Tantaran' I Kômôro

Ny tantaran' i Kômôro dia tantara efa ela, ka ny tena fantatra dia nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany.

Efa nisy ny mponina nanorim-ponenana tao amin' ireo nosin' i Kômôro nanomboka tamin' ny antsasany faharoa amin' ny taonarivo voalohany. Nitovitovy ny tantaran' ireo nosy ireo na dia tsy nitambarany aza. I Frantsa, izay firenena mpanjana-tany tamin' ny fotoanandrony, no nampiray ara-panjakana azy ireo talohan' ny hisarahany indray taorian' ny taona 1976 raha nanapa-kevitra tsy hiala amin' i Frantsa i Mayotte fa ny nosy telo kosa nitambatra nahaleo tena ka nitondra ny anarana hoe Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro (République Fédérale Islamique des Comores). Tsy nisy ny fahamarinan-toerana ara-pôlitika fa fahasahiranana no nanjaka nandritra ity repoblika ity izay nahitana fanonganam-panjakana miisa telopolo nadritra ny roapolo taona. Nisy ny fanavaozana teo amin' ny pôlitika sy ny toekarena ary niova anarana ho Firaisan' i Kômôro (Union des Comores) ilay repoblika tamin' ny taona 2001.

Tantaran' I Kômôro
Botry

Tamin' ny Andro Antenatenany

Tantaran' I Kômôro 
Faritra misy ny mpiteny banto

Ny mponia voalohany

Tokony ho tany amin' ny taonjato faha-7 no nisy olona voalohany tao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro. Tamin' ny taonjato faha-8 sy faha-9 dia nanomboka nisy olona niorim-ponenana ny tao amin' io tampa-nosy io. Ny mponina voalohany dia toa ireo mponina soahily voalohany, izay manana kolontsaina banto niely tamin' ny sisin' i Afrika Atsinanana avy any Sômalia ka hatrany Môzambika, izay nanam-pifandraisana tsy tapaka (mbola tsy tena fantatra mazava) tamin' ny Malagasy manam-piaviana aostrôneziana.

Taty aoriana i Mayotte sy i Nzwani no nisy mponina satria ireo nosy roa ireo dia miavaka amin' ny nosy sisa noho ny fivoarana ara-piteny azy manokana, sy ny fisian' ny fianjadiana malagasy izay miavaka. Ny raharaham-barotra an-dranomasina, izay niroborobo tamin' izany fotoana izany, dia manaporofo ireo fifandraisana tamin' ny Atsinanana Afovoany miozolmana, indrindra i Persia sy i Ômàna. Ny mponina voalohany dia toa tsy Mozilmana, ary tsy nandray ny finoana silamo raha tsy taty aoriana, tamin' ny fifampikasohana tamin' ny mpivarotra arabo.

Ny Tangoro-nosin' i Kômôro dia fetra atsimo amin' ny faritra ara-kolontsaina soahily izay mandroso nanomboka amin' ny Andro Antenatenany tao amin' io faritra io izay nantsoina hoe Zanguebar tamin' izany fotoana izany; i Mayotte dia teboka fihaonana ao amin' io faritra io amin' ny kolontsaina malagasy, izay hafa tanteraka, izay nahatonga an' io nosy io ho fihaonan' ny kolontsaina samihafa - nefa koa lasibatry ny ady. Ny fianjadiana avy amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indiana manontolo, sy avy amin' ny morontsiraka afrikana, izay voakorontan' ny fipoiran' ny vahoaka banto tampoka, sy ny morontsiraka malagasy, dia tsy mitsahatra namolavola ny fiarahamonina soahily a-nosy. Ny fifidrà-monina banto sy malagasy (Sakalava) dia nanombola moramora.

Ny fidiran' ny Arabo sy ny finoana silamo

Araka ny lovantsofina dia ny Antalaotra, izay vahoaka vokatry ny fifampikasohan' ny mponina eo an-toerana sy ny mpiavy avy any Arabia sy avy any Atsinanana, no mponina niorim-ponenana tao Kômôro. Niova finoana ho amin' ny fivavahana silamo, vokatry ny fahatongavan' ny Arabo ny mponina tao nanomboka tamin' ny taonjato faha-12. Ireo Arabo ireo no nanome anarana ny nosin' i Kômôro io (izay atao amin' ny teny arabo hoe Jazayr al-Qamar "Nosin' ny Volana"). Ny Tambanosin' i Kômôro dia tafakambana tao amin' ny raharaham-barotra soahily mampifandray ny morontsiraka atsinanana amin' i Afrika sy ny Atsinanana Akaiky ary ny Atsinanana.

