Renivintana

Ny renivintana na renim-bintana dia ireo vintana amin'ny fanandroana malagasy izay mifanandrify amin'ny zoro efatra amin'ny trano, ka ireto avy izy ireo: ny Alahamady, ny Asorotany, ny Adimizana ary ny Adijady.

Ny renivintana iray dia manana zanabintana roa ka ny iray babeny ary ny iray trotroiny. Mifandratra amin'ny renivintana iray hafa ny renivintana tsirairay sady lazaina fa mitanila sy miarina eo amin'ny zanabintan'ilay renivintana mifandratra aminy. Araka ny finoana dia samy mamaritra ny toetran'ny olona teraka aminy sy ny hatsara na haratsin'ny zava-mitranga na ny asa tanterahina aminy ny renivintana tsirairay.

Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo avy ny renivintana tsirairay, izay atao hoe "vava" sy "vonto" ary "vody". Izany no mampisy ny hoe "vava Alahamady" sy "vonto Alahamady" ary "vody Alahamady". Tsy toy izany ny zanabinta izay tsy mitondra afa-tsy tonon'andro roa, dia "vava" sy "vody".

Ny amin'ny renivintana

Alahamady

Ny Alahamady no volana sy vintana voalohany amin'ny fanandroana. Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adaoro ny Alahamady fa mifandratra amin'ny Adimizana nefa mitanila eo amin'ny Asombola sy Alakarabo izay iandrianany sy iarenany ny izy.

Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Alahamady, dia vava Alahamady sy ny vonto Alahamady ary ny vody Alahamady. Ny vava Alahamady ao amin'ny volana Alahamady dia atao hoe Alahamadibe. Manaraka ny vody Alahamady ny vava Adaoro.

Inoana ho vintan'andriana sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady sady inoana koa ho vintana mahery.

Asorotany

Vintana sy volana fahefatra ny Asorotany. Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy. Mibaby ny Adizaoza sy mitrotro ny Alahasaty ny Asorotany. Mifandratra amin'ny Adijady nefa mitanila sy miarina eo amin'ny Alakaosy sy Adalo izy.

Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Asorotany, dia vava Asorotany sy ny vonto Asorotany ary ny vody Asorotany. Manaraka ny vody Asorotany ny vava Alahasaty.

Andro mahery, araka ny finoan-drazana malagasy, ny Asorotany.

Adimizana

Ny Adimizana no vintana sy volana fahafito. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy. Mitrotro ny Alakarabo sy mibaby ny Asombola ny Adimizana. Ny Adimizana dia mifandratra amin'ny Alahamady sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alohotsy sy ny Adaoro.

Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Adimizana, dia vava Adimizana sy ny vonto Adimizana ary ny vody Adimizana. Manaraka ny vody Adimizana ny vava Alakarabo.

Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely an'izay teraka aminy.

Adijady

Vintana sy volana fahafolo ny Adijady. Ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy. Mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy ny Adijady. Mifandratra amin'ny Asorotany sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alahasaty sy ny Adizaoza ny Adijady.

Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Adijady, dia vava Adijady sy ny vonto Adijady ary ny vody Adijady. Manaraka ny vody Adijady ny vava Adalo.

Vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy".

Jereo koa

Tags:

Renivintana Ny aminny renivintanaRenivintana Jereo koaRenivintanaAdijadyAdimizanaAlahamadyAsorotanyZanabintana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny irlandeyHelodranon' AmpasindavaBatmanFaritra AndroyEstôniaTetiandro malagasyDajjalEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Sochi17 MartsaTed LyonsRepoblikan'i WeimarAnglikanismaFilôzôfiaX-SAMPABokin' ny mpaminany (Baiboly)Masindahy NikôlaRemiencourtKalamVertonVohiposaMoctezuma IITetiandro gregôrianaDurrësBarrie894Sunan al-SughraWoodie FlowersBelo HorizonteBaskin-RobbinsEntimilazaVoltaireTena Fiangonan' i JesoaBetsimisarakaOnjam-peoWikiFiangonana Jesosy MamonjyMalỳRaúl AlbiolKasaokaDokuWikiVaryEstera (ao amin'ny Baiboly)11 NovambraNizeriàWikipediaBielôrosiaIrlandaCocoa Beach, FloridaMcMechen, West VirginiaNeôplatônismaLalàmpanorenanaFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010Fath al-BariMpitsara ao amin' ny BaibolyFandriam-pahalemanaMpanakanto malagasyLisitry ny zavatra madinidinika 44001-450001922Herman Francis MarkFiangonana Loterana MalagasyAndriamanitra (tokana)DemôkrasiaISO 3166-1Brienne-sur-AisneAC/DCTeteTantara ny Andriana eto Madagasikara17546 FebroaryHuai'anThe Beatles🡆 More