Zoma

Ny Zoma dia andro fahadimy ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahenina kosa raha ny Alahady no andro voalohany.

Ny Zoma dia andro fahadimy ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahenina kosa raha ny Alahady no andro voalohany. Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro faharoa ny Zoma raha andro voalohany ao amin' ny herinandro ny Alakamisy.

Fiforonan-teny

Ny teny malagasy hoe Zoma na Azoma na Joma dia avy amin'ny teny arabo hoe الجمعة / al-jum‘ah izay midika hoe "andro fahenina".

Ny andro Zoma eo amin' ny kolontsaina makagasy

Laharan' ny andro Zoma ao amin' ny herindro

Andro faharoa ny Zoma teo amin' ny Ntaolo malagasy.

Finoana momba ny andro Zoma

Andro mainty ny Zoma ka mety amin' ny fandevenana, toy ny Alatsinainy. Atao hoe "Zoma manantena" ny andro Zoma.

Ohabolana momba ny andro Zoma

  • Ny akoho no tsy nanidina : tsy nahandry ny andro Zoma.
  • Ny Alakamisy an' Andriamanelo, ary ny Zoma an' Andriamananitany ; ataoko fanjakana arindra.
  • Zoma tsy hendry, ka Asabotsy vao fiharatra.

Jereo koa

This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Zoma, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.

In other languages:

/** SHOW / HIDE SECTION**/function mfTempOpenSection(getID) {var x = document.getElementById("mf-section-"+getID); if (x.style.display === "none") { x.style.display = ""; } else { x.style.display = "none"; }}