Raby

Ny raby dia mpiandraikitra ny fanompoam-pivavahana sady filoha ara-panahy no mpitarika ara-pivavahana ao amin'ny vondron'olona jiosy iray.

Tamin'ny voalohany dia anaram-boninahitra nomena ireo mpampianatra ny Lalàna ny teny hoe raby. Isan'ny notondroina tamin'io teny io koa i Jesosy Kristy.

Ny raby dia sady mpandalina no mpanao fivoasana no mpampianatra ihany koa ny Torah. Misy sekoly atao hoe yeshivas izay natokana hanomana ny olona amin'izany anjara asan'ny raby izany, izay niorina tao Palestina, tao Jamnia (na Iabne) sy tao Tiberiada (na Tiberiasy), tao Babilona, tao Sora, tao Neherdea ary tao Pombedita. Ireo sekolin'ny raby ireo izay niorina amin'ny firenena rehetra ahitana ny zanaka am-pielezana jiosy dia mbola misy amin'izao fotoana izao. Nisy koa ny atao hoe semineran'ny raby izay nivoatra niaraka amin'ny sekolin'ny raby taty aoriana. Afaka mandray fanapahan-kevitra na mitsara momba ny Lalàna jiosy ny raby.

Araka ny fomba jiosy taloha dia ny lehilahy ihany no afaka misahana ny asan'ny raby nefa maro ireo seminera izay manosotra raby vehivavy ankehitriny.

Ny amin'ny teny hoe raby

Ny teny hebreo hoe רב / rav na rab, izay afaka miseho amin'ny endrika milaza maro hoe רבנים / rabanim, izay midika ara-bakiteny hoe "olona lehibe" no nogasina hoe raby. Ny teny hoe רַבִּי / rabbi dia midika hoe "mpampianatro" izay entin'ny mpianatra miresaka amin'ny mpampianatra nyTorah. Avy amin'ny fototeny semitika hoe RBB , izay midika hoe "lehibe" na "hajaina" io teny hoe rab na rav io. Ny endrik'io teny io milaza maro dia ny hoe הָרַבִּים / rabbim, izay hita ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpanj. 18.25) amin'ny teny hebreo sady midika hoe "maro", "ny ankamaroany, ny maro" dia tsy fantatra mazava ny fisian'ny olona notonbdraina hoe Raby teo amin'ny vahoakan'ny araka ny sora-tanam-piraketan'ny Ranomasina Maty. Ny teny arabo hoe rabb izay mitovy fototeny aminy sady midika hoe "tompo" dia izay iantsoana matetika an'Andriamanitra na ny tompo amin'ny fiarahamonina ivelan'ny fivavahana.

Ny raby dia tsy andraikitra hita ao amin'ny Baiboly hebreo ary ireo Hebreo na Israelita tany aloha dia tsy nampiasa anaram-boninahitra sahala amin'ny hoe Rabban na Ribbi na Rab mba hanondroany ireo olon-kendry babiloniana na ny olon-kendrin'i Israely. Ny anaram-boninahitra heo Rabban sy Rabbi dia noresahina voalohany ao amin'ny Mishna. Nampiasaina voalohany hiresahana ny raby Gamaliela Zokiny (hebreo: רבן גמליאל הזקן‎ / Rabban Gamliel HaZaken) sy ny raby Simeona zanany (hebreo: רבן שמעון בן גמליאל הזקן / Rabban Shimon ben Gamliel Hazaken "Ny Raby Simeona zanak'i Gamaliela Zokiny) ary ny raby Joany ben Zakay (hebreo: יוחנן בן זכאי / Yohanan ben Zakkai) izay samy filohan'ny Sinedriona tamin'ny taonjato voaolohany.

Ny teny hoe Rabbi (grika: ῥαββί / rabbi) dia hita ao ain'ny Evanjelin'i Matio sy Evanjelin'i Marka sy Evanjelin'i Joany ao amin'ny Testamenta Vaovao izay anondroana ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary koa an'i Jesosy.

Tags:

Jesosy KristyJiosyLalàn'i Mosesy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

VorombolaSaharanpurBetsileoChicagoBiby1148MontangesAdaoroRanavalona IIIKinshasaLisitry ny filohan' i MadagasikaraAmbodimotso-AtsimoDrozaPas-de-CalaisPark Jung-HoonMichael JacksonTeam Fortress 2Ambodiampana (Mananara Nord)Vintana (finoan-drazana malagasy)Empira BizantinaBaraingoVoankazoAntambaFaritra AnalamangaLalana (sikidy)Bokin' ny mpaminany (Baiboly)Fanahy MasinaRova ManjakamiadanaTohu wa-BohuBaibolyAmbohimangaLouis-Claude VincentZorofirarazanaPalaôAntoko pôlitika malagasyHelfautTrondroRahonaLloyd KaufmanGeorges AndriamanantenaRoy (zavamaniry)Zanak' Andriamanitra (kristianisma)Véronique HalloinFiangonana Ara-Pilazantsara eto Madagasikara1917GaliômaVoayMontevideoAljeriaSektaTanakhCharles Grafton PageKnut HartwigZavakantoKanjiSalvadôroFiteny frantsay23 MeySifakaFameno (fitsipiteny)TelleceyKonsily voalohany tao KonstantinopolyTrombaValve CorporationDanemarkaNôrvezyVirijiny (fanandroana)TononkaloGoaikaCulètre🡆 More