Vahoaka Amhara

Ny Amhara dia vahoaka ao Etiôpia, monina any atsimon' ny Farihy Tana ary miteny amin' ny fiteny amharika, fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny semitika.

Atao hoe አማራ / Amara izy ireo amin' ny teny amharika fa አምሐራ kosa amin' ny teny gezy. Ao amin' ny Faritra Amhara no tena ahitana azy ireo.

Vahoaka Amhara
Amhara

Miisa mihoatra 20 tapitrisa ny Amhara ary maherin' ny 20 % amin' ny mponina ao Etiôpiana, izy ireo no vondrom- poko ara-piteny faharoa lehibe indrindra ao amin' io firenena io tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2007 taorian' ny Ôrômô.

Faritra misy ny Amhara sy ny isany

Ao Etiôpia no tena ahitana betsaka ny Amhara (izay miisa 20 600 000 ay ho any), nefa ahitana azy ireo koa ny any Etazonia (200 000), ny any Kanada (20 000), ny any amin' ny Fanjakana Mitambatra (10 000), ny any Aostralia (5 000) ary ny any Finlandy (2 000).

Kolontsaina

Fiteny

Miteny amharika ny Amhara, anisan' ny fiteny semitika ahitana mpiteny tombanana ho 17 528 500. Nisy fotoana naha fiteny ôfisialin' ny Etiôpia ny fiteny amharika (atao hoe amharinya). Io no fiteny ifadraisan' ny Etiôpiana rehetra. Ny fiteny amharika dia nampitambatra ny vahoaka mampiasa azy ary nanamafy ny fanjakazakan' izy ireo tamin' ny vahoaka hafa ao amin' io firenena io nandritra ny famerenana amin' ny laoniny sôlômôniana, tamin' ny taona 1270, nanomboka any amin' ny faritr' i Shoa, ao afovoan' i Etiôpia izay misy an' i Addis Abeba ankehitriny.

Ny fiteny hafa, toy ny fiteny anglisy, ny fiteny arabo, ny fiteny ôrômô ary ny fiteny tigrinia, dia ampiasain' ny Amhara ihany koa.

Fivavahana

Ny fivavahana lehibe indrindra ao amin' ny Amhara nandritra ny taonjato maro dia ny kristianisma, izany hoe, raha ny marimarina kokoa, ny kristianisma ôrtôdôksa, amin' ny alalan' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana Teoahedo, izay manana anjara toerana lehibe eo amin' ny kolontsaina ao Etiôpia. Ity fiangonana ity dia manam-pifandraisana akaiky amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i  Aleksandria, ao Ejipta.

Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2007, dia Kristiana ôrtôdôksa etiôpiana ny 82,5 % amin' ny mponina ao amin' ny faritra Amhara; Mozilmana (indrindra ao amin' ny Faritra Wollo) ny 17,2 %, Prôtestanta ny 0,2 %, ary Jiosy etiôpiana (na Beta Israely) ny 0,5 %.

Jereo koa

Tags:

Vahoaka Amhara Faritra misy ny Amhara sy ny isanyVahoaka Amhara KolontsainaVahoaka Amhara Jereo koaVahoaka AmharaEtiôpiaFiteny amharikaFiteny gezyFiteny semitika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoFampielezan-kevitraFamongoran-taranaka nahazo ny Totsy tao RoandaZivaAterinetoThomas MoreWiki FoundationMakySão José da VarginhaMadonnaEsenianaDavid PizarroGdańskBaibolyRavoahangy-Andrianavalona JosephKublai KhanEmpira Mpanjanaka FrantsayFanambadianaFanasan-tongotra (fivavahana)Ma Ying-jeouMasoandroBaianópolisFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraHerinandro MasinaCape TownFaritanin'i KrabiSorona masinaEnterprise, AlabamaEmpira SafavidaTsinyAppleFanabeazana1701SiramamyEugene, OregonBetsimisarakaSikidy malagasyDiana, Andriambavin'i ValesaFiteny latinaKinanaDebianDisneyUrmia (farihy)25 MartsaLionel MessiPuerto RealSomeraShoahMatteo BobbiBob FosseFirenenaSogny-aux-MoulinsHetraLalàmpanorenanaAl-Nasa'iKatsakaFizahàn-tanyEtona voajanaharyFiteny jeôrjianaFaritra eto MadagasikaraAostraliaVirjiniaKrishnaAkira KurosawaVolafotsyAnetzAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaFiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i Aleksandria🡆 More