Fianakaviam-Piteny Sinô-Tibetana

Ny fiteny sinô-tibetana dia fianakaviam-piteny any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo Atsinanana sy Azia Afovoany ary Azia Atsimo.

Isan' io fianakaviam-piteny io ireo fiteny sinoa izay ahitana fiteny folo tetenin' ny olona miisa 1 350 000 000 any ho any, sy ireo fiteny tibetô-birmana izay ahitana fiteny miisa 330 any ho any ary tenenin' ny olona miisa 70 000 000 any hoany.

Fianakaviam-Piteny Sinô-Tibetana
Sarintany maneho ny fitsinjaran' ireo fiteny sino-tibetàna. Mena: sampam-piteny sinoa; mavo: sampam-piteny tibetika; maitso: sampam-piteny lôlô-birmàna

Ilay mpikaroka atao hoe Laurent Sagart dia nanolo-kevitra ny hampidirana ny fianakaviam-piteny sinô-tibetana sy ny fianakaviam-piteny aostrôneziana ao amin' ny fianakaviambem-piteny atao hoe sinôtibetana-aostrôneziana. Ireo fiteny aostrôneziana izay miely hatraty Madagasikara ka hatrany amin' ireo nosin' i Pasifika dia samy nipoitra avy any Taioàna, sady manana voanteny mifanahaka endrika sy hevitra amin' ireo fiteny fôrmôzana.

Misy sampana efatra lehibe ny fianakaviam-piteny sinô-tibetàna, dia: ny sampam-piteny sinoa na sinitika, ny sampam-piteny tibetika, ny sampam-piteny lôlô-birmàna ary ny sampam-piteny karena. Misy koa fiteny maro hafa izay tsy isan' ireo sampam-piteny ireo.

Ireo sampam-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny sino-tibetàna

Ny sampam-piteny sinoa na sinitika

Ny sampam-piteny sinoa na sinitika dia ahitana ny fiteny mandarina, ny fiteny oio, ny fiteny kantôney, ny fiteny minio, ny fiteny siangio, ny fiteny haka, ary ny fiteny ganio. Misa any amin' ny 1 300 tapitrisa ny mpiteny sinoa.

Ny sampam-piteny tibetika

Ny sampam-piteny tibetika dia ahitana ny fiteny tibetàna afovoany, ny fiteny tibetàna amdo, ny fiteny tibetàna kama, ireo fiteny jongka-koka, ireo fiteny ladaki-balty, ireo fiteny laholi-spity, ny fiteny kirong-kagata, ny fiteny serpa-jirela, ary fiteny maro hafa koa. Miisa 6 tapitrisa any ny mpiteny tibetika.

Ny sampam-piteny lôlô-birmàna na lôlô-birmana

Ny sampam-piteny lôlô-birmàna na lôlô-bormezy dia ahitana ireo fiteny mondzisy, ireo fiteny bormisy, ireo fiteny loloisy ary ireo fiteny mroiky. Miisa 33 tapitrisa any ho any ny mpiteny bormezy.

Ny sampam-piteny karenika

Ny sampam-piteny karenika dia ahitana ny fiteny paô, ny fiteny poô, ireo fiteny sgao–bgay.

Misy koa fiteny maro hafa izay tsy voasokajy ao amin' ireo sampam-piteny ireo, dia ny fiteny bodo-garo, ireo fiteny koki-tsina, ireo fiteny meitey, ireo fiteny tamangika, ireo fiteny bay, ireo fiteny jingfô-loisy.

Jereo koa

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny

Tags:

Fianakaviam-Piteny Sinô-Tibetana Ireo sampam-piteny ao amin ny fianakaviam-piteny sino-tibetànaFianakaviam-Piteny Sinô-Tibetana Jereo koaFianakaviam-Piteny Sinô-TibetanaAzia AfovoanyAzia AtsimoAzia Atsimo AtsinananaAzia AtsinananaFianakaviam-pitenyFiteny sinoa

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FotoanaBiôgrafiaSanta-Vinsanta-sy-GrenadinaSiddhartha GautamaFamorana1840Fifandraisan-davitraApôkrifan' ny BaibolyFanandroana malagasyLuciano SpallettiBrexitFiteny araboWilliam III an'i AngleteraArmeniaHabakokaNSorona masina31 MartsaZanatenyFady (malagasy)RasoherinaMeivazyAnjara asa (fitsipiteny)MaleziaFanjakan' ImerinaElliot ShevelAziaAndriamenaMark JerrumAsabotsyAsa AkiraFampakaram-bady tao KanàAdy Lehibe FaharoaGaliaFanekem-pinoana apôstôlikaFisoronana sy fanalana vintanaOsyMponina eto MadagasikaraTorkmenistànaTondra-dranoFanahy (kolontsaina malagasy)Tobim-pifohazanaPetra-kevitraGrisyAngatra (aretina)Foko eto MadagasikaraRaozyVolanaAntesakaBokin' ny mpaminany (Baiboly)DokuWikiArama (faritra)Current eventsTetiandro malagasyPôlitika eto MadagasikaraSakalavaTobilehibeTrombaRégis Rajemisa RaolisonFrantsaBokin' i IsaiaFifohazana Ankaramalaza849FitampohaFanjakan' i Israely (mitambatra)JesoaZavaboaryNôvambraIngosetiaLisitry ny gazety ao MadagasikaraSilamoKolontsainaMôsikao🡆 More