Ny volana Jolay dia volana fahafoto ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana, ary volana fahefatra amin' ny volana fito misy 31 andro.
Amin' ny ankapobeny dia volana mafana indrindra any amin' ny ampahany be amin' ny ila bolantany avaratra ny volana Jolay sady sady volana faharoa amin' ny fahavaratra any amin' io ila-bolantany io. Ny volana Jolay koa dia volana mangatsiaka indrindra any amin' ny ampahany be amin' ny ila bolantany atsimo, sady volana faharoa amin' ny ririnina any amin' io ila-bolantany io. Manomboka amin' ny volana jolay ny tapany faharoa amin' ny taona. Ny volana Jolay any amin' ny ila bolantany atsimo dia mitovy amin' ny volana Janoary any amin' ny ila-bolantany avaratra.
Nomen' ny Antenimieran-doholona Rômana io anarana io ilay volana ho fanomezam-boninahitra ny jeneraly rômana Jolio Kaisara tamin' ny taona 44 tal. J.K., izay volana nahaterahany. Talohan' izay dia nantsoina hoe Quintilis (midika hoe "fahadimy") izy io, izay volana fahadimy tao amin' ny tetiandro manomboka amin' ny Marsa.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Jolay, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.