Fiteny Malagasin' Ny Afovoan-Tany

Ny fiteny malagasin' ny afovoan-tany dia vondrona fitenim-paritra malagasy ampiasain' ny Malagasy monina ao amin' ny lembalemba afovoany eto Madagasikara, izay mamondrona ny fiteny antemoro, ny fiteny antambahoaka, fiteny betsileo, ny fiteny bezanozano, ny fiteny merina, ny fiteny sihanaka, ny fiteny sihanaka, ary ny fiteny tanala.

izay samy ao anatin' ny fitenim-paritra malagasy tatsinanana. Ny fiteny malagasy ôfisialy dia manakaiky an' ity vondrom-pitenim-paritra ity.

Fiteny Malagasin' Ny Afovoan-Tany
Sarin-tany maneho ny faritra misy ny fitenim-paritra eto Madagasikara

Ireo fitenim-paritra ao anatin' ny fiteny malagasin' ny afovoan-tany

Ny fiteny antemoro

Ny fiteny antemoro dia tetenina any amin' ny faritra misy ny Antemoro, ao amin' ny faritra Vatovavy-Fitovinany, eo anelanelan' ny renirano Namorona sy ny renirano Manampatrana.

Ny fiteny antambahoaka

Ny fiteny antambahoaka dia tetenina any amin' ny faritra misy ny Antambahoaka, ao amin' ny morontsirana atsimo-atsinanan' i Madagasikara, tsy lavitra an' i Mananjary, eo anelanelan' ny Betsimisaraka ao avaratra, ny Tanala ao andrefana, ny Antemoro ao atsimo.

Ny fiteny betsileo

Ny fiteny betsileo dia fiteny malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Betsileo: faritan' ny ony Mania ao avaratra, ny tanin' ny Tanala ao atsinanana, ny tendrombohitr' Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava ao andrefana.

Ny fiteny bezanozano

Ny fiteny bezanozano dia fiteny malagasy any amin' ny faritra misy ny Bezanozano: voafaritry ny tany onenan' ny foko Sihanaka ao avaratra, ny Betsimisaraka ao atsinanana, ary ny Merina ao andrefana.

Ny fiteny merina

Ny fiteny merina dia fiteny malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Merina: ao afovoan' i Madagasikara, eo amin' ny faritra Analamaga sy ny manodidina, eo amin' ny tampon-kavoana voafaritry ny tanin' i Vonizongo ao avaratra, ny tendrombohitr' Ankaratra ao atsimo, ny reniranon' i Sakay ao andrefana, ary ny tandavan-tendrombohitr' Angavo ao atsinanana.

Ny fiteny sihanaka

Ny fiteny sihanaka dia fiteny malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Sihanaka: manodidina ny farihin' Alaotra, voafaritry ny renirano Bemarivo ambony sy Tampoketsa Atsimo ao avaratra, ny renirano Mahajamba ambony ao andrefana, ary ireo havoana misy ny Bezanozano sy ny ala ao atsinanana.

Ny fiteny tanala

Ny fiteny tanala dia fiteny malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Tanala: faritra misy ny havoanan' Ikongo, voafaritry ny tanin' ny Betsileo ao andrefana, ny Betsimisaraka sy ny Antambahoaka sy ny Antemoro ary ny Antefasy ao atsinanana, ary ny ony Manampatrana ao atsimo.

Jereo koa

Fiteny malagasy

Tags:

Fiteny Malagasin' Ny Afovoan-Tany Ireo fitenim-paritra ao anatin ny fiteny malagasin ny afovoan-tanyFiteny Malagasin' Ny Afovoan-Tany Jereo koaFiteny Malagasin' Ny Afovoan-TanyFitenim-paritra malagasyFitenim-paritra malagasy tatsinananaFiteny antambahoakaFiteny antemoroFiteny betsileoFiteny bezanozanoFiteny merinaFiteny sihanakaFiteny tanalaMadagasikaraMalagasy (vahoaka)Teny malagasy ôfisialy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SakalavaTestamenta VaovaoLavarsLoza folo tao EgiptaRômaGoogleAnaranaAfrikaISO 3166-1Adijady1035Kolontsaina malagasyMarovatoAndriamasinavalonaBlaogyAdy Lehibe FaharoaFifandraisan-davitraFokon' i DanaBokin' i IsaiaAljeriaMandravasarotraAlakamisy AnativatoAsabotsyMadagasikaraTonizia2004Fanahy MasinaFirenenaFitampohaBaolina kitra24 FebroaryPaskaFitiavanaAndrianampoinimerinaEpifania1963Anjara (finoana)Harin-karena faobeFampihorohoroanaTanyZezikaMeyOtrikaretinaMerinaKolontsaina143121 MeySampan-tenySeha-pihariana faharoaISO 4217Bokin' i DanielaLisitry ny firenenaFiraisana ara-nofoHosodokoPersiaMpandrindra milinaBenito MussoliniFrantsaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraWayback MachineFivavahana iranianaPoaceaeHasanabad, ReyToetanin-jana-pehin-tanyAl-BiruniSolombavambahoakaAngôvoEorôpaTantaran' i MadagasikaraHaisoratraOlombelonaSilamoMozilla Firefox🡆 More