Senegaly

I Senegaly dia firenena ao Afrika Andrefana, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 196 722 km².

I Dakar no renivohiny. Manodidina tanteraka an' i Gambia i Senegaly. Iva ny tanin' i Senegaly, izay vakivakin' ny ony Sénégal (mirefy 1 600 km, manasaraka azy amin' i Maoritania ao avaratra) sy ny ony Gambia (ao atsimo).

Senegaly
Sainan' i Senegaly
Senegaly
Toerana misy an' i Senegaly eto amin' izao tontlo izao
Senegaly
Sarin-tanin' i Senegaly

Ny tapany avaratr' i Senegaly dia ao amin' ny faritr' i Sahel, izay rakotra hivoka anirian-kazo madinika, ny tapany atsimo kosa dia rakotra alan-jana-pehin-tany mikitroka sy mando. Manana toetanin-jana-pehin-tany i Senegaly. Atao hore Senegaley ny vahoakan' io firenena io.

Ahitana vondrom-poko maro ny vahoaka senegaley, ka ny lehibe aminy dia ny Vôlôfo, ny Folany ary ny Malinke. Ny fivavahana silamo no fivavahan' ny vahoaka maro anisa any.

Miopana amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Senegaly, indrindra ny fambolena voanjo. Anisan' ny asa fiveloman' ny maro any koa ny jono. Monina a-morontsiraka ny ankamaroan' ny mponina, indrindra any amin' ny faritra afovoany misy fambolena voanjo. Anisan' ny olana eo amin' ny fambolena ny haintany. Mampandroso ny fambolena voatabia sy vary ary fary koa ny any Senegaly. Mandroso koa ny sehatry ny fizahàn-tany.

Zanatany frantsay taloha i Senegaly izay nahazo ny fahaleova-tenany tamin' ny taona 1960. Ny fiteny frantsay, ny fiteny oôlôfo, ny fiteny serere, ny fiteny mande ary ny fiteny folany no fiteny ôfisialin' i Senegaly.

Jereo koa

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizerià - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Afrika AndrefanaDakarGambiaGambia (ony)MaoritaniaRanomasimbe AtlantikaSénégal (ony)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

OlombelonaTeknôlôjiaBokin' ny FitomanianaReneilwe LetsholonyaneSakafo malagasyArtinsLee David ZlotoffMpiandry tsaraLudwig WittgensteinJyrki NieminenAzia540AsabotsyTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô28 JanoaryJeanne d'ArcJacques AbardonadoNikolaï Ivanovitch LobatchevskiMikhaïl Dolivo-DobrovolskiFifandraisan-davitraWalley BarnesApôstôly roa ambin' ny foloJairaCraintilleuxfiompianaBilaNGC 4088AndriamasinavalonaSigfrid EdströmPiet van ReenenFiteny maratyAlahasatyGadsden, AlabamaEvekaArbusignyJannero PargoKabary am-panambadianaRadama IIMpampiankina fehezankevitraKabary tera-baoMarolafy (jeômetria)Kafe (fisotro)Ranomasina MediteraneaFiteny koàFanjakan' i MenabeLignon, MarneRepoblika Demôkratika MalagasyWikiEpistily voalohany ho an' ny KôrintianaTempolin' i JerosalemaIbitingaBernardino ZendriniArkady OstashevAngôvon'ny masoandroVaryKristianisma eto MadagasikaraAndrianampoinimerinaSão Bernardo do CampoFilôzôfiaKelsôsyLuiz Inácio Lula da SilvaNGC 5068Firaisana ara-nofoSonySarielaPedra BonitaJacques de MorganFiteny slavônika tranainyWillowbrook, KansasJapànaGuelph🡆 More