Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana

Ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana na Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana dia fiangonana antekalkedôniana niforona tao Etiôpia, mahaleo tena hatramin' ny taona 1959, izay miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo.

Anisan' ny fiangonana kristiana tranainy indrindra maneran-tany izy satria efa niforona tany amin' ny taonjato faha-4. Atao hoe የኢትዮጵያ ኦርቶዶክስ ተዋሕዶ ቤተ ክርስቲያን / Yäiotyop'ya Ortodoks Täwahedo Bétä Krestiyan izy amin' ny teny amharika.

Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana
Foiben' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana ao Addis-Abeba.

Manaraka ny fombam-pivavahana geezy io fiangonana io. Ny lehibeny amin' izao fotoana anoratana izao (2019) dia i Mathias, izay voafidy tamin' ny 28 Febroary 2013 sady nandimby an' i Paulos.

Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana
Pretra ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana

Tsy dia nanam-pifandraisana firy amin' ny fiangonana kristiana hafa maneran-tany ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana teo anelanelan' ny taonjato faha-7 hatramin' ny faha-14, ka nahitana fiainana ara-panahy sy teôlôjia ary fanao litorjika azy manokana, izay iharan' ny Testamenta Taloha. Mônôfizita ny Fiangonana Ôrtôdôksan' i Etiôpia. Anisan' ny boky kanônikany ny Bokin' ny Fiakaran' i Isaia sy ny Bokin' ny Jobily ary ny Bokin' i Henôka.

Jereo koa

Tags:

EtiôpiaFiangonan' ny kônsily teloFiangonana antekalkedonianaTeny amharika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AntananarivoJesoaFahefana mpanatanterakaAdaoroWikiVatosoaIndôneziaTrozonaAlakaraboTontolo iainanaOsyKristianinaIngosetiaBaiboly amin' ny teny malagasyFiarahamoninaBorondyFiteny malagasyOnitiana RealyLalitraConstantin StanislavskiSilamoFiteny hebreoKabary am-panambadianaMpamari-toetraEpistily nosoratan' i JakôbaZanatsoratraMpampitohy (fitsipiteny)AmpongaTodyBokin' ny GenesisyFifohazana (kristianisma malagasy)MassachusettsEorôpaHolatraDidy FoloSadoseoLAmerikaTantaran' ny kristianismaKanaana (faritra)2012RaozyFirenena MikambanaTsirinteny sara-droaTobilehibeTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôNAviavyNikôtininaMahavelona (Toamasina)ForySiansa ara-tsôsialyOhabolana1968MaleziaApôkrifan' ny Baiboly31 MartsaFiraisana ara-nofoAntesakaMeivazySampan-tenyBokin' i EzekielaAdimizanaAsombolaFitsarana faranyKolontsaina malagasyAratraBokin' i IsaiaCurrent events🡆 More