Tamin' ny taonjato faha-13 sy faha-15 dia lehibe mozilmana (ny Fani) no nitarika ny fandaminana ilay tamba-nosy. Lehibe dia lehibe ny fifampikasohana ara-kolontsaina tamin' ny morontsiraka soahily sy tamin' i Madagasikara.

Tamin' ny taonjato faha-16 dia nisy Persiana avy any Shiraz izay efa tao Zanzibar sy tao Kilwa ary tao amin' ny morontsiraka afrikana, izay niorim-ponenana tao Kômôro, ka tao izy ireo no namorona fatoram-pihavanana tamin' ny lehibe tao an-toerana, ka namorona foko izay nihananjary soltanata.

Andro klasika

Tantaran' I Kômôro 
Faritra ara-kolontsaina soahily

Ny firoboroboan' ny raharaham-barotra

Tamin' ny taona 1453, tamin' ny faharavan' i Kônstantinôpla dia nikatona tampoka ny lalana ara-barotra izay nampitohy an' i Eorôpa amin' ny Tontolo Atsinanana. Nisokatra ny andro volamena ho an' ny raharaham-barotra an-dranomasina, izay mihodidina an' i Afrika mba hankanesana any India sy Sina: ny Lakandranon' i Môzambika dia lasa eo afovon' ny lalan' ny raharaham-barotra lehibe maneran-tany, izay niteraka vanimpotoam-piroboroboan' ny toekarena tao amin' ny nosy maro sy tanàna-fanjakana ao amin' ny faritra ara-kolontsaina soahily.

Tamin' ny taona 1470 ny soltàna sirazy (avy any Persia) dia nanorim-ponenana tsikelikely tao amin' ny nosin' i Kômôro, izay nekem-pahefana hatramin' ny taonjato faha-19. Izany vanimpotoana izany no niorenan' ny fivavahana silamo sonita safeita izay mbola arahina hatramin' izao.

Tamin' izany fotoana izany dia lasa nosy mandroso indrindra tamin' ireo tangoro-nosy i Nzwani, satria namporisihin' ny tantsambo: noho izy manana morontsiraka telo, ny tantsambo dia natoky fa afaka mialoka tsy ho azon' ny rivotra, ary tsara dia tsara ny fiantsonana ao; ny Pôrtogey dia nanao an' izany ho toeram-piatoana amin' ny lalana mankany amin' ireo India, ary nametraka fifandraisana ara-barotra amin' ny mponina.

Fifandraisana mivantana amin' i Eorôpa

Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-16 no nanombohan' ny fifandraisana mivantana amin' ny vahoaka eorôpeana, ary voalohany ny tantsambo pôrtogey, nefa koa ny tantsambo ôtômàna toa an' i Piri Reis.

Ny tamba-nosy dia fantatry ny Eorôpeana tsara tamin' ny taona 1751. Ny taonjato faha-17 sy faha-18 dia vanimpotoana nampiroborobo ny toekaren' i Kômôro, izay mipetraka eo amin' ny lalan' ny varotra mandroso teo amin' i Eorôpa sy izay ho lasa Empira Ômaney. Izany harena izany dia niteraka fifanandrinana ara-pôlitika teo amin' ny nosy efatra (izany no niteraka ny fitenenana hoe "soltàna mpiady lava"), izay niteraka fifanafihana am-pitaka maro sy ady misokatra: tamin' ny taona 1742 hatramin' ny taona 1791 dia nanatanteraka andrana hahazoana ny soltanatan' i Mayotte ny soltànan' i Nzwani, ary nangalatra ny minbar vita amin' ny hazo voasokitra tao amin' ny môskean' i Tsingoni.

Ny soltanata sy ny fifandraisana tamin' ny Malagasy

Tantaran' I Kômôro 
Andriantsoly

Tamin' ny taona 1795 hatramin' ny 1820 dia nahalao monina ny nosy telo madinika ny fanafihan' ny jiolahin-tsambo malagasy (Sakalava sy Betsimisaraka), ka niteraka fahasahiranana ara-toekarena lehibe miampy korontana ara-pôlitika, izay nahitana famonoana soltàna maro sy fakana fahefana nataon' ny andriamanjaka vahiny (malagasy, zanzibariana, ômaney, sns). Ny mpanjaka sakalavan' i Boina taty Madagasikara, Andriantsoly, dia nanome ny fiarovany ny soltànan' i Mayotte, Bwana Combo, izay notakalozana ny antsasaky ny nosiny, nefa nandroaka azy hiala an' i Mwali.

