Kolontsaina Ao Kômôro

Ny kolontsaina ao Kômôro dia fitambaran' ny fanaon' ny Kômôriana miisa 1 100 000 ao Kômôro sy any am-pielezana.

Ny fiteny kômôriana (shikomori) - izay endriky ny fiteny soahily, sady iray amin' ireo fiteny ôfisialin' i Kômôro ankoatry ny fiteny frantsay sy arabo - no fiteny tena ampiasain' ny olona ao Kômôro. Mozilmana ny ankamaroan' ny mponin' i Kômôro nefa ahitana Kristiana koa ao. Misy ihany koa ireo mpanaraka ny finoan-drazana.

Ny mponina

Ny fiaviany

Atao hoe Kômôriana ny vahoakan' i Kômôro, izay ahitana ampahany koa amin' ny tanàna maro aty Madagasikara. Vahoaka maro fiaviana ny Kômôriana: Afrikana mainty hoditra, Arabo, Malagasy, Aziatika, sns. Noho izany dia isan-karazany ny vahoaka monina ao Kômôro, ka hita ao ny Antalaotra ("vahoakan' ny ranomasina" izay heverina fa mponina tonga voalohany tao). Taorian' ny fahatongavan' ny Arabo sy ny Persiana (na Persa) voalohany tany Zanzibar sy tao amin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika, dia tonga nanorim-ponenana tao Kômôro koa ny Malagasy sy ny Indiana mozIlmàna (ismaily).

Nisy koa ny fifindrà-monin' ny Sinoa ao Kômôro (ao Moroni indrindraindrindra). Na dia nandao an' i Kômôro ny Frantsay taorian' ny fahaleovan-tena tamin' ny taona 1975 dia mbola misy fianakaviana kreôly monina ny ao, izay taranaky ny mpifidra monina avy any Frantsa sy Madagasikara ary La Réunion.

Ny isany

Araka ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny taona 2004 dia 646 400 ny isan' ny mpoina ao Kômôro (31 200 ny ao Mwali, 363 200 ny ao Ngazidja, ary 252 000 ny ao Nzwani). Betsaka anefa ny Kômôriana am-pielezana any Frantsa (indrindra any Marseille, Paris, Lyon, Bordeaux, Toulouse, Dunkerque ary Nice) sy ao La Réunion sy Mayotte izay mihoatra io isa io. Tamin' ny taona 2008 dia niisa 731 775 ny mponina tao Kômôro. Araka ny vinavina nataon' ny Central Intelligence Agency (CIA) dia misy 787 678 ny mponina ao Kômôro tamin' ny taona 2016. Tombanana any amin' ny 850 886 ny mponina ao Kômôro tamin' ny taona 2019. Nisy mponina miisa 1 071 229 tao Kômôro tamin' ny taona 2020.

Ny fivavahana

Kolontsaina Ao Kômôro 
Môskea ao Moroni

Ny ankamaroan’ ny mponina dia manaraka ny fivavahana silamo sonita manam-pirehana safeita. Misy koa ny Kristiana vitsy anisa (Malagasy).

Ny silamo

Ny silamo sonita manaraka fombam-pivavahana safeita no fivavahana manjaka ao Kômôro hatramin' ny Andro Antenatenany, nefa ahitana Indiana siita vitsy anisa koa ao izay misahana ny ampahany be amin' ny raharaham-barotra.

Manaraka ny silamo sonita, izay lasa fivavaham-panjakana, ny 98 %n' ny Kômôriana, fa ny sisa amin' ny Mozilmana kômôriana dia Siita, izay vitsy anisa sady iharan' ny fanenjehana.

Ny fidirana an-tsehatr' i Arabia Saodita amin' ny fiainan' i Kômôro (izay mampiasa ny volany hatramin' ny 40 tapitrisa dôlara tamin' ny taona 2017 araka ny famporisihan' ny filoham-pirenena Azali Assoumani) dia miteraka fanahiana eo amin' ny mpanara-maso iraisam-pirenena ny amin' ny hanjakazakan' ny oahabisma ao amin' ireo nosy ireo, sy ny voka-dratsy ara-pôlitika mety hateran' izany.

Fampifangaroana finoana

Ao Ngazidja, ireo olema (teôlôjiana miozolmana sonita) dia mitahiry ny fomba fanao avy ao Afrika sy ny fanao silamo. Matetika dia mifanohitra ireo fanao roa ireo nefa izany no mampiavaka ny silamo ao Kômôro. Anisan' izany fanao izany ny lanonana fahatsiarovana ny maty (izay mampahatsiahy ny fombafomba vôdo), sy ny fisian' ny fombafomba misy fanaovana ody ampiarahina amin' ny finoana ny fanahy sasany (izay ampitovina amin' ny jiny).

Ny fitazomana fanafody

Malaza manerana ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny fahaizan' ny Kômôriana amin' ny filalaovana ody sy amin' ny ôkoltisma, izay avy amin' ny finoan-drazana afrikana. I Ali Soilih, izay mpitarika ny Fanjakana Kômôriana teo anelanelan' ny taona 1975 sy 1978 dia nanenjika fatratra ny mpanao izany fomba izany.

Ny kristianisma

Vitsy anisa ny mponina kristiana ao Kômôro, izay ahitana Katôlika sy Prôtestanta, ka ny ankamaroany dia Malagasy sy mpiavy any Frantsa. Ny 2,1 %n' ny mponina ao Kômôro no Kristiana.

