Jiosy Igbô

Ny Jiosy igbô na Jiosy ibô dia isan' ny vondrom-poko igbô na ibô ao Nizerià izay manaraka ny fivavahana jiosy sady milaza ny tenany fa avy amin' ny fifindrà-monin' ny Hebreo sy ny Jiosy taty aoriana, avy tany Afrika Avaratra sy tany Egipta ka nankany Afrika Andrefana.

Ny lovantsofina ao amin' ireo Igbô ireo dia mitantara fa niseho tany amin' ny 1 500 taona tany aloha io fifindra-monina io. Tsy mihevitra ny Igbô ho tena Jiosy anefa ny ankamaroan' ny Jiosy.

Jiosy Igbô
Jiosy igbô

Ny Igbô dia milaza ny tenany fa avy amin' ny fokon' i Efraima sy ny fokon' i Naftaly sy ny fokon' i Manase sy ny fokon' i Levy sy ny fokon' i Zebolôna ary ny fokon' i Gada. Izany fiheverana izany anefa tsy voamarin' ny fandalinana tsara ny tantara. Ny mpahay tantara dia nandinika ny literatiora ara-tantaran' i Afrika Andrefana tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahantany sady nanao izay hampazava tsara ny anjara asa sahanin' izany fiheverana izany ho an' ireo olona manohana sy nanoratra izany .

Amin' izao fotoana izao dia misy sinagôga miisa 26 ny any Nizerià ary ny Jiosy igbô dia tombanana ho miisa 40 000 any ho any, raha miisa 140 tapitrisa ny Nizeriana. Ny Igbô any Abuja no betsaka indrindra sy ahitana ny singôgan' i Gihon sy ny an' i Port Harcourt ao amin' ny tapany atsimon' i Nizerià. Tarihin' ny raby Hoxard Gorin ny fivavahan' ny Jiosy igbô.

Tsy ny Jiosy igbô ihany no foko ao Nizerià manao ny tenany ho taranaka jiosy fa ao koa ny foko hafa izay samy manaraka ny jodaisma ka ny sasany aminy dia ao amin' ny foko Iôroba.

Jereo koa

Loharano

Tags:

Afrika AndrefanaAfrika AvaratraEjipta tamin' ny Andro TalohaFivavahana jiosyHebreo (mponina)Igbô (vahoaka)JiosyLovantsofinaNizerià

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Amerika LatinaFifohazana FarihimenaRanoEpikan' i GilgamesaTestamenta VaovaoFanekem-pinoana apôstôlikaFanekem-pinoanaPôlitika eto MadagasikaraFaritra AnosySombin-tantaraIowaOhabolanaVarotraSoratra MasinaRatsiraka DidierEvan'ny zodiakaFahefana mpanatanterakaMorondavaAndriantompokoindrindraTorkiaHaikyuHannah HarperLibiaZairaFitenim-paritra malagasyAfrikaFoko folo veryWikiaFiteny tsovasaFanandevozanaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Tanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaRafitra fitantanana votoatinyTsirintenyMpiandry tsaraFiteny nizerô-kôngôleyVondrom-bokin' i Nag HammadiOurenseAziaFitsarana faranyAmalonaWashington D.C.ShiqiMôlekiolaAveloFiteny javaneyGrenadyTailandy1167AdijadyFanahin' ny vatanaRalaimongo JeanEvanjelin' ny Roa ambin' ny foloRVolaOlombelonaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraAdimizanaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)AostraliaApôkalipsa Gnôstikan' i PieraFaritany eto MadagasikaraFandikan-tenyKabary famangianaTobilehibe FarihimenaTetiandro malagasyFahaleovantena🡆 More