I Seisely na Repoblikan' i Seisely firenena tamba-nosy ahitana nosy miisa 115 ao amin' ny Ranomasimbe Indiana, ao atsimo-atsinanan' ny kontinentan' i Afrika, (1 600 km avy ao Kenia), ary ao avaratra-atsinanan' i Madagasikara.
Mirefy 454 km² ny velerany. Atao hoe Seiseloà ny vahoakan' ity firenena ity.
| |||||
Teny filamatra : « Finis coronat opus » (Ny farany no mandravaka ny asa) | |||||
Teny ofisialy | kreolin'i Seychelles, anglisy, frantsay | ||||
Renivohitra | Victoria 4°37′S, 55°27′E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Victoria | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha | Repoblika Wavel Ramkalawan | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) | faha 179 455 km² Azo tsy rarahina | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka | faha 182 82 247 mpo. 181 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Seiseloa | ||||
IDH (2004) | ▲ 0,842 (ambony) faha 47 | ||||
Sandam-bola | Ropia (SCR ) | ||||
Faritr'ora | UTC +4 | ||||
Hiram-pirenena | Koste Seselwa | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby | +248 Endrika:Notes pays |
Mitambatra ho firenena ireo nosy kely ireo ary ao amin' ny nosy Mahé no misy an' i Victoria renivohitra. Atao hoe Seychelles na Republic of Seychelles, izy amin' ny teny anglisy, fa Sesel na Repiblik Sesel, kosa amin' ny teny kreôly seiseloà, atao hoe Seychelles na République des Seychelles amin' ny teny frantsay.
Zanatany britanika i Seisely. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth sy ao amin' ny Francophonie izy. Telo ny fiteny ôfisialin' i Seisely, dia ny fiteny kreôly seiseloà, ny fiteny frantsay ary ny fiteny anglisy.
Misy nosy 42 - ireo "nosy any anatiny" - mahasahana ny 45 %-n'ny velaran-tany manontolo (244 km²), saingy mahafaoka ao anatiny ny 98 %-n' ny mponina ao Seisely. Ao koa ireo "nosy granitika" miisa 40 izay saika manodidina ny nosy Mahé avokoa. Feno harambato ny ankamaroany ary tery ny morontsirak' ireo nosy ireo. Ny lehibe indrindra amin' izy ireo dia:
Ao koa ireo nosy roa any avaratra dia:
Tsy nisy ny tena mponina tompon-tany tao Seychelles. Taranaky ny mpifindra monina eorôpeana, sinoa, indiana ary afrikana ny ankabeazany. Ny finoana kristiana, indrindra indrindra katôlika no arahin' ny ankamaroan' ny mponina.
Ny fizahan-tany no tena iankinan' ny toe-karena ao Seisely. Mandroso be ihany koa ny fanjonoana amin' ny fomba maoderina. Ny Port-Victoria no anisan' ny seranana lehibe amin' ny fanondranana trondro ao amin' ny Ranomasimbe Indiana. Misy ao an-toerana ny ozinina mpanao ny trondro amin' ny boaty. Mivarotra solitany koa i Seisely.
I Seisely dia ahitana distrika 23.
Firenena ao Afrika:
Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Seisely, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.