Ny fiteny

Ny fiteny ôfisialin’ i Kômôro dia ny fiteny kômôriana sy ny fiteny frantsay ary ny fiteny arabo. Tsy nanana abidy ôfisialy i Kômôro raha tsy tamin' ny taona 1992, nefa nampiasa ny abidy arabo sy latina.

Ny fiteny kômôriana

Ny fiteny kômôriana no fiteny tena ampiasain' ny olona ao Kômôro andavanandro (tenenin' ny 96,9 %n' ny mponina), izay endriky ny fiteny soahily, sady iray amin' ireo fiteny ôfisialin' i Kômôro ankoatry ny fiteny frantsay sy arabo, ka ny 30 %n' ny voanteny ao aminy dia avy amin' ny fiteny arabo. Ny fiteny kômôriana dia karazam-piteny banto, ao amin' ny vondrom-piteny soahily. Atao hoe shimasiwa na shikomori io fiteny io amin' ny fiteny kômôriana. Ny mponin' ny nosy tsirairay dia samy manana ny fomba fitenenany ny fiteny kômôriana, ka ny ao Nzwani dia miteny shinzwani, ny ao Ngazidja miteny shingazidja, ary ny ao Mwali miteny shimwali. Marihina fa ny mponia ao Mayotte (Maore), izay tsy anisan' ny Firaisan' i Kômôro, dia miteny shimaore.

Ny fiteny frantsay

Iray amin' ireo fiteny ôfisialin' i Kômôro telo ny fiteny frantsay izay fiteny enti-mampianatra koa. Anisan' ny fiteny ampiasaina amin' ny raharaham-barotra ny fiteny frantsay.

Ny fiteny arabo

Ny fiteny arabo dia fiteny ianaran' ireo mpino mozilmana. Tsy dia betsaka anefa ny mpiteny arabo andavananadro noho ireo Kômôriana tsy dia mandeha any amin' ny firenena arabo (afa-tsy amin' ny fivahiniana masina atao any Meka). Manampy izany koa ny fisian' ny endri-piteny arabo samihafa ampianarina ao Kômôro. Amin' ny fahazazana ihany no ianarana sy ampiasana betsaka ny teny arabo, hany ka hadino io fiteny amin' ny fahalehibeazana.

Fiteny hafa

Anisan' ny fiteny ampiasaina amin' ny raharaham-barotra sy ny fizahàn-tany ny fiteny anglisy. Ahitana mpiteny malagasy (sakalava, kibosy) sy kisoahily ary gojaraty vitsy koa ny ao Kômôro.

Ny fampianarana

Kolontsaina Ao Kômôro 
Fampianarana zazakely amin' ny teny sinjoany ao Njoany

Ny tahan’ ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra dia 56,8 % tamin’ ny taona 2005.

Tamin' ny taona 2000, ny 44,2 %n' ny zaza 5 taona hatramin' ny 14 taona no miditra an-tsekoly. Tsy ampy ny fotodrafitrasa, ny fitaovana, ny mpampianatra tsara ofana, ny boky ho enti-mampianatra ary ny hafa maro koa. Matetika no tsy voaloa ny karaman' ny mpampianatra ka mahatonga ny ankamaroan' ny mpampianatra hitokona tsy mampianatra.

Marikitra ny 77 %n' ny mponina no mahay mamaky teny amin' ny tarehin-tsoratra latina fa ny 90 % amin' ny abjady arabo. Talohan' ny taona 2000, ny mpianatra mitady oniversite dia mankany ivelan' i Kômôro, nefa tamin' ireo taona 2000 dia nisy ny fananganana oniversite ao amin' io firenena io. Nanampy ny fanatsarana ny toekarena izany sady niadiana amin' ny fialan' ny manam-pahaizana an' i Kômôro hitady asa.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Kolontsaina Ao Kômôro Ny mponinaKolontsaina Ao Kômôro Ny fivavahanaKolontsaina Ao Kômôro Ny fitenyKolontsaina Ao Kômôro Ny fampianaranaKolontsaina Ao Kômôro Jereo koaKolontsaina Ao Kômôro Loharano sy fanamarihanaKolontsaina Ao KômôroFiteny araboFiteny frantsayFiteny kômôrianaFiteny soahilyFiteny ôfisialyFivavahan-drazana afrikanaKristianismaKômôroSilamo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

VoromailalaMaritranoAntokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i MadagasikaraPaoly (apôstôly)SaonjoTanyNy valanaretin'ny coronavirus eto MadagasikaraMpampiankinaAmbaliha (Ambanja)AzôtaSMOTIGFilazam-potoana hoavyFaritra Atsimo-AtsinananaFanahy (kolontsaina malagasy)FitampohaAlakaosyAdaoroBaiboly1974Adolf HitlerFianakavianaFehezantenyAkohoTontolo iainanaRy Tanindrazanay malala ôFanatontoloana1901FilôzôfiaVoatabiaWSihanakaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaHaisoratraAntemoroFiteny nepaleyFiompianaGidroAdy an-tranoEvanjelismaLezôtôFanafodyAljeriaVoanihoFilazam-potoana (fitsipiteny)Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Azia Atsimo-AtsinananaEvekaAbidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaFanalana faditraSatorinaFiteny indônezianaGregôrio IXSorona masinaGuangdongRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Oram-panalaHiragasyISO 3166-1Prôtestantisma eto MadagasikaraTsimihetyFilistinaFiangonana zandrinyTrombaNosy LonjoRanavalona IIMenalambaTantara ny Andriana eto MadagasikaraTetiandro malagasyFanandroana malagasyAnamalahoFahagaganaParakyFokom-pirenen' i Efraima🡆 More