I Fijy dia firenena ao Ôseania.
Ny renivohiny dia i Suva. Ny tanàna lehibe indrindra dia Suva. 18,274 km2 ny velarany ary 858,038 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia +12.
Ny vondronosy izay anisan' i Melanizia dia 744 km any andrefana-avaratra-andrefan' i Tonga, 788 km atsimo-andrefan' i Wallis sy Futuna ary 1 067 km atsimon' i Tovalo (Tuvalu).
Taorian' ny fanonganam-panjakana nataon' i Frank Bainimarama tamin' ny 5 Desambra 2006 sy ny tsy nahavitana ny fifidianana tamin' ny 2009 dia noroahina tsy ho ao amin' ny Commonwealth ilay firenena ary naato tsy ho ao amin' ny Forum an' ireo Nosin' i Pasifika. Ny fanaovana fifidianana demôkratika tamin' ny Septambra 2014, avy eo tamin' ny 2018 sy tamin' ny 2022, noraisin' ireo fikambanana roa ireo, dia nitarika ny famerenana tanteraka an' i Fijy ho ao amin' ny Commonwealth.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fijy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.