I Andriantsoly dia nanandrana niaraka tamin' ny soltàna manam-piaviana malagasy merina Ramanetaka (izay lasa mpanapaka an' i Mwali ka naka ny anarana hoe Abderahmane), izay nisafidy ny hamabo azy mba ho lasa soltàna miara-manapaka an' i Mayotte hisolo azy. Nandroaka an' Andriantsoly avy ao Mayotte tamin' ny taoa 1836 izy mba hanjaka tokana eo amin' ny nosy, nefa nankany Mwali indray. Niaraka tamin' ny soltàna Abdallah ao Nzwani mba haka an' io nosy io indray Andriantsoly. Nirary ny hitandro ny fizakan-tenan' ny nosiny manoloana ireo andriamanjaka kômôriana Andriantsoly, ary ny hiaro azy amin' ny fanafihan' ny jiolahin-tsambo: nefa raha tsy misy mpiara-dia hanohitra ireo farany ireo sy hanohitra ny fanjakà-mpanjaka malagasy izay notohanan' ny Britaina Lehibe, nahatsiaro tena ho voarahona izy. Nitodika tany amin' ny fahavalon' ny Britanika izy, dia ny Frantsay, izay tao Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 1643, izay tonga naka an' i Nosy Be.

Tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-18 dia nanakarama jiolahin-tsambo eorôpeana voaenjika avy any amin' ny Ranomasin' ny Antilia ireo soltàna ireo, ka izany dia nanokatra varavarana amin' ny mpikarama an' ady sy ny mpitady zava-baovao izay tsy nitsahatra niditra an-tsehatra tamin' ny raharaha pôlitika teo an-toerana. Ny jiolahin-tsambo malagasy dia nandravarava an' i Nzwani tamin' ny taona 1790.

Tantaran' I Kômôro 
Louis Philippe I

Ny fahatongavan' ny Eorôpeana

Tamin' izany fotoana izany ihany dia tonga ny Eorôpeana voalohany, dia ny Pôrtogey, izay niantsona tao amin' ilay tamba-nosy, ka ny sasany tamin' izy ireo dia nanao ny asan' ny jiolahin-tsambo nokaramain' ny soltàna, izay tsy nitsahatra ny niady tamin' izy samy izy sady ny tanin' izy ireo dia nianjadian' ny famelezan' ny Malagasy. Tamin' ny farany dia ny nosy Nzwani (na Anjouan) no nanjakazaka tamin' ilay tamba-nosy manontolo, izay matetika teo ambany fanapahan' ny soltàna mara.

Tamin' ny 25 Avrily 1841, ny soltàna Andriantsoly, izay nahatsikaritra fa tsy ho azony arovana intsony ny nosiny izay saika tsy misy olona intsony vokatry ny ady tsy an-kijanona (ny tanàna madinika rehetra dia nilaozan' olona afa-tsy i Dzaoudzi), dia nivarotra an' i Mayotte amin' i Frantsa (1843), izay natakalo fandoavam-bola mandra-pahafatiny sy fanomezana alalana ny hitaizana ireo zanany any La Réunion antohan' ny Frantsay. Tamin' izany fotoana izany, i Louis-Philippe I, mpanjaka frantsay farany, dia nanambatra an' i Mayotte amin' i Frantsa.

Nifamatotra amin' i Frantsa ny hoavin' i Mayotte nanomboka tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-19, fa ny nosy telo kosa dia nanana ny fahaleovan-tenany nandrintra ny fotona iray, nefa nitsiriritra sy nanambitamby azy ireo ny firenena matanjaka any ivelany. Tamin' ny taona 1851, tamin' ny alalan' ny Expédition d'Anjouan dia nanao fifanaraham-barotra manan-tobony manokana an-tery tamin' i Nzwani i Etazonia.

