Lalàmpanorenan' I Madagasikara

Ny Lalàmpanorenan' i Madagasikara  dia lalàna fototra mamaritra ny foto-kevitra iorenan' ny Fanjakana malagasy, mifehy ny fifandraisana misy eo amin' ny mpitondra sy ny vahoaka entina, mamaritra ny fandaminana sy ny fiasa ary ny fifandraisan' ny andrim-panjakana, miaro ny zo sy ny fahalalahan' ny olom-pirenena amin' ny fanararaotam-pahefana mety hataon' ny mpampiasa ny fahefam-panjakana, milaza ny fomba fifidianana ny filohan' ny Repoblika sy ny faharetan' ny fijanonany eo amin' ny fitondrana, ny fomba fanaovana ny lalàna sy ny olona afaka manao izany, ny fomba atao raha hanova ny lalàmpanorenana, sy ny fepetra maro hafa.

Lalàmpanorenan' I Madagasikara
Sainan' i Madagasikara

Voasoratra sy voarindra anaty tahirin-kevitra tokana ny Lalampanorenan' i Madagasikara hatramin' izay nahazoany ny fahaleovantenany. Manana fahefana ambony kokoa noho ny lalàna tsotra sy ny fitsipika hafa rehetra eto amin' ny tanim-pirenena malagasy ny Lalàmpanorenan' i Madagasikara.

Ny Lalàmpanorenan' ny Repoblikan' i Madagasikara ankehitriny dia nolanina taorian' ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin' ny 17 Nôvambra 2010 nandritra ny Tetezamita (2009-2014). Nambara tamin' ny 11 Desambra tamin' io taona io ihany izany, ary nampiditra ny firenena malagasy ao amin' ny Repoblika Fahefatra tamin' ny fanakatonana ny Lalàmpanorenan' ny taona 1992. Ny Lalàmpanorenana voalohan' i Madagasikara dia tamin' ny taona 1959.

Lalàmpanorenana nifandimby

Hatramin' ny nahazoany ny fahaleovantenany tamin' ny taona 1960 dia nanana Repoblika efatra natsangan' ireto lalàmpanorenana manaraka ireto i Madagasikara:

Lalàmpanorenana ankehitriny

Tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka notanterahina tamin' ny 17 Nôvambra 2010, ny vahoaka malagasy dia naneho ny safidiny tamin' ny alalan' ny fifidianana andraisan' ny daholobe anjara mivantana momba ny fanovana ny Lalàmpanorenana. Nambara tamin' ny 11 Desambra 2010 izany mba hahafahana manao ny fandaminana ny fifidianana filohan' ny Repoblika sy solombavambahoaka voalohany amin' ny Repoblika Fahefatra eto Madagasikara ny volana Desambra 2013.

Firafitr' ilay lalàmpanorenana

Ity lalàmpanorenana ity dia misy savaranonando arahin' ny fizaràna miisa fito sy laharana (zana-pizaràna) valo.

  • Fizaràna voalohany – Ny fotokevitra ankapobeny;
  • Fizaràna II - Ny amin' ny fahalalahana sy ny zo aman' andraikitry ny olom-pirenena;
    • Laharana voalohany – Ny zo sy ny andraikitra sivily sy pôlitika;
    • Laharana II – Ny zo sy ny andraikitra ara-toekarena sy ara-tsôsialy ary ara-kolontsaina ;
  • Fizaràna III – Ny amin' ny fandaminana ny Fanjakana;
  • Fizaràna IV – Ny amin' ny fifanarahana iraisam-pirenena;
  • Fizaràna V – Ny amin' ny fandaminana ny tanim-pirenena;
    • Laharana voalohany – Fepetra ankapobeny;
    • Laharana II – Ny amin' ny rafitra;
  • Fizaràna VI – Ny amin' ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana;
  • Fizaràna VII – Fepetra teteza-mita sy manokana.

