Ny ekinôksa dia fotona ao amin' ny taona izay amakivakian' ny masoandro ny velarana foronin' ny fehiben-tany ao amin' ny habakabaka ka mahatonga ny masoandro hoatry ny mifindra avy amin' ny ila-bolantany atsimo mankamin' ny ila-bolantany avaratra na ny mifamadika amin' izany.
Amin' ny fotoan' ny ekinôksa no mampitovy ny halavan' ny andro amin' ny halavan' ny alina, araka ny fahalalan' ny olona niaina talohan' ny vanimpotoana nampandroso ny siansa. Ny teny hoe ekinôksa dia avy amin' ny teny frantsay hoe equinoxe, izay avy amin' ny teny latina hoe æquinoctium, ka ny hoe æqui- dia avy amin' ny teny latina hoe æquus dia midika hoe "mira" fa ny -noctium kosa dia avy amin' ny teny latina hoe nox, noctis izay midika hoe "alina".
Misy roa karazana ny ekinôksa, dia ny ekinôksa amin' ny lohataona sy ny ekinôksa amin' ny fararano. Ny ekinôksa amin' ny fararano dia mitranga amin' ny volana Marsa (miovaova eo anelanelan' ny 19 sy 21 Marsa) any amin' ny ila-bolantany avaratra, fa amin' ny volana Septambra (miovaova eo anelanelan' ny 21 sy 24 Septambra) kosa aty amin' ny ila-bolantany atsimo. Ny ekinôksa amin' ny lohataona dia mitranga amin' ny volana Septambra (miovaova eo anelanelan' ny 21 sy 24 Septambra) any amin' ny ila-boloantany avaratra, fa amin' ny volana Marsa (miovaova eo anelanelan' ny 19 sy 21 Marsa) kosa any amin' ny ila-bolantany atsimo.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ekinôksa, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.