Evan' Ny Zôdiaka

Ny evan' ny zôdiaka dia ireo kisary sy anarana ampifanandrifina amin' ny faritry ny lanitra miisa roa ambin' ny folo, dia ireto avy amin' ny teny malagasy: Ondrilahy, Ombilahy, Kambana, Foza, Liona, Virijiny, Mizana, Maingoka, Mpitifitra Tsipika, Tandrok' Osy, Mpitondra Rano, ary Hazadrano.

Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ireo fari-danitry ny evan' ny zôdiaka ireo dia tsy mitovy amin' ny fotoana idiran' ny masoiandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny zôdiaka. Ny zôdiaka foronin' ny evan' ny zôdiaka dia atao hoe zôdiaka mikisaka fa ilay foronin' ny antokon-kintan' ny zôdiaka kosa dia atao hoe zôdiakan-kintana.

Ny anaram-bolana avy amin' ny teny arabo ao amin' ny tetiandro malagasy dia anaran' ny evan' ny zôdiaka sy anaran' ny antokon-kintana nefa efa tsy mifanandrify ny fotoan' ny volana malagasy sy ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny antokon-kintana mitovy anarana aminy.

Ny evan' ny zôdiaka araka ny fanandroana tandrefana

Ondrilahy

Ny Ondrilahy no vintana voalohany ao amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny Ondrilahy ao amin' ny zôdiaka mikisaka (frantsay: zodiaque tropique) dia eo anelanelan' ny 21 Marsa sy 20 Avrily. Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Ondrilahy anefa dia manomboka amin' ny 18 Avrily hatramin' ny 13 Mey.

Ombilahy

Ny Ombilahy no vintana faharoa ao amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny Ombilahy ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia avy eo amin' ny 21 Mey ka miafara amin' ny 20 Jona. Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Ombilahy dia amin' ny 13 Mey hatramin' ny 21 Jona.

Kambana

Ny Kambana no vintana fahatelo ao amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny fotoan' ny Kambana ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia avy eo amin' ny 21 Mey ka miafara amin' ny 21 Jona. Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Kambana dia amin' ny 21 Jona hatramin' ny 20 Jolay.

Foza

Ny Foza no vintana fahefatra ao amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny fotoan' ny Foza ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia avy eo amin' ny 22 Jona ka miafara amin' ny 22 Jolay. Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Foza dia amin' ny 20 Jolay hatramin' ny 10 Aogositra.

Liona

Ny Liona no vintana fahadimy amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny fotoan' ny Liona ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia manomboka amin' ny 23 Jolay ka miafara amin' ny 22 Septambra. Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Liona dia manomboka amin' ny 10 Aogositra ka miafara amin' ny 16 Septambra.

Virijiny

Ny Virijiny no vintana fahenina amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny Virijiny ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia manomboka amin' ny 23 Septambra ka miafara amin' ny 22 Ôktôbra.

Mizana

Ny Mizana no vintana fahafito amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny fotoan' ny Mizana ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia eo amin' ny 22 Septambra hatramin' ny 22 Ôktôbra. Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Mizana dia amin' ny 31 Ôktobra hatramin' ny 22 Nôvambra.

Maingoka

Ny Maingoka na Alakarabo no vintana fahavalo amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Eo amin' ny 20 Nôvambra hatramin' ny 29 Nôvambra ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Maingoka.

Mpitifitra Tsipìka

Ny Mpitifitra Tsipìka no vintana fahasivy amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Amin' ny 22 Nôvambra hatramin' ny 21 Desambra ny fotoan' ny Mpitifitra Tsipìka araka ny zôdiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Mpitifitra Tsipìka dia amin' ny 18 Desambra hatramin' ny 18 Janoary.

Tandrok' Osy

Ny Tandrok' Osy no vintana fahafolo amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Amin' ny 21 Desambra hatramin' ny 20 Janoary ny fotoan' ny Tandrok' Osy ao amin' ny zôdiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Tandrok' Osy dia eo amin' ny 19 Janoary hatramin' ny 15 Febroary.

Mpitondra Rano

Ny Mpitondra Rano dia vintana fahiraika ambin' ny folo amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Amin' ny 21 Janoary hatramin' ny 18 Febroary ny fotoan' ny Mpitondra Rano araka ny zôdiaka mikisaka. Mandala eo amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Mpitondra Rano ny masoandro amin' ny 16 Febroary hatramin' ny 11 Marsa.

Hazandrano

Ny Hazandrano dia vintana faharoa ambin' ny folo amin' ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Amin' ny 20 Febroary hatramin' ny 20 Marsa ny fotoan' ny Hazandrano ao amin' ny zôdiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny antokon-kintana Hazandrano dia amin' ny 12 Marsa hatramin' ny 18 Avrily.

Jereo koa

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Tags:

Evan' Ny Zôdiaka Ny evan ny zôdiaka araka ny fanandroana tandrefanaEvan' Ny Zôdiaka Jereo koaEvan' Ny ZôdiakaFiteny malagasyFoza (fanandroana)Hazandrano (fanandroana)Kambana (fanandroana)Liona (fanandroana)Maingoka (fanandroana)Mizana (fanandroana)Mpitifitra Tsipìka (fanandroana)Mpitondra Rano (fanandroana)Ombilahy (fanandroana)Ondrilahy (fanandroana)Tandrok' Osy (fanandroana)Virijiny (fanandroana)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fanasan' ny Tompo7 MartsaRepoblika Demokratika MalagasyLouis XVISamuel RatanyHaifisaina sy hetsi-poSamboBokin' i EzekielaFiteny maanianyWikibolanaMeksikaAntesakaFiteny sakalavaAdnanitaToyotaMetodismaJohann Balthasar NeumannApôkalipsin' i JoanyLalànaRSSFanekem-pinoana apôstôlikaFisoronana sy fanalana vintanaSambatraZanahary (finoan-drazana malagasy)HaihayKilalaoNizeriàGregôrio IXHans Holbein le JeuneFitiavan-tanindrazanaKalandrie sinoaBaraNizeriaFaritanin' AntsirananaAdy an-tranoSikidy malagasyPio XFrantsaKabary tera-baoParisyDrônaFatranaWikimaniaFiangonana Ara-Pilazantsara eto MadagasikaraFokom-pirenen' i LevyValanaretin' ny Covid 19 eto MadagasikaraSiméon RajaonaWiki CommonsFiteny indônezianaDavida (mpanjaka)Sakafo malagasyTanyFokom-pirenen' i BenjaminaFitampohaAsorotanyEuryceros prevostiiPentekôstaFehezantenyBôtsoanaVolafotsyFiarahamoninaFiteny malay28 Martsa🡆 More