Gazety

Ny gazety dia fikaratana lahatsoratra atonta amin'ny taratasy ary avoaka isaky ny tsingerim-potoana, matetika indray isan'andro na isa-kerinandro.

Manome fampahalalana ary hevitra mikasika ny zava-mitranga ary ny zava-baovao ny gazety. Afaka mividy azy ao amin'ny kiôska na trano mivarotra taratasy ny gazety. Tsindraindray izy ireo dia aterina ao amin'ny tokantrano rehefa mifandrika amin'ny gazety iray ny tokantrano iray.

Gazety
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Gazety
vignette

Maro ireo lohahevitra ao amin'ny gazety. Ahitana ny raharaha politika, raharaha isan'andro, varotra, fanatanjahan-tena ary famoahan-kevitra. Betsaka koa ireo gazety ahitana fampahalalana mikasika ny toetr'andro. Ho an'ny lahatsora-gazety sasany koa da mety ahitana sary na saritanana.

Erak'izao tontolo izao dia ahitana gazety 6 580 izay mivoaka isan'andro ary mivarotra 395 tapitrisa isan'andro. Tamin'ny faran'ny taompolo 2000 ary ny fitombohan'ny taompolo 2010 ary nohon'ny fihenan'ny fitombosn'ny toe-karena, dia nitombo ny isan'ireo gazety mamoaka lahatsoratra eo amin'ny tranonkala.

Tamin'ny Taona fahagola

Acta Diurna ny Empira Romana

dia misy lahatsoratra mivoaka isan'andro izay mitondra ny anarana hoe Acta diurna na Tahiry isan'andron'ny daholobe, izay filazana romana ofisialy. Soratana ambony vato na vy ny lahatsoratr'io gazety io ary aseho eny amin'ny kianja toa ny forum ao Roma. Ny anarana hafan'io fampandrenesana isan'andro io dia Acta na Diurna ary tsindraindray Acta Popidi na Acta Publica.

Nipoitra voalohany indrindra tamin'ny 131 TJK ny karazana Acta voalohany. Tamin'ny voalohany ireo Acta ireo dia lahatsoratra mikasika ny didim-pitsarana farany. Taona vitsivitsy taoriana dia lahatsoratra mikasika ny filazana ho an'ny vahokaa ary fampahalalana hafa toa ny olon-teraka, fanambadiana na filazana manjo. Afaka andro maromaro ilay Acta dia tahirizina anaty tahirin-dahatsoratra.

Any Sina

Ny taratasy mitati-baovao avoakan'ny governemanta sinoa voalohany izay antsoina tipao dia miely amin'ny mpiasam-panjakana an-dapa mandritry ny dinastia Han (taonjato faha-2 ary faha-3). Tanelanelan'ny taona 713 ary 315, mamoaka ny vaovaon'ny governemanta amin'ny alalan'ny Kaiyuan Za Bao (Biletan'ny Tokotany) ny dinastia Tang. Sora-tanana ambony landy izy io ary vakian'ireo solotenan'ny governemanta. Tamin'ny 1582, no nisian'ny gazety tsy miankina amin'ny governemanta izay naprinty tao Beijing.

Tsiahy

Jereo koa

Tags:

Gazety Taminny Taona fahagolaGazety TsiahyGazety Jereo koaGazetyTaratasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Al-Nasa'iOzbekistànaAratraAntankaranaFaritanyFiteny limborgianaIssa HayatouPennsylvania2003Fiteny italianaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysHasina (fanomezana)Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Fiteny arameanaVoahiranaFiteny rosianaZakaiosyFiladelfia (Azia Minora)WikipediaSakalavaRepoblika Demokratika MalagasyRonaldinhoFifohazana (kristianisma malagasy)Communauté Evangélique Indépendante de MadagascarAkondro (voany)Apôkrifan' ny Baiboly1996AostraliaParakyFiarahamoninaTetiandroAdy MangatsiakaZon' olombelonaKolontsaina malagasyJentilisa1742Tetiandro manara-masoandroJônatanaAntandroyVintana (finoan-drazana malagasy)TabernakelySiderópolisJeôgrafian' i MadagasikaraNosy AmpelaLosiferaPangeaAndrianamboninolonaFaritra AnalamangaWayback MachineVondrom-poko ao EorôpaDiego MaradonaGondolaFiteny frisianaFiteny loksemborgianaFifandraisan-davitraHasinaRianaratraVary amin'ananaFahotana tamin' ny fototra2007Fivavahan-drazana afrikanaMozillaSikidy malagasyFanahy (kolontsaina malagasy)Albert EinsteinGeorge H. W. BushRasoherinaLalam-pirenena faha-8India🡆 More