanjingSukabumiShen KuoLandry ChauvinFiteny indô-eorôpeaninaFitohananaBokin' i Henôka22 NovambraLohataonaOlombelonaJinyPaoly (apôstôly)Arkeôlôjia2006🡆 More