| |||||
Teny filamatra : ليبيا، ليبيا ، ليبيا Libia, Libia, Libia' | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | arabo klasika | ||||
Renivohitra | Tripoli 32°54'8"N, 13°11'9"E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Tripoli | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoham-pirenena Praiminisitra | Repoblika Mohammed el-Menfi Abdul Hamid Dbeibeh | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) | faha 17 1 759 540 km² Azo tsy raharahiana | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka | faha 104 6 173 579 mpo. 3,13 mpo./km² | ||||
Anaran'ny mponina | Libianina | ||||
Sandam-bola | Dinar libianina (LYD ) | ||||
Faritr'ora | UTC +2 | ||||
Hiram-pirenena | Allahu Akbar | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby | +218 |
I Libia dia firenena any Afrika Avaratra, izay manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Mediteranea, manana velaran-tany mirefy 1 757 000 km². Mpikambana ao amin' ny liga arabo i Libia. Izy no firenena be velarana indrindra aty Afrika. Ny tany efitr’ i Libia dia mandrakotra ny 99 %n’ ny tanin’ i Libia. Ny tany sisa azo volena sy misy zavamaniry hohanin’ ny biby fiompy dia ny ampahany manaraka ny morontsiraka (faritra Tripôlitàna sy Kirenaîka). Ity firenena ity dia voafaritry ny ranomasina Mediteranea any avaratra, i Aljeria (982 km) sy i Tonizia (459 km) any andrefana, i Nizera (354 km) sy i Tsady (1 055 km) any atsimo ary i Sodàna (383 km) sy i Ejipta (1 115 km) any atsinanana.
Ny anarana hoe Libia dia avy amin' ny anarana foko berbera Libu, nanome ny anarana grika Libiyè.
Atao hoe Libiana ny vahoakan' io firenena io. Ny ankamaroan’ ny mponina ao Libia dia Arabo sady Miozolmana. Ny 2/3n’ ny Libiana dia monina amin’ ireo faritra a-morontsiraka fa ny tany efitra kosa dia onenan’ ireo foko tsy dia miorim-ponenana loatra.
Talohan’ ny fahitana voalohany ny solitany tamin’ ny taona 1958 dia niankina tamin’ ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Libia. Niova izany toe-javatra izany taorian’ ny fahafantarana ny fisian’ ny tahirin-tsolitany voajanahary: miankina amin’ ny fandiovan-tsolitany sy ny taozava-baventy momba ny solitany ny toekaren' i Libia.
Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialin' i Libia.
Firenena ao Afrika:
Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe
Kôntinenta eto an-tany
sokajy Libia ao amin'ny dmoz
Video
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Libia, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); Libia Wiki additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.