Sam Malin

I Sam Malin (teraka tamin' ny 29 Septambra 1963), tera-tany kanadiana, dia lehiben' orinasa mipetraka eto Madagasikara, tale jeneralin' ny Madagascar Oil, orinasa mpikaroka sy mpamokatra solitany sy etona fandrehitra, mifantoka indrindra amin' ny fitrandrahana ny fihandronan-tsolika mavesatra ambanin' ny tany (Bemolanga sy Tsimiroro) ary koa amin' ny fandinihana ny tetikasa momba ny solitany tsy voadio sy ny etona fandrehitra mihandrona ambanin’ny tany eto Madagasikara.

Tamin' ny taona 1994 i Malin no niasa voalohany teto Madagasikara. Io taona io no nanorenany ny orinasa Madagascar Oil niaraka tamin' i Robert Nelson, Michael Smith ary Alan Bond (mpandresy tamin' ny fifaninanana an-tsambo lay "Coupe de l'America" tamin' ny taona 1983). Taorian' ny nahazoany ny mari-pahaizana momba ny jeôfizika tao amin' ny Oniversiten' i Queens any Kanada, dia niditra niasa tao amin' ny orinasa Dome Petroleum izy amin' ny maha jeôfizisiana azy.

Nanaraka fiofanana ambony tao amin' ny Oniversiten' i Cambridge any Angletera izy avy eo, talohan' ny niarahany niasa tamin' ny "Arthur D. Little" izay fitambarana consultants iraisam-pirenena ary izany dia tao amin' ny biraon-drizareo ao Londres. Nifantoka tamin' ny tetikasa ara-toekarena momba ny solitany sy ny etona fandrehitra ary ny fifampiraharahana momba ny fizaràna ny vokatra ny asany tamin' izany. Hatramin' izay dia tompon' andraikitry ny faminavinàna ny mety ho vidin' ny solitany ao anatin' ny fotoana fohy tao amin' ny Standard & Poor's DRI i Malin. Efa nanatanteraka asa maro teo anivon' ny indostrian' ny solitany sy etona fandrehitra koa izy, ary tao anatin' izany ny sehatry ny filàn-kevitra sy fanadihadiana ho an' ireo fandaharan' asan' ny Vondrona Eorôpeana.

Jereo koa

Fanovozan-kevitra

Tags:

BemolangaEtona voajanaharyMadagascar OilMadagasikaraSolitanyTsimiroro

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

1929Fiteny malagasyFrancis DrakeSilamoRosiaWordPressFrantsaMpitsara ao amin' ny BaibolyBagdadTômasy avy any AkoinoFJKM Tranovato AmbatonakangaThe BeatlesOhabolanaLevy (zanak' i Jakôba)Sahih al-BukhariGeorges AndriamanantenaFiteny anglisyPedro II an'i BrazilaMouvement Démocratique de la Rénovation MalgacheMoctezuma IISahih MuslimVanim-potoana mesianikaFederico PescettoSamuel RatanySiddhartha GautamaSiliaAmôna-Ra9 DesambraNampula (faritany)Lazaina (fitsipiteny)(89128) 2001 UP719496 JonaTanakhFarihy NyassaSokajin-tenyEntimilazaL'Express de MadagascarMouhammad al-BoukhârîOndrilahy (antokon-kintana)Alaska1997Andron' ny MesiaRoman PavlioutchenkoPalestinaFiteny albaneyArsène WengerTheodore WhartonZon' olombelonaTobilehibeSamaritanaLeopold II, mpanjakan' i BelzikaRun Run ShawPentekôstaŌitaMarcos Senna1927Tetiandro malagasyFrancisco Javier Muñoz LlompartHugo ChávezISO 3166-1MozillaAmerikaTongstenaSipra AvaratraFihafanan'ny tanyFiteny soahilyEpistilin' i PaolyMpanakanto malagasy1922Adijady🡆 More