Ny fiteny indô-eorôpeanina dia fianakaviam-piteny ivondronan' ny fiteny maro any Eorôpa sy any India ary any Iràna sy ny manodidina, tenenina eran' izao tontolo izao.
Misy 1 000 eo ny isan' ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io. Fianakaviam-piteny tenenina maneran-tany ny maro amin' izy ireo, izay ahitana ny fiteny albaney, ny fiteny armeniana, ny vondrom-piteny baltô-slava, keltika, jermanika, helenika, indô-iraniana, italika (anisan' izany ireo fiteny rômana), ary vondrom-piteny maty roa, dia ny vondrom-piteny anatôliana (anisan' izany ny fiteny hitita) sy ny vondrom-piteny tôkariana. Ankehitriny dia misy 6 tapitrisa ny olona miteny indô-eorôpeanina.
Ny vondrom-piteny anatôliana dia ahitana ireo fiteny maty notenenina tao Anatôlia tamin' ny Andro Taloha toy ny fiteny hitita, fiteny lovita, fiteny palaita, fiteny lidiana, fiteny likiana, fiteny miliana, fiteny kariana, fiteny sidetika ary ny fiteny pisidiana.
Ny vondrom-piteny tôkariana na agni-kotsy dia ahitana ireo fiteny maty telo, dia ny fiteny agneana sy ny fiteny kotseana ary ny fiteny kroraniana, izay notetenina tao amin' ny lemak' i Tarima tamin' ny taonarivo voalohany taor. J.K., ao atsimon' ny faritra mizakatenan' i Xinjiang any Sina.
Ny vondrom-piteny baltô-slava dia misampana roa, ka ahitana ireo fiteny balta sy ireo fiteny slava.
Ny vondrom-piteny keltika na seltika dia misampana roa, ka ahitana ireo fiteny keltika an-tanibe sy ireo fiteny keltika a-nosy (ireo fiteny gaelika sy ireo fiteny britônika).
Ny vondrom-piteny jermanika dia misampana telo, ka ahitana ireo fiteny jermanika atsinanana (fiteny maty) sy ireo fiteny jermanika avaratra ary ireo fiteny jermanika andrefana.
Ny vondrom-piteny helenika dia ahitana ny fiteny mikeniana, ny fiteny arkadiana, ny fiteny kipriôta, ny fiteny pamfiliana, ny fiteny grika taloha, ny fiteny grika kôine, ny fiteny grika vaovao, ny fiteny iôniana, ny fiteny beôtiana, ny fiteny lesbiana, ny fiteny tesaliana, ny fiteny makedôniana taloha, ny fiteny dôriana, ny fiteny eleana, ny fiteny etôliana, ny fiteny lôkriana ary ny fiteny fôkidiana.
Ny vondrom-piteny indô-iraniana dia ahitana ireo fiteny iraniana (na iranika) sy ireo fiteny indô-ariana ary ny fiteny noristany.
Mizara ho sampana telo ny vondrom-piteny italika, dia ireo fiteny latiniana (na latinô-faliska) sy ireo fiteny ôsko-ômbriana.
Fiteny manirery ny fiteny albaney sy ny fiteny armeniana.ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeanina.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiteny indô-eorôpeanina, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.