Wiki Malagasy

Pejy rehetra · Sokajy · Fikambanana · Fanoroana

Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 97 127 amin’ny teny malagasy

fandraisana Takelak’ity volana ity

fandraisana
Ahidambo

Ny ahidambo dia bozaka maniry mandavan-taona, manindrona amin' ny alalan' ny voniny rehefa antitra, sady mipetaka amin'ny lamba izany voniny izany, maniry amin'ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany eto amin' izao tontolo izao. Ao amin' ny fianakaviana Poaceae no misy azy. Heteropogon contortus na Andropogon contortus no anarany ara-tsiansa. Izy no tena fahita betsaka ao amin' ny fatrana aty Madagasikara, atao hoe danga.

Ity bozaka ity dia mamorona vondrona mahatratra 75 ka hatramin' ny 120 sm eo ho eo rehefa mamony. Mitsangana sy manify ary tsotra (na misy rantsana iray na roa) ny tahony. Ny ravina dia mifandimby, 2-5 mm ny sakany ary hatramin' ny 15 sm ny halavany. Ny kambin-tsikiny dia misy tsibolo. Ny raviny ambony dia matetika no manarona ny fototry ny sofim-boany. Ny fototra ahidambo iray dia mitondra sofim-boany iray na vitsivitsy. Ny sofim-boany tsirairay, izay tery sy miendrika varingarina, dia mirefy 3 hatramin'ny 7 sm raha tsy isaina ny volony. Amin' ny fahamasahany, ny voan' ny ahidambo, ny fonony, ny volony, ny tsilony ary ny raviny dia mitambatra boribory ka entin' ny rivotra na miraikira amin' ny volom-biby na amin' ny lamban' ny olona. Ny voan' ny ahidambo dia voamadinika. (tohiny...)


fandraisana Lahatsoratra tsara vakiana

fandraisana
Sarin-tanin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.


Ny tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia voamariky ny fisian' ny fisian' ny fanjakana maro madinidinika tany aloha, ny fahatongavan' ny Eorôpeana, ny fivarotana andevo, ny fanjanahan-tany belza, ny fahaleovan-tena, ny ady an-trano, ny fanonganam-panjakana, ny fitsabahan' ny firenena mpifanolo-bodirindrina, ary ny fizorana mankany amin' ny demôkrasia.


Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.

Nisy ny fanjakà-mpanjaka niorina koa teo anelanelan' ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny Fanjakan' i Loba (Luba) sy ny Fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjakà-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) ny Pôrtogey. (tohiny...)

fandraisana Sarin’ny anio

fandraisana


fandraisana Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


fandraisana Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

fandraisana 

fandraisana 

fandraisana 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fifandraisan-davitraVavaka dimy fanao isan' andro (silamo)Bodo (mpihira)Fiteny neerlandeyFanekem-pinoana apôstôlikaBaiboly amin' ny teny malagasyMir Alisher NavoïTendrontanyRadama VoalohanyBob DylanMarovatoFitiavanaFifanakalozan-kevitry ny MpamonjyFiarakodiaThomas MannMpisolo fotoanaBrécy, AisneAntananarivoGoogleMenalambaAndringitraSimôna avy any KirenaFahaterahanaMartin CooperHiragasyAdy an-tranoAzerbaijàna IranianaSoratraBetsimisarakaOhabolanaLinus PaulingTranonkalaSalamon' i SalômônaFilôzôfiaVaryZanak' OlonaFoko eto Madagasikara1899Pôlitika eto MadagasikaraRajoelina AndryDon TaylorSiméon RajaonaTobilehibeSinaRy Tanindrazanay malala ôAvelo1885Apôkalipsy voalohan' i JakôbaKôrà (zanak' i Esao)Famoronana (finoana sy fedrà)Bootjack, KaliforniaAmbohimangaGabônaMaha virjiny mandrakizay an' i MariaMadagasikara zanatany frantsayFifohazana AnkaramalazaPaska jiosyFampielezam-peo FMAdy Lehibe VoalohanyMpisolo toerana (fitsipiteny)WuhanSakalavaEvanjely grikan' ny EjipsianaKabary am-panambadianaFiteny soedoàAljeria1923AlarobiaAbdellatif FellainiFanambadianaPennsylvaniaKantoSelaDidy Folo🡆 More