Rakibolana

Ny rakibolana dia asa soratra fizaha ahitana vondron-teny ao amin'ny fiteny iray na momba ny sehatr'asa iray izay alahatra amin'ny ankapobeny araka ny abidy sady manome ny famaritana ny teny tsiray ao aminy sy ny fanazavana na ny fifandraisany (teny mitovy hevitra, teny mifanohitra, teny matetika miara-miseho aminy, ny fiforinany).

Rakibolana
Rakibolana

Famaritana ny zavatra ilaina

Fampidirana ny teny

Ny mpikambana no mampiditra ny teny mbola tsy misy ao anatin'ny rakibolana. Ny teny rehetra izay ampidirina dia arahina fototeny sy ny dikany. Afaka ampiana matoanteny koa ny fototeny. Rehefa vita izany fampidirana izany dia mitondra ny sata vaovaon'ilay teny. Ny mpandalo koa dia mampiditra ny teny, tsy mivantana akory, fa izay anontaniany ka tsy ao dia ho jeren'ny mpampiditra tena izy raha azo ampidirina.

Fanarahana ny teny

Ny mpikambana (Mpanaraka) no manaraka ny fahamarinan'ny teny. Rehefa misy ny fahadisoana dia mandefa fanamarihana any amin'ny mpampiditra ity mpanaraka. Ny mpampiditra ihany no afaka manintsy izay diso mikasika ny teny nampidiriny. Ny mpandalo ihany koa dia tokony afaka miteny hoe izao ny hevitro amin'ity teny asehonareo ity. Dia manitsy araka izany ny mpampiditra raha toa ka eken'ny mpankasitraka ilay izy. Raha toa ka tsia dia tokony hisy rakitra manokana hitahirizana ilay fanamarihana sy ny antony maha tsia azy.

Fankasitrahana ny teny

Ny teny vaovao dia mbola tsy miseho eo anatrehan'ny mpandalo raha tsy mahazo ny fankasitrahan'ireo mpikambana mandidy izany (Mpankasitraka). Ny mpankasitraka no mandidy raha mendrika haseho eo amin'ny tranonkala ny teny vaovao (mijery raha voahitsy tokoa ireo diso).

Fitadiavana ny teny

Ny mpandalo dia mampiditra ny teny ary miandry ny valin'ny fitadiavana. Raha misy teny mifanojo aminy ao anatin'ny raki-bolana dia ampiseho azy ny foto-teny, ny matoan-teny ary ny dikan'ny teny. Tena mety mila milina fandrasan-teny mihitsy anie izany e.

Fitantanana ny mpikambana

Misy karazany ny mpikambana, ao ireo afaka mampiditra teny vaovao, ao koa ireo afaka manaraka ny fahamarinan'ny teny sy ireo izay mandidy ny fisehoan'ny teny eo amin'ny tranonkala.

Famaritana ny asa aman'andraikitra

Mpampiditra

Ny asan'ny mpampiditra dia :

  • Mamorona ny teny vaovao (Tsy mety loatra ilay hoe Mamorona fa aleo hoe Mampiditra ihany)
  • Manaraka ny teny ary koa manova ny diso.
  • Mijery ny teny vaovao (tsy mbola ao anaty rakibolana) nanontanian'ny olona.
  • Mampita ny teny vaovao - ny azy sy ny natolotry ny mpandalo - eo amin'ny mpankasitraka.
  • Mametraka ny antony tsy nampidirana ny tolo-kevitry ny mpandalo amin'ny rakitra momba izany.

Mpanaraka

Ny asan'ny mpanaraka dia :

  • Mijery sy manambara ny mpampiditra ireo teny vaovao misy fahadisoana.

(Rehefa mizotra soa amantsara ny kinasa dia tokony ho ny mpandalo no tena be mpanao azy ity)

Mpankasitraka

Ny asan'ny mpankasitraka dia :

  • Mankasitraka ireo teny vaovao izay tsy misy fahadisoana.
  • Manova na manala ny teny efa sitraka (efa miseho eo amin'ny tranonkala).

Mpitantana ny mpikambana

Ny asan'ny mpitantana ny mpikambana dia :

  • Mamorona ny mpikambana ary manendry raha mpampiditra izy na mpanaraka na mpankasitraka (na izy telo).
  • Manova na manala ny mpikambana.

Mpandalo

Ny mpandalo dia :

  • Mijery ireo teny ao anatin'ny raki-bolana (voasitraka)
  • Mitatitra ireo teny diso tsipelina, mampita fanamarihana amin'ny hevi-teny

Famaritana ny hafatra

Hafatra raisin'ny rakibolana

  • Fampidirana/Fanovana/Fanalana teny vaovao (mpandefa : mpampiditra, mpandalo -tsy mivantana-)
  • Fanambarana ny fahadisoana (mpandefa : mpanaraka, mpandalo -tsy mivantana-)
  • Fametrahana ny antony tsy nandraisana fanamarihana (mpandefa : mpampiditra, mpankasitraka -tsy mivantana-)
  • Fankasitrahana ny teny (mpandefa : mpankasitraka)
  • Famoronana/Fanovana/Fanalana mpikambana (mpandefa : mpitantana)

Hafatra alefan'ny rakibolana

  • Fijerena ny teny (mpandray : mpandalo)
  • Fizotran'ny fankasitrahana (mpandray : mpankasitraka, mpampiditra, mpanaraka)

Fampahazoana (an-tsary) ny fivezivezen'ny hafatra

Aseho sary UML ny mpilalao sy ny hafany ary eo afovoany misy ny vata mainty -rakibolana-

Famaritana ny mety ho fampiasa ny rakibolana

Ho atao

Famelabelarana ny mety ho fampiasa ny rakibolana

Ho atao

Sary manazava ny mety ho fampiasa ny rakibolana

Ho atao

Tags:

Rakibolana Famaritana ny zavatra ilainaRakibolana Famaritana ny asa amanandraikitraRakibolana Famaritana ny hafatraRakibolana Fampahazoana (an-tsary) ny fivezivezenny hafatraRakibolana Famaritana ny mety ho fampiasa ny rakibolanaRakibolana Famelabelarana ny mety ho fampiasa ny rakibolanaRakibolana Sary manazava ny mety ho fampiasa ny rakibolanaRakibolanaAbidyFitenyTeny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Isaia (mpaminany)ZanabintanaElamaPressyAostraliaSôdômaVolana (fotoana)1860EjiptaAndron'ny TanyTestamenta TalohaListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysFiteny espaniôlaSamuel RatanyBlaogyApôkalipsin' i JoanyFokom-pirenen' i BenjaminaRova ManjakamiadanaMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraDidy FoloFidangan' ny vidim-piainanaSodàna1940Kaody baraSoavalyFenoarivo AtsinananaPaoly (apôstôly)SamsônaFianakavianaAnjelôlôjiaAogostino avy any HipônaNekao IIAngatra (aretina)FanafodyIslandyLiga araboHartford, ConnecticutAdy Lehibe FaharoaTendrombohitraAndriamasinavalonaRanavalona IIVaryKolontsaina malagasySiansaThomas Lam1700VolanaAndry RajoelinaRepoblika Demokratika MalagasyKabaryFiteny malayTendryFanekem-pinoana nikeanaDrônaOsyDemôkrasiaValanaretin' ny Covid 19 eto MadagasikaraParakyAmbaliha (Ambanja)Fivavahana eto MadagasikaraLalànaFibebahanaSokajin-tenyDokuWikiEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)FahafatesanaAlohotsyVoromailalaAfrika AfovoanyWiki Foundation28 Martsa🡆 More