Ny ziva dia isan' ny endrika isehoanan' ny fihavanana malagasy nataon' ny razambe taloha.
Ary saika mazana dia mpiziva avokoa no niavian' ny fihavanan' ny Malagasy manontolo. Ny ompa ifanaovan' ny mpiziva dia sangy anehoany ny fifankatiavany ary ny foko mpiziva dia tsy maintsy mifanampy.
Ny Kanjemby avy ao Besalampy dia ziva amin’ ny foko Maromena avy ao Besalampy ihany sy ireo Beosy
Ny Kanjemby amin’ ny faritra a-morontsiraka dia ziva amin’ ireo Antalaotra sy Kômôriana (Ajojo)
Mbola ao Besalampy ihany, ny Kanjemby dia mpiziva amin’ ny taranaky ny Tsianova
Ny Maromena ao Besalampy dia ziva amin’ ny taranaky ny Manonga
Ny taranaky ny Manonga dia ziva amin’ ny taranaky ny Marolahy
Ny taranaky ny Andrafanga dia ziva amin’ ny taranaky ny Kinfotso
Ny taranaky ny Tsimanondriky dia ziva amin’ ireo Vezo sy amin’ ny taranaky ny Andrafanga
Ny Sandrangoasty avy ao Mintsijo dia ziva amin’ ireo Kanjemby avy ao amin’ ny helondranon’ i Maroambitsy, ny Matihazo, sy ny Tambondro Avaratra ary ny Jongoa;
Ny Matihazo dia ziva amin’ ireo Antemamaliky ao Mintsinjo;
Ny Antirengy dia ziva amin’ ireo Mandravà avy ao Soalala.
Ny Manañadabo, ankilany ary ny Betsiboka, andaniny, dia ziva amin’ ireo Marolaka
Ny Marotokiky dia ziva amin’ ireo Tsiaronjy na Tsaronjy
Ny Sambarivo dia ziva amin’ ireo Tongoa
Ziva avy amin' ny foko tsimihetyhanova
Ny Antevongo tambohitsy dia ziva amin’ireo Antevinañy tompon’ny vinàñy
Ny Zafindrano (taranaky ny rano) dia ziva main’ireo Zafindravoay (taranaky ny Voay)
Ny Zafindramahavita dia ziva amin’ ireo Jongoa (Sakalava)
Ny Antotolàny (tokotelo) dia ziva amin’ireo Antelampy (avy amin’ny Vato) sy ireo Makoa
Ny foko Antakarana dia ziva amin’ireo Anjoaty sy ireo Zafitsimeto
Ny Marofotsy, avy ao amin’ny foko Sihanaka dia ziva amin’ny Sakalava Manañadabo
Ny foko Betsileo dia ziva amin’ny foko Antesaka, indrindra fa ireo Tesaka Rabehavana, izay zivan’ ireo Makoa sy ny foko Betsimisaraka
Fa ny Betsileo Antañandro dia ziva amin’ireo Beosy
Tsy dia mampiasa ny atao hoe ziva ny foko merinahanova
Ny foko merina dia tsy nahalala, na niniana tsy mampahalalaina ny atao hoe ziva (mety anisan’ny tetik’ady mahery vaika hanokana-monina azy ireo izany). Nefa ara-tantara dia ziva amin’ireo Vazimba sy ireo Makoa izy ireo. Eo koa ireo Antehiroka taranaka Vazimba dia mpiziva amin’ireo zanak’ Andriana, ary lohateny amin’ ireo Ajojo. Ny foko Merina ihany koa dia ziva amin’ ireo Sakalava Boeny. Ny manamarina izany ka voasoritra tsy hay nofafana dia ny fiteny eto Imerina raha sendra misy olona maty ka ataony hoe "Sakalava robaka". Raha tsy mpiziva ry zareo fahiny dia tsy ho nitoetra mihitsy io fombam-pitenenana io. Io ilay fañompa ifamatoran’ ny mpiziva.
Foko mpiziva any atsimohanova
Ny foko Antemoro dia ziva na lohateny (na fañompa) amin’ ireo Makoa,
Ny Zaramanaga dia ziva amin’ireo Tesaka sy Temoro.
Amin' ity Nosy ity dia fihavanana nataon' ny razambe miray taloha ny ziva, ka nahatonga azy ireo ho mpifanompa miray teny, lohateny, ziva, somandraza, zakalava, sy ny sisa tsy voalaza, fa ireo rehetra ireo dia fantatra amin' ny teny hoe ziva avokoa ka nahatonga ny fihavanan' ireo razan' ny Malagasy teo aloha tsy rava.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ziva, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); Ziva Wiki additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses. ®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.