Tantaran' I Kômôro 
Said Ali bin Said Omar

Maro ny Eorôpeana izay niorim-ponenana miandalana tao Kômôro, nividy tany sy andevo tao, ka lasa nanan-karena, toa an' i Léon Humblot (tonga tamin' ny taona 1884) izay nanao fanekena tamin' ny soltànan' i Bambao atao hoe Said Ali bin Said Omar ka lasa nantsoina hoe "soltàna fotsin' i Kômôro" izay nanapaka an' i Ngazidja sy nanorina ny fanapahany tamin' ny fanandevozana.

Fanjanahan-tany frantsay

Fametrahana prôtektôrata

Natsangan' i Frantsa ny prôtektôrata izay niitatra tamin' ireo nosy telo sisa tamin' ny taona 1885 sy 1886. Nalain' ny Eorôpeana ny tany mamokatra ka niteraka fikomiana lehibe maro izany tamin' ny taona 1889 tao Nzwani sy tamin' ny taona 1902 tao Mwali (na Mohéli). Ny mba hampisy fandanjalanjana eo amin' izany fanirian-daza isam-batan' olona no nahatonga an' i Frantsa nametraka prôtektôrata tao Kômôro izay nankatoavin' ny soltànan' i Ngazidja tamin' ny taona 1886. Nanomboka tamin' ny taona 1892 dia ny Résident teo ambany fanapahan' ny governoran' i Mayotte (eo ambany fanapahan' ny filoham-pirenenan' ny Repoblika Frantsay) no nanapaka ny nosin' i Kômôro, izay naka tsikelikely ny fahefana sady nanafoana ny fanandevozana (nesorina tamin' i Humblot ny tombontsoany manokana tamin' ny taona 1896).

Fanjanahan-tany

Ny fitrandrahana nataon' ny mpanjanatany dia nahasahana ny 50 %n' ny tanin' i Ngazidja sy ny 40 %n' ny an' i Nzwani ary ny 20 %n' ny an' i Mwali. Lasa zana-tany ireo nosy ireo ka nantsoina hoe "colonie de Mayotte et dépendances". Ny fiteny frantsay no lasa fiteny ôfisialy, tsy natao amin' ny teny arabo intsony ny fampianarana fa amin' ny teny frantsay. Niohy ihany anefa ny fampiasana ireo endriky ny fiteny soahily teo amin' ny raharaham-barotra.

Tantaran' I Kômôro 
« Madagascar : Femme des Comores » (hajiam-paositra tamin' ny taona 1908).

Tamin' ny taona 1904 dia nakambana ara-dalàna ireo nosy ireo. Tamin' ny 25 Jolay 1912 dia nisy ny didim-panjakana faharoa izay nanakambana an' i "Mayotte et ses dépendances" tamin' i Madagasikara. Naverina tsikelikely tamin' ny Kômôriana ny tany, ary nisy manampahaizana teratany izay nisandratra tsikelikely (ny ankamaroany dia nianatra tany La Réunion alohan' ny norenana ny Lycée de Moroni).

Lasa zanatany frantsay ny Tangoro-nosin' i Kômôro izay nakambana tamin' i Madagasikara ("Colonie de Madagascar et dépendances") taorian' ny Ady Lehibe Voalohany. Tamin' ny taona 1946 dia nosarahina tamin' i Madagasikara ilay tamba-nosy ka lasa tany frantsay an-dafin-dranomasina.

Mankany amin' ny fahaleovan-tena

Fialana amin' i Madagasikara

Tamin' ny taona 1946 ilay vondron-tany antsoina hoe "Colonie de Madagascar et dépendances", izay zana-tany frantsay, dia tsy niankina ara-panjakana amin' i Madagasikara, fa lasa nahaleo tena, ka lasa "territoire d'autre-mer" (TOM). Tsy nahafaly ny Mahôrey, izay efa tamin' ny taoa 1946 nahita an' i Guadeloupe, i Guyane, i La Réunion ary i Martinique izay efa lasa departemanta, izany, ka nitaky ampahibemaso tamin' ny governemanta ny hanovana ny nosiny ho departemanta koa.

Fitakiana fahaleovan-tena

Tantaran' I Kômôro 
Ahmed Abdallah

Taorian' ny fahazoan' ny firenena afrikana fahaleovan-tena mifanesy nandritra ny taomplo 1960 dia nisy ny avara-pianarana nanomboka nitaky ny fahaleovan-tenan' i Kômôro. Nahazo fizakan-tena anatiny i Kômôro tamin' ny taona 1961.

