Zaha

Ny zaha na renala na reniala na bontona na baobaba dia hazo tsy misy afatsy eto Madagasikara sy any Aostralia ary ao Afrika.

Hazo trôpikaly mamorona vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Bombacaceae araka ny fanasokajiana klasika taloha, na ny ao amin' ny fianakaviana Malvaceae araka ny fanasokajiana filôjenetika izy. Adansonia no anarany ara-tsiansa.

Zaha
Zaha
Zaha
Lalana misy zaha

Misy karazany sivy izy maneran-tany, ny fito amin' ireo dia eto Madagasikara no misy azy ary enina amin' izay dia tsy misy afatsy eto ihany, no roa kosa dia miparitaka amin' ireo faritra hafa voalaza etsy ambony. Hazo makadiry ny zaha, izay mety hahatratra hatramin' ny 40 m ny haavony, misy koa anefa ireo izay somary fohifohy 4 m na 5 m. Mety ho velona mandritra ny 1 000 taona na maherin' izany aza izy raha tsy misy manimba. Mbola eo koa ireo voka-tsoa betsaka azo avy aminy, na fanafody izany na zavatra hafa. Azo atao sakafo sy fampiasana amin' ny fanaingoana vatana ny voany. Na ny tahony, na ny raviny, na ny hodiny, ny voany, dia tsy misy very fa azo ampiasaina avokoa.

Zaha
Adansonia grandidieri

Ny karazany

  • Adansonia digitata – African Baobab (northeastern, central & southern Africa)
  • Adansonia grandidieri – Grandidier's Baobab (Madagascar)
  • Adansonia gregorii (syn. A. gibbosa) – Boab or Australian Baobab (northwest Australia)
  • Adansonia madagascariensis – Madagascar Baobab (Madagascar)
  • Adansonia perrieri – Perrier's Baobab (North Madagascar)
  • Adansonia rubrostipa (syn. A. fony) – Fony Baobab (Madagascar)
  • Adansonia suarezensis – Suarez Baobab (Diego Suarez, Madagascar)
  • Adansonia za – Za Baobab (Madagascar)

Jereo koa

Rohy ivelany

Tags:

AfrikaAostraliaHazoMadagasikara

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

4.idMahajangaFirenenaTetiandro sinoaOklahomaDokuWikiHetraBetsileoVoambolana6328 AprilyAlemainaMohammad Reza PahlaviDinan' i VarsoviaAfrika AtsimoMerneptàWiki73Sam MalinOvyZ1793ZômbyMadagasikara zanatany frantsayZomaSekoly42ZafisoroSikidy malagasyRajoelina AndryFiarakaretsakaJunqan19301584HadiryAndriamisaraFady (malagasy)1977Efijery kasihinaJohn Fitzgerald KennedyRano61Faritra eto MadagasikaraAmy BriggsAlohotsyInjenieraForyNepaly55Finlandy1965TsadyTTranonkalaNosyMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraMpandrindra milinaChristopher Nolan407Henôteisma15TobilehibeJRambondanitraAtena1910Fanavaozana pôtestanta1949MenalambaFitodika sehatraNederlandyFirenena Balta68SeillonnazMary CassattAlbania🡆 More