Ny fiteny amharika dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny semitika tenenina any Etiôpia.
Izy io dia fiteny semitika faharoa amin' ny lafiny isan' ny mpiteny, eo aorian' ny fiteny arabo. Io no fitenin' ny vahoaka Amhara. Noho ny pôlitika mikasika ny fiteny talohan' ny fahalatsahan' ny Defg dia ampiasain' ny ankabeazan' ny mponina any Etiôpia ilay fiteny, ary ny mpiteny azy dia na mampiasa azy amin' ny maha fitenin-dreny na maha fiteny faharoa nianarana na fiteny ampiasaina eny ivelany azy. Any Etiôpia dia fiteny ampiasaina amin' ny fandraharahana ny fiteny amharika.
Tsy manana sata ôfisialy intsony ny fiteny amharika nanomboka tamin' ny nampiharana ny Lalampanorenan' ny taona 1994, nanambara ny andininy faha 5-1 fa mitovy sata avokoa ny fiteny tenenina ao Etiôpia. Kanefa ny andininy faha 5-2 dia milaza fa teny fiasan' ny governemanta federaly ny fiteny amharika.
Any ivelan' i Etiôpia, ny fiteny amharika dia tenenin' ny mponina miisa 2,7 tapitrisa miaina any Ejipta, any Israely, any Jibotia, any Iemena, any Sodàna, na koa any Soeda (tenenin' ny mponina vitsivitsy, matetika avy any Etiôpia ny ankabeazan' izy ireo) na any Eritirea ho an'ireo izay mbola niaina tambanin' ny fandraharahana Etiôpiana talohan' ny taona 1993.
Ny soratra voalohany amin' ny teny amharika dia nosoratana tany amin' ny taonjato faha-13 tany ho any.
Ny fiteny amharika dia soratana amin' ny alàlan' ny abogida avy amin' ny fiteny geezy.
ä | u | i | a | e | ə | o | |
---|---|---|---|---|---|---|---|
h | ሀ | ሁ | ሂ | ሃ | ሄ | ህ | ሆ |
l | ለ | ሉ | ሊ | ላ | ሌ | ል | ሎ |
h | ሐ | ሑ | ሒ | ሓ | ሔ | ሕ | ሖ |
m | መ | ሙ | ሚ | ማ | ሜ | ም | ሞ |
s | ሠ | ሡ | ሢ | ሣ | ሤ | ሥ | ሦ |
r | ረ | ሩ | ሪ | ራ | ሬ | ር | ሮ |
s | ሰ | ሱ | ሲ | ሳ | ሴ | ስ | ሶ |
š | ሸ | ሹ | ሺ | ሻ | ሼ | ሽ | ሾ |
q | ቀ | ቁ | ቂ | ቃ | ቄ | ቅ | ቆ |
b | በ | ቡ | ቢ | ባ | ቤ | ብ | ቦ |
t | ተ | ቱ | ቲ | ታ | ቴ | ት | ቶ |
č | ቸ | ቹ | ቺ | ቻ | ቼ | ች | ቾ |
h | ኀ | ኁ | ኂ | ኃ | ኄ | ኅ | ኆ |
n | ነ | ኑ | ኒ | ና | ኔ | ን | ኖ |
ñ | ኘ | ኙ | ኚ | ኛ | ኜ | ኝ | ኞ |
ʾ | አ | ኡ | ኢ | ኣ | ኤ | እ | ኦ |
k | ከ | ኩ | ኪ | ካ | ኬ | ክ | ኮ |
h | ኸ | ኹ | ኺ | ኻ | ኼ | ኽ | ኾ |
w | ወ | ዉ | ዊ | ዋ | ዌ | ው | ዎ |
ʾ | ዐ | ዑ | ዒ | ዓ | ዔ | ዕ | ዖ |
z | ዘ | ዙ | ዚ | ዛ | ዜ | ዝ | ዞ |
ž | ዠ | ዡ | ዢ | ዣ | ዤ | ዥ | ዦ |
y | የ | ዩ | ዪ | ያ | ዬ | ይ | ዮ |
d | ደ | ዱ | ዲ | ዳ | ዴ | ድ | ዶ |
ǧ | ጀ | ጁ | ጂ | ጃ | ጄ | ጅ | ጆ |
g | ገ | ጉ | ጊ | ጋ | ጌ | ግ | ጎ |
t' | ጠ | ጡ | ጢ | ጣ | ጤ | ጥ | ጦ |
č' | ጨ | ጩ | ጪ | ጫ | ጬ | ጭ | ጮ |
p' | ጰ | ጱ | ጲ | ጳ | ጴ | ጵ | ጶ |
s' | ጸ | ጹ | ጺ | ጻ | ጼ | ጽ | ጾ |
s' | ፀ | ፁ | ፂ | ፃ | ፄ | ፅ | ፆ |
f | ፈ | ፉ | ፊ | ፋ | ፌ | ፍ | ፎ |
p | ፐ | ፑ | ፒ | ፓ | ፔ | ፕ | ፖ |
Fiteny hamitô-semitika:
Fiteny be mpampiasa ao Afrika:
Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.
Fiteny etiôpika:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiteny amharika, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.