}}
| |||||
Teny filamatra : Freedom and Justice Fahalalahana sy Fahamarinana | |||||
Teny ofisialy | Anglisy | ||||
Renivohitra | Accra 5°33′N, 0°15′W | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Accra | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha | Repoblika Nana Akufo-Addo | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) | faha 78 238 540 km² 3,5 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka | faha 48 23 382 848 mpo. 88 mpo./km² | ||||
Anaran'ny mponina | Ghaneana | ||||
Sandam-bola | Cedi (GHS ) | ||||
Faritr'ora | UTC +0 | ||||
Hiram-pirenena | Hail the name of Ghana | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby | +233 |
Ny Ganà na Repoblikan' i Ganà dia firenena any Afrika andrefana ao amin' ny faritry ny Helodranon' i Ginea, izay manana velaran-tany mirefy 238 540 km². Ny firenena manodidina azy dia i Kôtidivoara any andrefana, i Borkina Fasô any avaratra ary i Tôgô any atsinanana. Nisy mponina 29 340 248 tao tamin' ny taona 2020. Ny renivohiny dia ny tanàn' i Accra ary Ganeana no anaran' ny mponina ao aminy.
Firenena be lembalemba iva eo afovoan' ny lemaka amorontsiraka ao atsimo i Ganà. Izany lemaka izany dia tondrahan' ireo Volta telo, dia i Volta Mainty sy i Volta Fotsy izay mihaona ka manome an' ny ony Volta; miampy ny ony Oti. Namorona ny farihy Volta ny fanamboarana ilay tohadranon' i Akosombo tamin' ny taona 1966 ao atsimo, izay tohadrano voatr' olombelona fahefatra lehibe indrindra maneran-tany. Mandrakotra ny ampahatelon' ny velaran-tanin' ilay firenena ny fatrana nirian-kazo. Mampihena ny zavamaniry ao amin' ity firenena ity anefa ny haintany sy ny fitrandrahana ala tafahoatra.
Vondrom-poko mihoatra ny dimampolo no mandrafitra ny vahoaka ganeana. Maro anisa ny Kristiana nefa misy ihany koa ny manaraka ny fivavahan-drazana sy ny fivavahana silamo.
Miompana amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Ganà, ka volena amin' izany ny kakaô (izay maha laharana fahatelo an' ity firenena ity manetan-tany), ny kafe, ny landihazo, ny katsaka ary ny ampemba; ompiana any ny omby. Mitrandraka hazo koa ny mponina any. Mandroso ny fanjonoana. Manana harena an-kibon' ny tany i Ganà ka ny baoksita sy ny diamondra (izay maha laharana fahavalo azy maneran-tany) ary ny volamena no tena trandrahana any. Mandroso ny sehatry ny taozava-baventy raha mitaha amin' ny an' ireo firenena hafa aty Afrika. Firenena mpikambana ao amin' ny CEDEAO i Ganà. Ny sandam-bola dia ny Cédi.
Tsy misy fifandraisana ara-jeôgrafia na ara-tantara amin' ny Empiran' i Gana i Ganà ankehitriny. I Ganà ankehitriny, izay nantsoina hoe Côte-de-l'Or taloha, dia novain' i Kwame Nkrumah anarana ho fahatsiarovana ny Fanjakan' i Ganà taloha tamin' ny fahaleovan-tena. Ny anarana Côte-de-l'Or dia avy amin' ny habetsaky ny volamena.
Ny fiteny ôfisialy dia fiteny anglisy, ny teny ampiasain' ny be sy ny maro dia ny fiteny toy.
Kôntinenta eto an-tany
|
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ganà, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.