Tamin' ny fifanarahana tamin' ny 15 Jona 1973, izay nametraka ho tanjona ny fahaleovan-tena iaraha-midinika, dia nitsapa ny hevi-bahoaka i Frantsa tamin' ny taona 1974. I Mayotte, izay fizaran-tany frantsay efa ho taranaka roa talohan' ny nosy telo sisa, sady nahita maminy kokoa tamin' ny fiarahana amin' ny Frantsay, dia nihazona ny sata maha frantsay azy, fa ny nosy telo hafa dia nisafidy ny fahaleovan-tena.

Taorian' ny nahazoana ny fahaleovan-tena

Fanjakana Kômôriana

Tantaran' I Kômôro 
Sainan' ny Fanjakana Kômôriana

Tamin' ny 6 Jolay 1975 dia nanambara ny fahazoan' i Kômôro fahaleovan-tena ilay anjoaney Ahmed Abdallah Abderamane (filohan' ny filan-kevitry ny governemanta nanomboka tamin' ny taona 1970), ka nitaky an' i Mayotte hakambana amin' ny fizaran-tany kômôriana. Tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin' ny taona 1976 dia nisafidy ny hiaraka amin' i Frantsa hatrany i Mayotte ka lasa vondrom-paritra frantsay.

Io vanim-potoana io dia nahitana fanonganam-panjakana enina na fito, arakaraka ny mpanoratra, ary i Ali Soilih no lehilahy nahery indrindra.

Ny Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro

Tantaran' I Kômôro 
Sainan' ny Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro

Taorian' ny nahazoany ny fahaleovan-tenany, ny Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro (frantsay: République fédérale islamique des Comores -- RFIC) dia nianjadian' ny korontana ara-pôlitika sy ny fanonganam-panjakana. I Ali Soilih, izay sôsialista, sy i Bob Denard, izay mpikarama an' ady frantsay, dia nifandimby niasa ho an' i Frantsa na ho an' ny tenany manokana. Nifandimby ny fitondrana tsy nampanjaka ny demôkrasia sy ny fanonganam-panjakana.

Tamin' ny taona 1997 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Nzwani sy i Mwali ka nanambara ny faniriany hikambana amin' i Frantsa izay tsy nanaiky izany. Izany andrana fisarahana izany dia niteraka fanaovana ankivy notarihin' ny RFIC sy ny Firaisambe Afrikana (frantsay: Organisation de l'Unité Africaine -- OUA). Niverina nanaiky ny fahefan' i Moroni i Mwali tamin' ny taona 1998 rehefa nandamina ny OUA, i Nzwani kosa tsy nanaiky.

Tamin' ny volana Febroary 1999 dia naka ny fahefana tao Ngazidja ny kôlônely Azali Assoumani tamin' ny nanonganany ny filoha Tadjidine ben Saïd Massounde (izay Anjoaney). Niteraka fahasahiranana ara-pôlitika izany. Nisy ny fanatanterahana fifampiraharahana izay nisy vokany kokoa tamin' ny kôlônely Mohamed Bacar avy ao Nzwani mba hamahana ilay fahasahiranana.

Ny Firaisan' i Kômôro

Tantaran' I Kômôro 
Sainan' ny Fiaraisan' i Kômôro

Izany fahasahiranana izany dia nivaha tamin' ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana maromaro tao Fomboni tamin' ny taona 2000 sy 2001 sy ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny 23 Desambra 2001. Natao ny fampihavanam-pirenana, nitambatra indray ny nosy telo sady nandrafitra lalàm-panorenana vaovao teo ambany fitarihan' ny OUA: teraka ny Firaisan' i Kômôro (Union des Comores, amin' ny teny frantsay). Araka ny lalàm-panorenana dia nisy ny fifidianana tamin' ny taona 2006 izay nahazoan' i Ahmed Abdallah Mohamed Sambi fandresena.

Tantaran' I Kômôro 
Ahmed Abdallah Mohamed Sambi

Tamin' ny taona 2007, i Mohamed Bacar, izay filohan' i Nzwani nanomboka tamin' ny taona 2002, dia nanao indray ny hahazoan' io nosy io ny fahaleovan-tenany, na dia avy nahazo ny maha filohan' ny Firaisana azy izy, izay notoherin' i Ngazidja. Tamin' ny 23 Marsa 2008 dia nandefa tafika tany amin' ny nosy Nzwani ny filohan' i Kômôro Ahmed Abdallah Mohamed Sambi, notohanan' ny Vondrona Afrikana (frantsay: Union Africaine -- UA), ka nanafika an' i Nzwani. Azon' ny tafi-panjakana ny renivohitra roa andro taorian' izay ka nandositra ny kôlônely Bacar.

