Ny abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena hafohezina hoe API (Alphabet Phonétique International) amin'ny fiteny frantsay, na IPA (International Phonetic Alphabet) amin'ny fiteny anglisy, dia abidy ampiasaina ho an'ny fanoratana ny feon'ny fiteny tenenina.
Izy io dia tsy ohatra ny fomba fanoratana an'ny vondrom-piteny, ny AAI dia abidy natao mba handrakotra ny ankapoben'ny fiteny rehetra. Navelatry ny mpandinika rafi-peo frantsay sy britanika ho an'ny Fikambanana ara-drafipeo iraisam-pirenena, navoaka tamin'ny 1888 izy. Natao tamin'ny 2005 ny famerenana farany.
Ny AAI dia noforonin'ny mpampianatra britanika sy frantsay taritin'i Paul Passy ho an'ny fikambanana ara-drafipeo iraisam-pirenena, noforonina tany Paris tamin'ny 1886 ary nitondra Dhi Fonètik Tîcerz' Asóciécon. Ny santiôna voalohan'ny AAI, navoaka tamin'ny 1888, dia avy amin'ny abidy rômikan'i Henry Sweet, io avy amin'ny abidy manara-peon'i Isaac Pitma, sy Alexander John Ellis.
Nohatsaraina in-dimy ny AAI, tamin'ny 1900, 1932, 1989, 1993 ary tamin'ny 2005.
Ny tanjon'ny dikan-tsoratra amin'ny alalan'ny AAI dia mizarazara ny volana ho singam-bolana izay lazaina fa tsy azo sarahina, ary mampiasa eva tokana ho an'izy ireo.
Eo amin'ny 118 eo ho eo ny isan'ny soratra ao amin'ny AAI, izay ahafahana manoratra ny feo hita matetika. Ireo litera ireo dia litera avy amin'ny abidy grika na latina, izay ahitana fiovana na tsia : ɾ, ɽ, ɺ, ɹ (avy amin'i r) ; ɘ, ə (avy amin'i e). Soratana amin'ny alalan'ny litera matetika hita miaraka amina diakritika (miisa 76) ireo renifeo na zanapeo tsy hita matetika. Ohatra, soratana [β̞] ny b ny teny kastiliana caber. Misy koa litera manokana hanoratana ny feo toy ny tsindrim-peo : [ˈdʊl·dn̩], fanoratana amin'ny AAI ny matoanteny alemana dulden.
Noho ny habetsahan'ny fanononana ara-drafipeo, dia ny fanononana fônôlôjika no tena ampiasaina.
Ny abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena hafohezina hoe API (Alphabet Phonétique International) amin'ny fiteny frantsay, na IPA (International Phonetic Alphabet) amin'ny fiteny anglisy, dia abidy ampiasaina ho an'ny fanoratana ny feon'ny fiteny tenenina.
pito mojado
Litera | Feo |
---|---|
b | b |
p | p |
m | m |
f | f |
v | v |
d | d |
t | t |
s | s |
z | z |
ts | ts |
j | dz |
tr | ʈʂ |
dr | ɖʐ |
r | r |
l | l |
n | n |
ñ | ŋ |
k | k na kj |
g | g na gj |
h | h |
Litera | Feo |
---|---|
a | a |
i | i |
e | e |
o | u |
ô | o |
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena Wiki additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.