Fivavahana Ao Kômôro

Ny fivavahana ao Kômôro dia anjakan' ny fivavahana silamo sonita manaraka firehana safeita.

Misy koa ny Kristiana vitsy anisa.

Fivavahana Ao Kômôro
Ny môskea lehibe ao Moroni

Ny silamo

Ny ankamaroan’ ny mponina dia manaraka ny fivavahana silamo sonita manaraka fombam-pivavahana safeita. Ny silamo sonita manaraka fombam-pivavahana safeita no fivavahana manjaka ao Kômôro hatramin' ny Andro Antenatenany, nefa ahitana Indiana siita vitsy anisa koa ao izay misahana ny ampahany be amin' ny raharaham-barotra.

Manaraka ny silamo sonita, izay lasa fivavaham-panjakana, ny 98 %n' ny Kômôriana, fa ny sisa amin' ny Mozilmana kômôriana dia Siita, izay vitsy anisa sady iharan' ny fanenjehana.

Ny fidirana an-tsehatr' i Arabia Saodita amin' ny fiainan' i Kômôro (izay mampiasa ny volany hatramin' ny 40 tapitrisa dôlara tamin' ny taona 2017 araka ny famporisihan' ny filoham-pirenena Azali Assoumani) dia miteraka fanahiana eo amin' ny mpanara-maso iraisam-pirenena ny amin' ny hanjakazakan' ny oahabisma ao amin' ireo nosy ireo, sy ny voka-dratsy ara-pôlitika mety hateran' izany.

Fampifangaroana finoana

Ao Ngazidja, ireo olema (teôlôjiana mozilmana sonita) dia mitahiry ny fomba fanao avy ao Afrika sy ny fanao silamo. Matetika dia mifanohitra ireo fanao roa ireo nefa izany no mampiavaka ny silamo ao Kômôro. Anisan' izany fanao izany ny lanonana fahatsiarovana ny maty (izay mampahatsiahy ny fombafomba vôdo), sy ny fisian' ny fombafomba misy fanaovana ody ampiarahina amin' ny finoana ny fanahy sasany (izay ampitovina amin' ny jiny).

Malaza manerana ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny fahaizan' ny Kômôriana amin' ny filalaovana ody sy amin' ny ôkoltisma, izay avy amin' ny finoan-drazana afrikana. I Ali Soilihi, izay mpitarika ny Fanjakana Kômôriana teo anelanelan' ny taona 1975 sy 1978 dia nanenjika fatratra ny mpanao izany fomba izany.

Ny kristianisma

Vitsy anisa ny mponina kristiana ao Kômôro, izay ahitana Katôlika sy Prôtestanta, ka ny ankamaroany dia Malagasy sy mpiavy avy any Frantsa. Ny 2,1 %n' ny mponina ao Kômôro no Kristiana.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fivavahana Ao Kômôro Ny silamoFivavahana Ao Kômôro Fampifangaroana finoanaFivavahana Ao Kômôro Ny kristianismaFivavahana Ao Kômôro Jereo koaFivavahana Ao Kômôro Loharano sy fanamarihanaFivavahana Ao KômôroKristianismaSafeismaSilamoSonisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fitodika ataoRégis Rajemisa RaolisonMax von SydowNy EjaAndrianaCarlos V, emperora rômana masinaIlakakaRepoblika MalagasyStåle SolbakkenBetsimisarakaWayback MachineVaryMessac, Charente-MaritimeRadama VoalohanyRonny JohnsenFitampohaRobert Cailliau654LiokaBetsileoFanatontoloanaBrothers GrimmFiompianaToekaren' i MadagasikaraFisaraham-pahefanaClarence TownGino PeruzziPrôtestantisma eto MadagasikaraFiteny malagasy407Rova ManjakamiadanaRavitoto sy henakisoaVondronosy MitsioAlahamady2000Jesoa araka ny kristianismaDevolyBielôrosiaAndrianampoinimerinaUlrich ZwingliMalagasy (vahoaka)Fitenim-paritra malagasySoson-drivotraAndranofito512AhidamboRepoblika410WaggrakineTantaran' i MadagasikaraHugo GattiTrozonaEncyclopædia Britannica801GisaFélix Candela1938Bokin' ny TantaraFiteny ôfisialyMaley (firazanana)Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFiarahamoninaVolahavana GermaineFitsipiteny malagasyArp 276MonzónOsloFrode GrodåsJôbaSora-tsikidy🡆 More