Ny Vondro-nosy Maley na Insolindia na Vondro-nosy Malezia na Vondro-nosy Indiana dia vondro-nosy lehibe indrindra eran-tany, any atsimo-atsinanan' i Azia sy avaratra-andrefan' i Aostralia, ary eo anelanelan' ny Ranomasimbe Indiana sy ny Ranomasimbe Pasifika.
Ahitana nosy miisa 25 000 any ho any ny ao, ka anisan' izy ireo, izay mitsinjara anaty faritra telo, ny nosin' i Sunda sy ny nosin' i Maluku ary ny nosin' i Filipina. Manampy azy ireo nosy Ginea Vaovao.
Manodidina ny 2,8 tapitrisa km2 ny velaran' ity vondro-nosy ity. Ny nosy rehetra ao aminy dia be tendrombohitra ary avy amin' ny afotroa ny ankamaroany. Ny tendrony avo indrindra dia i Puncak Jaya (4 884 m) any Ginea Vaovao. Afotroa mbola velona sy efa maty maro no miparitaka manerana ilay vondro-nosy. Ankoatry ny vitsivitsy, ireo nosy ireo dia tena lonaka, voatondraky ny renirano maro ary rakotra zava-manirin-jana-pehin-tany mandrobona. Ny fambolena no tena asa sahanin’ ny mponina ao.
Ny toetany dia toetanin-pehibe sy toetanin-jana-pehin-tany ary matetika mando dia mando. Misy fiovana kely miandalana izay toetany izany noho ny fiovan' ny toetrandro. Ny fanadihadiana dia nanatsoaka fa vokatry ny asan' ny olombelona ny fiakaran' ny hafanana ka nahatonga hafanana tafahoatra izay nanenika ny ampahany be amin' i Azia Atsimo-Atsinanana tamin' ny taona 2016 na dia nampitombo avo roa heny aza ny mety hitrangany aza ny El Niño.
Nampiasa ny teny hoe Malay Archipelago ("Vondro-nosy Maley") ilay natoralista britanika Wallace ho lohatenin' ny bokiny mirakitra ny fikarohany tao amin' ilay faritra (taona 1854-1862). Nanolotra izay antsoina aty aoriana hoe "Wallace Line" ("Tsipik' i Wallace") izy, izay faritra mampisaraka ny zavamaniry sy biby any Azia sy ny any Aostralia.
Ny fetran' ny Andron' ny Ranomandry dia noforonin' ny andilan-drano eo anelanelan' i Bôrneô sy i Sulawesi, izay mamakivaky ny andilan-tanin' i Lombok eo anelanelan' i Bali sy i Lombok. Izany no heverina ho sisin-tany andrefana amin' ny faritra tetezamita Wallacea eo anelanelan' ny faritra zôôjeôgrafika any Azia sy Aostralia. Io faritra io dia misy fifangaroana karazana avy any Azia sy Aostralia, ary ireo karazana tsy fahita afa-tsy ao.
Ireto ny firenena ao amin' io vondro-nosy io:
Misy mponina miisa 380 tapitrisa ny ao ka ny maro anisa indrindra dia ireo ao amin' ny vondrom-poko maley sy melaneziana. Ankoatra ny Repoblikan' i Filipina dia ao koa ny Repoblikan' i Indônezia, i Papoazia-Ginea-Vaovao, i Broney ary ny Fanjakan' i Sarawak sy i Sabah ao Malezia.
Izao ny fitsinjaran' ny mponina isaky ny nosy lehibe:
Ny ankamaroan' ny mponina ao dia avy amin' ny zana-bondron' ny Aostrôneziana ary miteny amin' ny fiteny malaiô-pôlineziana andrefana.
Ny fivavahana lehibe ao amin' io faritra io dia ny fivavahana silamo (62 %), ny kristianisma (33 %), ao koa ny bodisma, ny hindoisma, ny taôisma ary ny fivavahana nentim-paharazana.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Vondro-nosy Maley, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.