Tantaran' I Kômôro 
Ikililou Dhoinine

Tamin' ny volana Mey 2009 dia nampanao fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàm-panorenana ny filoha Sambi, ka lany tamin' ny 93 %n' ny vato manan-kery izany. Nanamafy ny fahefan' ny filoham-pirenena izany lalàm-panorenana vcaovao izany, ary ny filohan' ny nosy tsirairay dia niova ho governora sady nanana fizakan-tena bebe kokoa, notovanana iray taona ny fe-pitoam-piasan' ny filoham-pirenena. Lasa fivavaham-panjakana ny fivavahana silamo, raha taloha dia natao ho fakan-kevitra momba ny fitsipika sy ny foto-dalàna izay hitantanana ny Firaisan' i Kômôro fotsiny io fivavahana io. Ny mpandimby azy, Ikililou Dhoinine, izay filoha lefiny nanomboka tamin' ny taona 2006, dia voafidy tamin' ny 26 Desambra 2010 ka napetraka handimby azy tokoa tamin' ny 26 Mey 2011.

Tantaran' I Kômôro 
Azali Assoumani

Tamin' ny fifidianana floham-pirenena natao tamin' ny taona 2016 dia ny filoha lefitr' i Ikililou Dhoinine no kandidàm-panjakana (i Mohamed Ali Soilihi). Resin' ilay mpanongam-panjakana teo aloha Azali Assoumani izy tamin' ny 41,43 %n' ny vato fa izy nahazo 39,67 % fotsiny.

Tamin' ny 30 Jolay 2018 ny Kômôriana dia nandany tamin' ny alalan' ny fitsapan-kevi-bahoaka ny fanavaozana ny lalàm-panorenana izay nanamafy indray ny fahefan' ny filoham-pirenena, izay manome alalana azy ho afaka milatsaka indroa. Nofoanana ny fisian' ny filoha lefitra sy ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana (Cour Constitutionnelle) ka nosoloana ny Fitsarana Tampony (Cour Suprême).

Jereo koa

Tags:

Tantaran' I Kômôro Tamin ny Andro AntenatenanyTantaran' I Kômôro Andro klasikaTantaran' I Kômôro Fanjanahan-tany frantsayTantaran' I Kômôro Mankany amin ny fahaleovan-tenaTantaran' I Kômôro Taorian ny nahazoana ny fahaleovan-tenaTantaran' I Kômôro Jereo koaTantaran' I KômôroAndro AntenatenanyFahaleovantena (pôlitika)FanjanahantanyFanonganam-panjakanaFrantsaKômôroMayottePôlitikaRepoblika Federaly Islamikan' i KômôroToekarena

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AsombolaAntanosySamgaraFahagaganaISO 3166-1Anjely potrakaAogostino avy any HipônaFaritra Atsimo-AndrefanaTantaran' i EtazoniaFahotana28 DesambraNy valanaretin'ny coronavirus eto MadagasikaraAhidamboWikimaniaZanabintanaGregor MendelFokom-pirenen' i IsraelyElefantaAnjara (finoana)MarovatoPio XSôdômaHaihayFokom-pirenen' i EfraimaSilamoFady (malagasy)MaritranoKristianinaWikiSôdôma sy Gômôra1862AdizaozaFiangonana Loterana MalagasyBetsimisaraka1860WikibolanaVezoAbdellatif FellainiSiriaFahefana Avon' ny TetezamitaMeksikaSikidy malagasyBootzheimAmbohimangaSiliaSorona masinaTenim-pinoanaAdaoroTestamenta TalohaFiteny maanianyFanonganam-panjakanaFaritra Atsimo-AtsinananaPhoenix, ArizonaPapaKônfirmasiônaFanahy MasinaTsimihetyRavalomanana MarcAndriamanitra (tokana)KatroKinshasaFanahyMasikoroRanavalona IIPio IVMenalambaBetsileoVolana (fotoana)Fiteny nepaleyAzia Atsimo-Atsinanana🡆 More