Tolagnaro: Taolagnaro

25°01′57″S 46°59′00″E / 25.032490°S 46.983290°E / -25.032490; 46.983290

Tolagnaro
Tolagnaro: Jeôgrafia, Fitantanana, Mponina
Velarantany 31,17 km2
Isam-ponina 67 284 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena Tolagnaro: Jeôgrafia, Fitantanana, Mponina Madagasikara
Faritany Toliara
Faritra Faritra Anosy
Tolagnaro: Jeôgrafia, Fitantanana, Mponina
Ny tanànan' i Tolagnaro

I Tolagnaro na Fort-Dauphin dia kaominina malagasy ao amin' ny Distrikan' i Tolagnaro, ao amin' ny Faritra Anosy ao amin' ny Faritanin' i Toliara eto Madagasikara, tanàna renivohitry ny Faritra Anosy any amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara. 1 122 km any atsimon' Antananarivo no misy azy. Manana toeram-pitsangantsanganana maro sady tsara.

Ireto avy ny mety hanorantana na hanononana ny anaran' io tanàna io: Tolagnaro, Tolañaro, Tolanaro, Taolagnaro, Taolañaro, Taolanaro, Tôlagnaro, Tôlañaro, Tôlanaro, Fort-Dauphin, Faradofay, Faradifay, Farady.

Jeôgrafia

Toerana misy azy

Any amin' ny 620 km miala an’ i Toliara no misy azy ary eo amin’ ny 1 122 km miala an' Antananarivo. Mifandray amin' Antananarivo amin' ny alalan' ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-13 (Antananarivo – Ihosy – Betroka – Ambovombe – Tolagnaro) ity kaominina ity. Azo atao ihany koa ny manaraka ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-10 avy any Toliara (Toliara - Betioky - Ampanihy - Beloha - Ambovombe - Tolagnaro). Noho ny fisian' ny lalam-pirenena faha-12a dia afaka mifandray amin' i Vangaindrano, izay any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy, koa i Tolagnaro. Tsy azo aleha anefa io lalana io mandritra ny vanim-potoan' ny orana.

Toetany

Ny rotsak' orana any Tolagnaro dia 1 700 mm eo ho eo, noho ny tendrombohitra manakana ny rivotra mandro any andrefan' ilay tanàna. Noho izany, maitsomaitso kokoa noho ny faritra manodidina ny tanin' i Tolagnaro.

Ny salan-kafanana any dia 23 °C ary miakatra hatrany amin' ny 26 °C na midina hatrany amin' ny 20 °C arakaraka ny volana.

Vohon' ny tany

Ny Pic Saint Louis no tendrombohitra avo indrindra ao Tolagnaro, ary any avaratry ny ny tanàna no misy azy.

Fitantanana

Tolagnaro: Jeôgrafia, Fitantanana, Mponina 
Seranan-tsambo taloha

Iray amin' ny kaominina miisa 25 mandrafitra ny Distrikan' i Tolagnaro ny kaominina ambonivohitr' i Tolagnaro.

Mifandray amin' Antananarivo amin' ny alalan' ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-13 (Antananarivo – Ihosy – Betroka – Ambovombe – Tolagnaro) ity kaominina ity. Azo atao ihany koa ny manaraka ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-10 avy any Toliara (Toliara - Betioky - Ampanihy - Beloha - Ambovombe - Tolagnaro). Noho ny fisian' ny lalam-pirenena faha-12a dia afaka mifandray amin' i Vangaindrano, izay any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy, koa i Tolagnaro. Tsy azo aleha anefa io lalana io mandritra ny vanim-potoan' ny orana.

Mponina

Ny faritan' ny Tolagnaro dia onenan' ny foko antanosy. Tamin' ny fanisana tamin' ny 1975 dia 19 605 ny isan' ny mponina tao Tolagnaro. 30 690 izany tamin' ny taona 1993 ary 39 000 tamin' ny taona 2001. Tamin' ny taona 2010 dia 46 000 ny isan' ny mponina ao Tolagnaro.

Jereo koa

Renivohi-paritany eto Madagasikara

Renivohi-paritra eto Madagasikara

Samihafa

Rohy ivelany



Tags:

Tolagnaro JeôgrafiaTolagnaro FitantananaTolagnaro MponinaTolagnaro Jereo koaTolagnaro Rohy ivelanyTolagnaro

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ZanatenyBaiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraAlahamadyBokin' ny mpaminany (Baiboly)Tantaran' i EtazoniaISO 4217Fitsipiteny malagasyAndrianaKanonan'ny BaibolyAsabotsyDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Apôstôly roa ambin' ny foloAbdellatif FellainiFifohazana (kristianisma malagasy)OlombelonaAsombolaSaint-Didier-de-BizonnesPapaNeuville-lès-ThisVincenzo RosatiLee David ZlotoffSaint-Pierre-de-MonsLombronDoalisma (finoana)Arthur HenfreyBernardino ZendriniOram-panalaGünter WillumeitKristiana tamin' ny taonjato voalohanyJannero PargoSainte-Catherine-lès-ArrasHerinaratraManuel Jiménez JiménezRofiaAurangzebFilazantsara araka an' i MatioFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraFahatorontoronina tsy azon-kelokaFaritra Atsimo-AndrefanaAldo ViscontiFanjakan' i MenabeRirininaAdy Lehibe FaharoaBoissey, AinLitorjiaFianakaviana (fomba malagasy)Antonio Maria MagroArkôna (gnôstisisma)Alice WalkerWikiLezôtôFilazantsara araka an' i LiokaFilazam-potoana hoavy tsotraFanjakan' i BoinaKolontsaina ao GabônaFilazam-potoana (fitsipiteny)Sakafo malagasyTranonkalaNeeoRodomeMicrosoft WindowsFiteny finoàOise1089Nouvron-VingréEokaristiaSabata (jiosy)Testamenta VaovaoVincent Kompany19 Aprily🡆 More