Sorinama

I Sorinama na Sorinamy dia firenena ao Amerika Atsimo manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika.

I Paramaribo no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra any. Ny faritr' ora dia -3. Mirefy 163 821 km2 ny velarany ary miisa 566 846 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Misy vondrom-poko maromaro ny ao Sorinama: ny Indô-Pakistaney (mihoatra ny 35 %), ny Kreôla (mahery kelin' ny 30 %), ny Indôneziana (15 %) ary ny Afrikana mainty hoditra (10 %). Ny hindoisma sy ny kristianisma ary ny silamo no fivavahana be mpanaraka any.

Sorinama
Sainan' i Sorinama
Sorinama
Toerana misy an' i Sorinama eto amin' izao tontolo izao
Sorinama
Sarin-tanin' i Sorinama

Ny vohon-tanin' i Sorinama dia ahitana lemaka amorontsiraka be honahona any avaratra, sy lembalemba ao afovoan-tany, ary faritra be tendrombohitra rakotra ala mikitroka any atsimo. Renirano maro no mamakivaky an' ity firenena ity.

Ny toekaren' i Sorinama dia mifototra amin' ny harena an-kibon' ny tany (baoksita, vy, varahina ary nikela) ary koa amin' ny fitrandrahana hazo ao amin' ny ala midadasika.

Zanatany neerlandey taloha i Sorinama izay nahazo ny fahalevan-tenany tamin' ny taona 1975.

Jereo koa

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Amerika AtsimoHindoismaKristianismaParamariboRanomasimbe AtlantikaSilamo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Sorona masinaFaritra ItasyFaritra eto MadagasikaraZanabintanaFitaovam-piadianaHabakabakaAostraliaAlarobiaSoisaMa Ying-jeouHavatsa-UPEMHabakokaFanalana faditraAast, Pyrénées-AtlantiquesFaritra AndroyMalakiaKabary tera-baoZahaPôlitika eto MadagasikaraFanekem-pinoana apôstôlikaHasina (hery tsy hita maso)Mpamari-toetraMasikoroSanta-Vinsanta-sy-GrenadinaFilôzôfiaRy Tanindrazanay malala ôMontanaLaurent CantetFanjanahantanyÔseaniaJohn DaltonAnthiyurFamoranaHelsinki2001BetsimisarakaOsyEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyFotoanaTetiandro malagasyLanitra (finoana)GovernemantaEpistily ho an' ny RômanaFrantsaFahasalamanaAratraForyFifohazana FarihimenaFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoZanatenyTrozonaDarryl StarbirdBorondyAntambahoakaMponina eto MadagasikaraKainaDokuWikiANjakatianaRenivintanaTondra-dranoMeivazyZanahary (finoan-drazana malagasy)DemôkrasiaMain PageAndrianaRepoblika MalagasyIndiaTontolo iainanaAdizaoza🡆 More