Beta Israely

Ny Beta Israely dia vahoakan'i Etiopia izay antsoina hoe Falasha koa tany aloha.

Atao hoe Jiosy etiôpiana izy ireo ao Israely. Ny Beta Israely sasany, sy ny manampahaizana jiosy maro, dia mihevitra fa taranaky ny fokon' i Dana izy ireo, tsy araka ny tantara nifandovana izay milaza azy ireo fa taranaky ny mpanjakavavin'i Saba (na Seba) . Ny fomban'ny Beta Israely dia mifandray amin' i Jerosalema hatramin' izay.

Beta Israely
Zazalahy Beta Israely tamin' ny taona 2005.

Ny fiavian' ny Beta Israely dia tsy tena voafaritra mazava. Nonina ao amin' ny tapany avaratr' i Etiôpia izy ireo nandritra ny taonjato maro, indrindra ao amin' ny faritanin' i Gondar sy ny faritanin' i Tigre. Nanangana fanjakana madinika maro mahaleotena izy ireo ka tsy rava izany raha tsy tamin' ny taonjato faha-17, tamin' ny naharesen' ny fanjakan' i Etiôpia azy ireo ary lasa vahoaka vitsy anisa nailikilika tsy afaka manana tany sady ampangaina ho manana fijery mitondra loza.

Beta Israely
Sinagôga ao amin'ny tanànan'i Wolleka any Etiôpia

Ny fanadihadiana ny fototarazo dia naneho fa taranaka Etiôpiana izy ireo, nefa tamin' izao taonjato faha-21 izao dia nisy fanadihadiana hafa izay naneho fa mety taranaky ny Jiosy niaina tany amin' ny taonjato faha-4 na faha-5 izy ire, angamba tao Sodàna . Ny Beta Israely dia nifandray amin' ny vahoaka jiosy tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20. Tamin' ny taona 1973 i Ovadia Yosef, ilay raby lehibe sefarada, raha nifototra tamin' ny Radbaz sy ny fitantarana hafa, dia nanambara fa Jiosy ny Beta Israely ka tokony ho entina any Israely. Roa taona taty aoriana dia nohamafisin' ny manampahefana hafa izany fanambaràna izany, indrindra ny raby askenaza Shlomo Gioren.

Ny fivavahana jiosy tandrefana dia nifampikasoka tamin' ireo Beta Israely tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-20 dia voafaritra amin' ny fomba lalina sady nisongadina ny maha izy azy ny Beta Israely ka nahatonga azy ireo hihevitra ny tenany ho Jiosy amin' izay fa tsy ho Beta Israely fotsiny.

Jereo koa

Loharano

Tags:

EtiopiaFokon' i DanaMpanjakavavin'i Saba

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Bokin' i DanielaZanadralamboTaratasin' i LentolosyRainilaiarivonyBokin' i JeoPneomatôlôjiaFifohazam-panahy lehibeVyArkôntikaNorman BorlaugTranonkalaTsimihetyHabakabakaFamoronana (finoana sy fedrà)Tohu wa-BohuRanomasimbe PasifikaAbidy grikaFanalana faditraJôbaFiteny malaiô-pôlineziana andrefanaVazimbaEsôterismaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Fiteny masikoroTestamenta TalohaBibilavaKinshasaThomas MannOhabolanaAndriamasinavalona1982Team Fortress 2Fanavaozana prôtestantaFiteny araboFivavahan-drazana malagasyFiteny rosiana(105416) 2000 QY161Fiteny antankaranaFahasalamana2007Davida (mpanjaka)Fanalan-jazaItaliaMpanoritraIaldabaôtaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaMir Alisher NavoïAfrikaAlex Rodrigo Dias da CostaKameronaFaritany eto MadagasikaraSilamoFiteny litoanianinaFilazantsara araka an' i Lioka633WikiGordie HoweAtiq RahimiLovantsofinaBokin' ny SalamoLahatra (finoana malagasy)HijraAsir, IranJoroLoksemborgaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraEvanjelin' ny Roa ambin' ny FoloKiwix11 NovambraTantaran' i Madagasikara🡆 More