Alahady

Ny Alahady dia andro fahafito ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no atao andro voalohany fa andro voalohany kosa izy raha ny Alatsinainy no atao andro faharoa.

Andro fahefatra izy ho an' ny herinandro manomboka amin' ny Alakamisy.

Ny Alahady eo amin' ny kolontsaina malagasy

Fiforonan-teny

Ny teny malagasy hoe Alahady na Lahady dia avy amin' ny teny arabo hoe الأحد / al-aḥad izay midika hoe "ny voalohany".

Laharan' ny Alahady ao amin' ny herinandro

Andro fahefatra ny andro Alahady ao amin' ny herinandro manomboka amin' ny Alakamisy.

Ny finoana momba ny Alahady

Andro mahery ny andro Alahady, noho izany dia tsy mety ny manao fandevenana, raha tsy folanandro.

Ny Alahady ao amin' ny kolontsaina niharan' ny kristianisma

Fiforonan-teny

Ny anarany amin' ny fiteny eorôpeana maro (ohatra, frantsay: dimanche, italiana: domenica, espaniôla: domingo) dia avy amin' ny andian-teny latina hoe Dies Dominicus, izay midika hoe "andron' ny Tompo". Amin' ny teny anglisy sy amin' ny teny alemàna anefa ity andro ity dia atao hoe Sunday sy Sonntag izay fandikana ny andian-teny latina hoe Dies Solis izay midika hoe "Andron’ ny Masoandro".

Ny fanoloana ny Sabata ho Alahady

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. dia nasolo ny Sabata ny Alahady tao amin' ny fiangonana kristiana ary nankalazaina ho fahatsiarovana ny nitsanganan' i Jesoa Kristy tamin' ny maty sy ny fidinan' ny Fanahy Masina tamin' ny Apôstôly. Ny emperora Kônstantino I no nanokana ny andro Alahady tamin' ny taona 321 ho andro fitsaharana, fialan-tsasatra, natao manokana hanompoana an' Andriamanitra. Tamin' izany dia noraràna tsy hatao amin' ny andro Alahady ny asam-pitsarana sy ny asa tanana.

Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-5 dia nanomboka nametraka fitsipika momba ny asa atao amin' ny Alahady ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Alahady Ny eo amin ny kolontsaina malagasyAlahady Ny ao amin ny kolontsaina niharan ny kristianismaAlahady Jereo koaAlahady Loharano sy fanamarihanaAlahadyAlakamisyAlatsinainyAndroHerinandro

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Dimilafy21 JanoaryAndriamasinavalonaFanandroana malagasyAljeria512Fanahy Masina (kristianisma)Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaMatioLolo vokatraKristianaKabary am-panambadianaLisitry ny gazety ao MadagasikaraAdy Lehibe FaharoaFiteny indô-eorôpeaninaFanjakana MitambatraIndôneziaZavamananainaNosy576Ry Tanindrazanay malala ôGamal Abdel NasserPapoa (vahoaka)14 AogositraFiteny hebreoBessaMarovatoSikidy (malagasy)AdaloLoko litorjikaEfesôsy1525Fahaterahan' i JesoaFahendren' i SôlômônaVolahavana GermaineAndevo (teto Madagasikara)OmbiasaMpaminany lehibeBetsileoAkohoKabary famangianaTsimihetyAndriamanitra (tokana)AlahasatyBaibolyPôlitika eto MadagasikaraAmboasary SudFitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto MadagasikaraLiteraBaiboly katôlikaElvis PresleyTempoly Faharoan' i JerosalemaTanyFidangan' ny vidim-piainanaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Fiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraTorkmenistànaTetiandro malagasySakalavaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)1871Didy FoloFilazantsara araka an' i MatioEstepa de San JuanGregor MendelRadama IIKroazadaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaFilôzôfiaMpampitohy (fitsipiteny)Hazokesika1752🡆 More