Eritrea

I Eritrea dia firenena ao Afrika Atsinanana.

I Asmara no renivohiny. Ao amin' ny sisin' ny faritry ny Tandrok' i Afrika i Eritrea. Firenena mpifanolo-bodirindrina aminy ao atsimo i Jiboty, ao andrefana i Etiôpia ary ao avaratra i Sodàna. Manana velarana mirefy 117 600 km2 i Eritrea sady misy mponina miisa 6 081 000 tamin' ny taona 2020. Atao hoe Eritreana ny vahoakan' io firenena io.

Eritrea
Sainan' i Eritrea
Eritrea
I Eritrea eo anivon' i Afrika
Eritrea
Sarin-tanin' i Eritrea

Atao hoe Érythrée i Eritrea amin' ny teny frantsay, Eritrea amin' ny teny anglisy, Irītrīyā amin' ny teny arabo ary Értra amin' ny teny tigrinia.

Lembalemba midadasika hita eo afovoan' ny lemaka teritery amorontsiraka no mandrafitra ny vohon-tanin' i Eritrea, ka mamorona ny tany efitra Danakil izany any atsimo. Ahitana fahasamihafana ny toetany any Eritrea: toetany antonony ny eny amin' ireo lembalemba, tany efitra kosa ny amin' ny faritra manakaiky ny morontsoraka (anisan' ny ambony maneran-tany ny maripana ao amin' ny tany efitr' i Danakil). Tsy dia ahitana renirano na farihy firy ny any.

Niharam-pahavoazana ny toekaren' i Eritrea vokatry ny haintany sy ny adim-panafahana nifanaovany tamin' i Etiôpia nandritra ny telopolo taona. Manana harena an-kibon' ny tany toy ny pôtasy sy ny vy ary ny solitany i Eritrea, ary ahitana volamena koa, nefa nisakantsakana ny fitrandrahana izany ny ady. Mbola miompana amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Eritrea ankehitriny.

Ny Tigrinia (50 %n' ny mponina), ny Tegreana (mihoatra kelin' ny 30 %), ny Afara ary ny Baja no vondrom-poko lehibe indrindra any Eritrea. Be mpanaraka ny fivavahana kristiana sy ny fivavahana silamo. Manodidina ny 80 %n' ny mponina no monina mbanivohitra. Tamin' ny nahazoan' i Eritrea ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1993 dia nafindra toerana ny ampahany be amin' ny mponina; 500 000 any ho any no nitsoa-ponenanatany Sodàna.

I Italia sy i Britaina Lehibe ary i Etiôpia no nifandimby nanjanaka an' i Eritrea nandritra ny taonjato faha-20. Faritany tao Etiôpia taloha i Eritrea nanomboka tamin' ny taona 1962. Tamin' ny taona 1993 no nahazoany ny fahaleovan-tena taorian' ny tolom-panafahana izay naharitra 35 taona.

Jereo koa

  • Fiteny ao Eritrea
  • Vahoaka ao Eritrea

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Afrika AtsinananaAsmaraEtiôpiaJibotỳSodànaTandrok'i Afrika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Georges AndriamanantenaBob KhannaAljeriaSakramentan' ny fanambadianaEvanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny FoloAziaConteville-lès-Boulogne74Fanalan-jazaFahefana mpanatanterakaAndriamanitra (ankapobeny)Wellington PointWiki FoundationVadin' i MohamadyKinshasaFanjanahantanyHFizaràn-taonaAngatra (aretina)NizeriaRalamboPaska jiosyFiainana aorian' ny fahafatesanaApôkalipsin' i JoanyAndrianjakaAlahasaty1853Apôkrifan' i JoanyAntalaotraFiteny tatara krimeanaFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2014Tany lemakaRoberto VaccaKôrea AtsimoTontolo iainanaLloyd KaufmanAkohoAhidamboHasinaTranonkalaFacebookFiteny japôneySakramenta ao amin' ny prôtestantisma1912Tanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFilazantsara araka an' i MarkaRatsimilahoTodyFanekem-pinoana apôstôlikaBaskin-RobbinsSikidy malagasyMpandrindra milinaAmbohimahasoaWashington D.C.Fiteny aostrônezianaTsinyRepoblika Fahefatra (Madagasikara)AndriantompokoindrindraBibyAostraliaAmerikaFiteny betsimisaraka avaratraVarySun Yat-senFitenim-paritra malagasyAdy an-tranoEtikaMôlekiolaŠtefan ČambalBetsimisaraka🡆 More