Bene Israely

Ny Bene Israely dia iray amin' ireo vondrona jiosy telo niaina tany India hatramin 'ny tapany faharoan' ny taonjato faha-20.

Ny Bene Israely no vahoaka maro anisa indrindra amin' ireo Jiosy monina any amin' ny Zana-kôntinenta indiana, sady izy ireo no mahamaro ireo antsoina hoe Jiosin' i Bombay.

Bene Israely
Sarintany mampiseho ny faritra onenan'ny Bene Israely ao India

Taorian' ny nahafantarany ny jodaisma tamin' ny taonjato faha-19 dia nifindra monina avy any amin' ny tanàna kely any Konkan nankany amin' ireo tanàn-dehibe akaiky azy ny Bene Israely, ka isan' ireo tanàna ireo i Mumbai , i Pune, i Ahmedabad ary i Karachi . Araka ny lovantsofin' ny Bene Israely, taorian' ny taonjato nandehandehanana namakivaky an' i Israely ao Azia Andrefana, ny razamben' izy ireo dia nifidra tany India ka nifangaro tsikelitsikely tamin' ny vahoaka manodidina, nefa nihazona ny fomba mampiavaka ny Jiosy. I David Rahabi, izay Jiosy indiana, dia nahita ny Bene Israely tamin' ny taonjato faha-18 ka nahamarika ny fomba amam-panao jiosy teo amin' izy niainan' izy ireo.

Ny mpahay tantara sasany dia manamarika fa ny razamben' ny Bene Israely dia anisan' ny iray amin' ireo foko verin' i Israely . Ny manampahefana jiosy anefa tsy manaiky ny Bene Israely ho iray amin' ireo foko very. Tamin' ny taona 1964 dia nanambara ny fikambanan' ny raby ao Israely fa Jiosy tanteraka ny Bene Israely .

Bene Israely
Bene Israely

Ny Report of the High Level Commission on the Indian Diaspora (2012) dia nandinika ny fiainana tao Israely ho an' ny Bene Israely ka nahita fa ny tanànan' i Beerseba ao amin' ny tapany atsimon' i Israely, no ahitana ny ankabetsahan' ny vahoaka Bene Israely, ka any Ramla no tena maro azy ireo. Karazana vaovao amin' ny fianakaviana miparitaka amim-pirenena samihafa izy ireo. Amin' ny ankapobeny dia mandray anjara loatra amin' ny resaka pôlitika ny Bene Israely. Tsy nisy fifandraisana ara-toekarena hentitra amin' i India izy ireo sady vofetra ny satany ara-pôlitika ao Israely. Ireo Jiosy avy any India ireo dia kilasina ho Sefarada; nikambana tsara tamin' ny vahoaka sefarada ao Israely izy ireo .

Jereo koa

Loharano

Tags:

IndiaZana-Kôntinenta Indiana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

KatroBaibolyJesoa araka ny kristianismaSonisma1940Antokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i MadagasikaraAbdellatif FellainiFanatitraFitenim-paritra malagasyRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaAbidy latinaAhidamboAndriamangariraMarc RavalomananaFidangan' ny vidim-piainanaTendrombohitraTobim-pifohazanaSamuel RatanyApôkalipsin' i JoanyToyotaRova ManjakamiadanaApôstôly roa ambin' ny folo28 DesambraFiteny nepaleyPoopyFiangonana Ara-Pilazantsara eto MadagasikaraBenoà XVFanekem-pinoanaJRafitra kôneksiônalyFokom-pirenen' i IsraelyRay aman-drenyRadama IIFanasan' ny TompoFatranaSamgaraVoanihoBolokyNorwegian Missionary SocietyFaritany eto MadagasikaraKalandrie sinoaBanto (vahoaka)AmbohimangaFiteny sakalavaAlakaosyAndrianaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaLahatraDokuWikiVoromailalaAfrika AndrefanaLisitry ny teny ampiasaina amin' ny haitenyPhoenix, ArizonaTazomokaHaintanyAfrika AfovoanyFokom-pirenen' i EfraimaSokajin-tenyBokin' i EzekielaElamaKôngô-BrazzavilleFanandroana malagasyRianaratraFifandimbiasana apôstôlikaRanavalona IIMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraSamboVintana (finoan-drazana malagasy)ForyFokom-pirenen' i JodàAlohotsy1974🡆 More