Fototeny

Ny fototeny na fakanteny dia teny kely indrindra (hasin-teny) izay tsy anisan' ireo atao hoe tsirinteny (tovona na tovana na tsofoka sns) ka azo amoronana teny hafa lava kokoa (sampan-teny) amin' ny alalan' ny fanampiana tsirinteny na amin' ny alalan' ny fomba hafa.

Misy ny fototeny azo ampiasaina avy hatrany ao anaty fehezanteny na dia tsy miaraka amin-tsirinteny, misy koa ny fototeny izay tsy afaka miasa am-pehezanteny raha tsy mikambana amin-tsirinteny. Amin' ny fana

Amin' ny fiteny malagasy dia misy ny fototeny tsotra (ohatra: lava, jery, tratra) sy ny fototeny verindroa izay foronina fototeny averina indroa sy tsy azo sarahana raha tiana tsy hiova hevitra (ohatra: raharaha, rehareha). Ireo fototeny ireo dia ahazoana ny sampan-teny maro toy ny hoe: manalava, analavana, halava, mijery, ijerena, fijery, manatratra, tratrarina, anatrarana, miraharaha, ifampiraharahana, mpandraharaha, mirehareha, ireharehana, mampirehareha, mpirehareha, fireharehana.

Amin' ny fiteny frantsay, ohatra, ny fototeny ven- izay miseho amin' ny endrika roa, ven- sy vien-, dia ahazoana ny hoe venir "tonga/avy", venons "tonga/avy isika/izahay", viennent "avy/tonga izy ireo". Amin' ny fiteny anglisy dia fototeny ny hoe rupt (manana ny hevitra ankapoben' ny hoe "fahatapahana") satria ahazoana ny sampan-teny hoe interrupt, disrupt, corrupt, rupture.

Amin' ny fiteny semitika dia renifeo telo matetika no mamorona ny fototeny na fakanteny. Ohatra, amin' ny fiteny hebreo (izay anisan' ny fiteny semitika), ny fototeny ג-ד-ל (vakina avy ankavanana miankavia: g-d-l) dia maneho ny hevitra hoe "halehibe", ary avy amin' izany no ahazoana ny hoe gadol sy gdola (endrika kandahy sy kambavy amin' ny teny midika hoe "lehibe"), gadal "nitombo izy", higdil "nampitombo izy" sy magdelet "mpampitombo", miaraka amin' ny teny maro hafa hoe goodel "habe" symigdal "tilikambol

Ao amin' ny fiteny arabo, izay anisan' ny fiteny semitika ihany koa, ohatra, ny fototeny k-t-b dia maneho ny hevitra hoe "fanoratana" ary ampiasaina mba hamoronana teny toy ny ho kataba "nanoratra", katib "mpanoratra", kitab "taratasy voasoratra, boky", kutub "boky"..

Jereo koa

Tags:

FehezantenyHasin-tenySampan-tenyTovana (fitsipiteny)Tovona (fitsipiteny)TsirintenyTsofoka

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fanahy Masina (kristianisma)Kabary famangianaISO 4217BatisaMarshall LeffertsZon' olombelonaVoankazoFady (malagasy)BiôgrafiaAlahamadibeAsa (mpanjakan' i Jodà)Georges AndriamanantenaFanahin' ny vatanaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôNofyFatranaRazana (finoana malagasy)Tontolo iainanaKolontsainaAbdellatif Fellaini1167AlohotsyIndiaSakafo malagasyArgonautesAndriantompokoindrindra (foko)Fanandroana malagasyFanavaozana prôtestantaMenalambaRajoelina AndryTestamenta TalohaIowaBaiboly katôlikaNew YorkFamadihanaOniversiteFaritanin' i MahajangaApôkalipsin' i StefanaHaikyuHannah HarperFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2014Vitaly LagutenkoTanzaniaFiteny aostrônezianaSihanakaRova ManjakamiadanaMenakaFahaleovantenaAristôtyApôkrifan' ny Testamenta VaovaoFanekem-pinoana nikeanaFitenim-paritra malagasyFilazantsara araka an' i JoanyTokyoFilazantsara araka an' i MarkaMadagasikaraSinaFaritany eto Madagasikara13 desambra 1991TsinyEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Fandikan-tenyFiteny japôneyAurangzebTendrontany AvaratraÔlimpôsy (Torkia)Andevo (teto Madagasikara)FehezantenyFiteny tsôkotaoAziaAndriantompokoindrindraFiainana aorian' ny fahafatesanaBokin' i Rota🡆 More