Ny Mpitondra Rano dia antokon-kintan'ny zôdiaka andalovan'ny masoandro amin'ny 16 Febroary hatramin'ny 11 Marsa.
Ny antokon-kintan'ny Tandrok' Osy no eo andrefany fa ny an'ny Hazandrano kosa no eo atsinanany.
Avy amin'ny teny arabo hoe ادلو / Al-Dalu io antokon-kintana io, izay niavian'ny anaran' ny vintana sy ny vilana malagasy hoe Adalo. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Aquarius na amin'ny teny frantsay hoe Verseau. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Υδροχόος / Hudrokhoos (na Hydrokhoos) . Amin'ny teny soahily dia atao hoe Dalu na Ndoo io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Dalwu na Timba koa izy.
Ny evan' ny zôdiaka Mpitondra Rano, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 21 Janoary hatramin' ny 19 Febroary.
Antokon-kintan' ny zôdiaka:
Evan' ny zôdiaka:
Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Mpitondra Rano (antokon-kintana), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.