Fepetra miavaka

Ny rafitra semi-présidentiel ao amin' ny Lalàmpanorenan' ny Repoblika Fahatelo dia nosoloina rafitra semi-parlemantera, araka ny voalazan' ny andininy faha-54 amin' ny Lalàmpanorenana vaovao: "Ny Filohan' ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra, izay atolotry ny antoko na vondron' antoko maro anisa ao amin' ny Antenimierampirenena".

Ny savaranonando dia miresaka ny amin' ny sitrapon' ny vahoaka handray ho azy ireto dina sy fifanarahana iraisam-pirenena manaraka ireto:

  • ny Dina iraisam-pirenena momba ny Zon' olombelona;
  • ny Fifanarahana momba ny Zon' ny Zaza sy ny Vehivavy, momba ny fiarovana ny tontolo iainana, momba ny zo ara-tsôsialy sy ara-toekarena ary ara-kolontsaina;
  • ny andininy voalohany dia manondro ny Fanjakana hoe "Repoblikan' i Madagasikara";
  • ny andininy faha-3 sy faha-143 dia manambara fa "Ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ao amin' ny Repoblika dia ny kaominina sy ny faritra ary ny faritany";
  • ny andininy faha-8 dia mandrara ny fanamelohana ho faty sy ny fampijaliana;
  • ny andininy faha-24 dia mandidy ny fanjakana handamina ny fanabeazana ho an' ny daholobe, maimaimpoana sy azon' ny rehetra idirana; ny fanabeazana fototra dia tsy maintsy ho an' ny rehetra;
  • ny andininy faha-40 dia manondro ny andrim-panjakana:
  • ny andininy faha-45 dia mamaritra ny fomba ifidianana ny filoham-pirenena, amin' ny alalan' ny fifidianana andraisan' ny rehetra anjara mivantana, hitondra mandritra ny fe-potoana 5 taona, azo havaozina indray mandeha;
  • ny andininy faha-71 sy faha-85 dia mandrara ny fampivangongoana ny asan' ny solombavambahoaka sy ny an' ny loholona;
  • ny andininy faha-89 dia manome alalana ny famoahana lalàna amin' ny alalan' ny didy hitsivolana;
  • ny andininy faha-103 dia manome alalana ny fandravana ny governemanta amin' ny alalan' ny fihetsiketsehana;
  • ny andininy faha-162 dia mandidy fa ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana dia tsy maintsy atao amin' ny alalan' ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Jereo koa

Rohy ivelany

Tags:

Lalàmpanorenan' I Madagasikara Lalàmpanorenana nifandimbyLalàmpanorenan' I Madagasikara Lalàmpanorenana ankehitrinyLalàmpanorenan' I Madagasikara Jereo koaLalàmpanorenan' I Madagasikara Rohy ivelanyLalàmpanorenan' I MadagasikaraLalàmpanorenanaLalànaZo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Christophe Colomb1928Fanekem-pinoana nikeanaSeti IAntalaotraArrigasMahajangaRova ManjakamiadanaHenôteismaSaikanosin' i ArabiaFitodika atao1564R6081WParisyEspainaFararano2004Jodie FosterFangitra ara-jeografia1800ArdècheClenleuJán Ďurica1974Fokon' i Israely18341909Fihafanan'ny tanyJesoa56Augustin rajon1942NôrvezyAgatha ChristieJessica Davenport2001Ranomasin'i ArabiaÔseania76Distrika eto MadagasikaraMios33Ranomasimbe ArktikaBokyCFaritra eto MadagasikaraOkrainaDanemarkaEdmund BurkeNederlandyTetiandro iranianaDonald BitzerTambajotra sôsialyFiteny arameanaAterinetoJodaismaKabulHetra407Dinan' i VarsoviaJodeaWindsteinGuiyangFanatontoloana13 DesambraFlexbourgFivavahan-drazana malagasyA1919Fiteny alemànaFilazantsara araka an' i Matio🡆 More