Fatidra

Ny fatidra na fati-dra na fato-dra dia fifanekena ataon' ny olona roa tsy misy rohim-pihavanana, nefa te hanova ny fifandraisany maha mpinamana tsotra na maha mifankahalala tsotra azy ho fifandraisana hamafisina amin' ny alalan' ny fandatsahana sy fisotroany na fihinanany ny ran' izy roa tonta, ka lasa fifandraisan' ny iray tampo izany fifandraisan' ny mpifatidra izany.

Ankehitriny dia tsy maro ny olona manao fatidra, eny na dia any ambanivohitra aza. Tsy manavaka ny fatidra na lahy na vavy, na foko inona na foko inona, na aiza na aiza ny faritra niaviana, na inona na inona sarangan' ny mpandray anjara.

Raha hanao fatidra dia mampahalala ny olobe na sojabe eo amin' ny tanàna ireo olona roa te hanao fatidra ireo. Io olobe io no manome ny fankatoavany na tsia amin' ny hanatanterahana ny fatidra. Raha tsy misy ny fankatoavan' ilay olobe dia tsy tanteraka ny fanaovana fatidra. Misy koa anefa ny sasany izay tonga dia manatanterana ny fanaovana fatidra fa tsy miantso na manatona olobe.

Manao ny fombafomba ilaina amin' izany ny olona atao hoe mpitoka izay miantso ny Razana sy ny Zanahary, manozona izay mety hamadika fitokisana amin' ireo mpanao fatidra sy mitsodrano izay mikendry ny hahasoa ny namany ka tsy mamadika fitokisana.

Amin' ny fotoana anaovana ny fatidra dia afaka manasa ny havany sy ny sakaizany ireo olona roa maniry hihavana amin' ny alalan' ny fatidra. Afaka manasa ny mpiara-monina ihany koa izy ireo. Raha maro no manatrika dia tsy ireo olona roa ireo ihany no lasa mpihavana fa ny fianakavian' ny roa tonta.

Izay iray mamadika fatidra, izany hoe mamadika fanekena, dia inoana fa hiharan' ny ozona ka mety hisy fiantraikany amin' ny fianakaviany izany.

Jereo koa hanova

This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fatidra, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); Fatidra Wiki additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.

Tags:

Fatidra

Jereo koa hanova Fatidra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny letônaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' Olombelona20132005Fiangonana Loterana MalagasyListrin'ny Farihy eto MadagasikaraDonetsNetscape CommunicationsRajoelina Andry29ThiruvananthapuramFondettes1989MadagasikaraTetiandro malagasy33ZHelodranon' i CourrierArizonaMarimbona1956FanjanahantanySômalilandy41IndiaAlexander McDonnell1941Andriamanitra RayEtiôpiaSanta-Kity-sy-NevisyToetanin-jana-pehin-tanyZimbaboe200317JAndrianampoinimerinaAfrika AtsimoKilometatra efa-miraWilliam GroveOmbyKaodim-paositra20Epistily nosoratan' i JodaSandam-bolaRindrankajy fampiharana an-tranonkalaKalandrie persanaAbidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaFahaleovantenaKolontsaina malagasyManingoryLinux64JinyTantaran' ny kristianismaSakaVyFihafanan'ny tanyKioba2019VarahinaPaganismaSilisiôma17741885Barbady78Kabary famangianaFahefana mpanatanteraka1ViratyBokyFaritanin' i ToliaraBetsimisarakaFranklin Delano RooseveltNizeriaRa🡆 More