Fianakaviam-Piteny Tay-Kaday

Ny fiteny tay-kaday dia fianakaviam-piteny izay nantsoina hoe fiteny daîka tany aloha, izay ahitana fiteny miisa zato any ho any izay tenenina ao amin' ny saikanosin' i Indôsina sy any amin' ny faritra atsimo ao Sina ary tetenin' ny olona miisa 100 000 000 any ho any.

Fianakaviam-Piteny Tay-Kaday
Fitsinjaràn'ny fiteny ao amin'ny fianakaviana tay-kaday

Taloha, ireo fiteny tay-kaday dia nosokajina ho isan' ny fianakaviam-piteny sino-tobetàna, nefa tsy ny voambolana fototra no nanorenana izany fanasokajiana izany fa ny fisian' ny voanteny nifampindramana. Misy koa ireo mpahay teny izay te hampifanatona ny fiteny tay-kaday amin' ny fiteny aostrôneziana noho ny fahitana mpisolo, anaran' ny isa, anaran' ny fizaràn' ny vatana izay mitovy amin' ny an'ny fiteny aostrôneziana, nefa voanteny nifampindramana koa izany.

Ny sampan' ny fianakaviam-piteny tay-kaday

Ny fianakaviam-piteny tay-kaday dia mizara sampam-piteny maro, dia ny sampam-piteny kam-tay, ny sampam-piteny hlay, ary ny sampam-piteny kaday.

Ny sampam-piteny kam-tay

Ny sampam-piteny kam-tay dia mizara ho zana-tsampam-piteny kam-soy sy zana-tsampam-piteny lakja-be ary zana-tsampam-piteny tay.

Ny sampam-piteny hlay

Ny sampam-piteny hlay dia ahitana ny fiteny hlay sy ny fiteny kona.

Ny sampam-piteny kaday

Ny sampam-piteny kaday dia ahitana ny fiteny latsy, ny fiteny gelao, ny fiteny boianga, ny fiteny laha, ny fiteny kabiao ary ny fiteny ena.

Jereo koa

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny


Tags:

Fianakaviam-Piteny Tay-Kaday Ny sampan ny fianakaviam-piteny tay-kadayFianakaviam-Piteny Tay-Kaday Jereo koaFianakaviam-Piteny Tay-KadayFianakaviam-pitenyFitenyIndôsinaSina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fanjakan' ImerinaRoman PolanskiVatosoaTsindrimandry (fivavahana)AlakaosyFiteny malagasyMain PageAlemainaAntenimieram-pirenenaZanahary (finoan-drazana malagasy)Raki-pahalalanaFaritra AndroyHarin-karena faobeAntemoroMôsikaoKongonaMpaminanyQIT Madagascar MineralsOsyHasina (zavamaniry)FijyVintana (finoan-drazana malagasy)2001AndrianampoinimerinaMpandrindra milinaFivavahana abrahamika2012Paositra MalagasyIndôneziaAlahamadyFitsarana faranyGoaikaLalitraAsombolaAFanahyFoko eto MadagasikaraVondrona Eorôpeana1968SinaTrozonaPoaceae31 MartsaVolanaApôkrifan' ny BaibolyFaritanin' AntananarivoEvekaFisoronana sy fanalana vintanaSaint-Clément, AisneTsirinteny sara-droaDemôkrasiaJesoaDokuWikiFiteny tataraFiarahamoninaIsaia (mpaminany)ZanatenyKainaTovaloLuciano SpallettiPôlitika eto MadagasikaraFanekem-pinoana apôstôlikaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôLisitry ny gazety ao MadagasikaraFomban-drazana🡆 More