Tanàna-Fanjakana

Ny tanàna-fanjakana dia erana ara-jeôgrafia fehezin' ny tanàn-dehibe iray manokana, izay amin' ny ankpobeny manana ny fiandrianana.

Ara-tantara dia isan' ny tanàna-fanjakana i Rôma sy i Atenay (na Atena) ary ireo tanàna-fanjakana tao Italia. Vitsy ihany ny tanàna-fanjakana mbola misy ankehitriny. Anisan' ny heverin' ny maro ho tanàna-fanjakana i Singapôro, Mônakô ary i Vatikàna.

Misy fanjakana hafa izay manana ireo toetra maha tanàna-fanjakana ka heverina fa tanàna-fanjakàna môderna. Anisan' izy ireo i Malta sy i Bareina ary i San-Marîno (Saint-Marin), izay fanjakana bitika ahitana mponina makitroka dia makitroka. Toraka izany koa i Katara sy i Broney ary i Kôety, izay samy manana tanàn-dehibe ahitana ny ampahany be amin' ny mponina, nefa misy tanàna hafa miavaka tsara ankoatry ny renivohitra.

Maro koa ireo tabàn-dehibe tsy manana fiandrianana nefa manana fizakan-tena avo dia avo ka indraindray heverina ho tanàna-fanjakana. Anisan' izany i Hong Kong sy i Macao, ary ireo tanàn-dehibe sasany ao amin' ny Emirata Arabo Miray, indrindra i Dubai sy i Abou Dabi.

Tags:

AtenaMônakôRôma TalohaSingaporoVatikàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ArjentinaRepoblika Malagasy14311826Fiteny romantsaFamoronana (finoana sy fedrà)VoronaFanahy (kolontsaina malagasy)MontanaAlemainaFiteny araboTsekôslôvakiaAntom-pisian'ny olonaAsorotanyFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraMaleziaTontolo iainanaMasedônia Avaratra1417Mpampiankin-tenyFiarahamoninaLimboFirenenaMahabad, IsfahanHasanabad, ReyTrondroBezanozanoApôlinariôsy avy any LaôdikeaImmanuel KantBretagne-d'ArmagnacSivilizasiona mikenianaHoditraAndriamasinavalonaFampihorohoroanaLalànaFifohazana Ankaramalaza12371888MetafizikaAbkaziaFilazantsara araka an' i MarkaEpifaniaGoogle439AbelaLimaMalagasy (vahoaka)AntananarivoRepoblika Demôkratika MalagasyTanora Malagasy VononaIrànaMozikaAlahamadyTorkiaFarao ao amin' ny BaibolyAurangzebSakalavaAveloPôlinezia FrantsayDanemarka1737JesoaFanahy MasinaSimiaAdimizanaFanenomanaFiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara19702007Fiteny tiorkaSan Francisco19711603🡆 More